SEHATRY NY ANKIZY

Lalomena

LALOMENA

                                                                                                    LALOMENA

"Maro ny angano milaza ny fisian'ity biby LALOMENA ity teto Madagasikara.  Biby lehibe matanjaka monina any anaty rano ary manana tandroka mena roa mifilofilo be hono. Ny fanadihadiana dia karazana  "hipoopotame"  izy io, satria ny anarana iantsoana ny lalomena amin'ny lovantsofina hafa dia: soavalindrano (hippopotame: cheval géant du fleuve)"


Taloha elabe hono nisy ankizilahy kely izany te-hanome fanomezana ny reniny . Totokely no anarany.
Ny zavatra fantany fa tian'i neniny dia ny hahazo ny tandroky lalomena hatao firavaka.
Bibibe monina any anaty ranobe i lalomena, ary tsy misy sahy manatona azy fa laniny ;
Tapakevitra ilay zazalahikely fa handeha haka ny tandroky lalomena, nototoiny ny vatsy dia nanao veloma ny neniny izy .
Nony nandeha ela i Totokely dia tonga tamoron'ny reniranobe iray, nangina dia nangina ny renirano fa miala sasatra i Lalomena .
Dia niantso hono i Totokely:

"Lalomena iry e!
lalomena iry e!
Mitodiha aty mba hiady e!
Hiady isika roa lahy
."

Nisamboaravoara be ny rano dia nivoaka i Lalomena sady nihira : 

Izaho re tsary hiady e!
Tsary hiady amin-jaza .
Fa raha mihetsika anie lalomena dia dodotany, 
Raha misioka i lalomena dia ranonjavona , 
Ka aho re tsary hiady e!
sary hiady aminjaza
.

Natsian'ny Totokely hira teo ihany hono i lalomena dia tezitra ka nivoaka ny rano, biby lehibe sy masiaka no nivoaka tao ary nifofofofo ny rivotra vokatry ny fofonainy. nihazakazaka hamono an'ilay zazalahikely izy.
Niandry azy teo ambody hazo i Totokely ,  nony tena teo akaiky tokoa dia nivadika tao ambadiky ny hazo i Toto ka nifatratra tamin'ny hazo ny tandroky lalomena ka niraikitra teo i lalomena.
Notsatohin'ny Totokely hazo maranitra ny lohany ka maty tery.
Notapahiny hono ny tandrony dia nentiny nody hanaovan'ny reniny firavaka.
Izany tokoa ny hoe: ny tanjaka tsy mahaleo ny hakingan-tsaina.


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement