SEHATRY NY ANKIZY

NANORO HEVIDRATSY

NANORO HEVIDRATSY 

Ela tokoa no nanirian'ity ramatoa zanaka, ka nony ela tanteraka ny faniriany ka teradahy izy.
Nataony tsy orin-javatsoa ilaikely ary tanterahiny izay tiany rehetra. Vokatr'izany tsy azo notohinina sady feno tsy fanajana ny rehetra izy.
Nananatra ny manodidina, fa avonavona ny valiny, nony nanipy teny tamin'ilay reny dia valiany fotsiny hoe:  "Miova ihany io rehefa lehibe".
Vao maika nitombo ditra ilay zazalahy. Miasa mafy reniny nefa tsy ampy azy.
Nony nananika ny fahatanorana dia sahiny na ny mikasi-tanana ny reniny aza, ary nafokainy ny zokiolona. Nandraiki-narary ny reniny fa tsy nahoany.
Tsy mba toy ny tanora hafa fa lasa mpangalatra ilay zazalahy, satria ny zavatra tadiaviny dia tiany ho azo eo no eo.
Feno holatra sy lasa nandringa vokatry ny herisetra.
Nitohy ny ditrany sy ny hasahiany ka tratra nanendaka olona ary novonoiny mihintsy ilay olona.
Voaheloka antranomaizina mandra-pahafatiny no saziny.
Nony vita ny fitsarana dia nangataka hiresaka farany amin'ny reniny izy.
Manatona hobitsihiko hoy izy :
Kanjo re rankizy nokaikeriny ny sofindreniny sady nivazavaza izy hoe: " Noho hianao no nahatonga ahy toy izao, raha mba nanarinao aho fonikely tsy ho toy izao no niafarako"

Maty irery sy mahantra ilay ramatoa.
Fitiavan-janaka diso  tafahoatra hany ka lasa diso  toerana.


 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement