SEHATRY NY ANKIZY

MADAGASIKARA

1-Ry Tanindrazanay malala ô -Ry Madagasikara soa -Ny fitiavanay anao tsy miala -Fa ho anao ho anao doria tokoa.2- Ry Tanindrazanay malala ô-Irinay mba hanompoana anao-Ny tena sy fo fanahy anananay-'zay sarobidy sy mendrika tokoa.3- Ry Tanindrazanay malala ô-Irinay mba hitahiana anao-Ka Ilay Nahary izao tontolo izao-No fototra ijoroan'ny satanao-isan’andininy: Tahionao ry Zanahary - 'Ty Nosindrazanay ity-Hiadana sy ho finaritra-He sambatra tokoa izahay


Ny rakitry ny ela dia voandalana ho an'ny taranaka mifandimby.
Ilay tantsambo pôrtigaly DIEGO DIAZ no erôpeana voalohany nahita an'i Madagasikara. Tamin'ny 10 aogositra 1500 no nahitany azy: ka nahatonga ny anarany hoe nosy SAINT-LAURENT. Niova ho nosy DAUPHINE tamin'ny tapatapaky ny taonjato faha-17. Vao naka ny anarana hoe MADAGASIKARA nanomboka ny taonjato faha-18.
Araka ny  boky sorabe iray mirakitra ny tantaran’ny antemoro anefa, dia voalaza mazava fa talohan’ny 1500 io dia efa Madangasikara no anaran’ity nosintsika ity fa misy n ;  fa ny anarana napetrany no tian’ireo eropeana hipetraka ka nanovainy azy.

 
REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA

                      Fantatrao ve i Madagasikara?

Ny filamatra
(tarigetra)
(La devise)

FITIAVANA
TANINDRAZANA
FANDROSOANA
Amour    -   Patrie    -   Progrès   

Ny hiram-pirenena
(L'hymne national)


Ry Tanindrazanay malala




Ny sainam-pirenena
(Le drapeau national)

MAINTSO –FOTSY-MENA


NY TOMBOKASEM-PANJAKANA
(Seau de l'Etat)

 Hatramin’ny 1993 no nisian’ny tombokasem-panjakana. Ahitana ny soratra: REPOBLIKAN'NY MADAGASIKARA sy ny TARIGETRA.  Voarakitra ao koa ny sarin’ny Madagasikara, lohan’omby, salohimbary ary ravinala.

Ny Fitenenana
 
(La langue nationale)

TENY MALAGASY
Ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny taonjato faha-16 dia ny SORABE no soratra malagasy, nolovain'ny antemoro tamin'ny arabo izy io ka soratra miendrika soratr'arabo. (jereo eto  NY SORABE )
Ny 1823 kosa no namboarina ny teny malagasy ankehitriny io ka nisian'ny abidy malagasy voalohany. I Radama I no nampanao sy toromarika tamin'izany, ary nototosain'ny misionera.
Natonta voalohany ny bokin'ny genesisy  tamin'ny 04/12/1827 ary ny baiboly manontolo kosa dia vita ny taona 1835




NY SARINY


NY FOKO VALO AMBINIFOLO

(Les 18 ethnies de Madagascar)

Antakarana, Antambahoaka, Antanosy, Antandroy, Antefasy, Antemoro, Antesaka, Bara, Betsileo, Bezanozano, Betsimisaraka, Mahafaly, Merina, Sakalava, Sihanaka, Tanala, Tsimihety, Zafisoro.
( Marihina fa ireo no foko vaventy fa misy ireo foko madinika maro , isan'ireny ny BETSIREBAKA,  foko manana ny tantarany tokoa amin'ny faritra atsimo)

Velarany (superficie)

587 041 km²

Halavany(longueur)

1570km

Sakany (largeur)

580 km

Morontsiraka (littoral)

4828 km

Ny tendrombohitra avo indrindra
(Points culminants)

Ny tendron'ny Tsaratanana dia i Maromokotra : 2886 m
Ny tendron'Andringitra dia i Boby = 2658m
Tendron'Ankaratra dia i Tsiafajavona = 2643m

Ny renirano lava indrindra
Les plus long fleuves

Onilahy = 870 km  (Toleara)
Mangoky = 721 km
Ikopa = 664 km


  IREO  FARITANY 6 SY NY FARITRA 22:
Nanomboka ny 1896 no lasa zanatany frantsay tanteraka i Madagasikara. Ary nozarainy ho faritany 6 izy tamin'ny taona 1902.
Naharitra hatramin'ny taona 2007 izany naha-faritany 6 azy izany.


Toleara

161 405 km²

Toamasina

71 911 km²

Mahajanga

150 023 km²

Antananarivo

58 283 km²

Fianarantsoa

102 373 km²

Antsiranana

43 046 km²

 

Nanomboka ny  taona 2004, fotoana nitondran’andriamatoa Marc Ravalomanana, dia nozarainy  ho faritra 22 i Madagasikara ary samy nanana ny renivohiny.
Ofisialy izany taorian'ny fitsapankevimbahoaka ny aprily 2007.

FARITANY

FOKO  18

FARITRA 22

RENIVOHITRY

NY FARITRA

Antananarivo

Merina

Analamanga

Antananarivo

Bongolava

Tsiroanomandidy

Itasy

Miarinarivo

Vakinankaratra

Antsirabe I

Antsiranana

Antakarana

Sakalava

Tsimihety

Diana

Antsiranana I

Sava

Sambava

Fianarantsoa

Antaifasy

Antambahoaka

Antemoro

Betsileo

Tanala

Amoron’ny Mania

Ambositra

Atsimo -antsinanana

Farafangana

Ihorombe

Ihosy

Matsiatra ambony

Fianarantsoa I

Vatovavy-Fitovinany

Manakara

Mahajanga

Sakalava

Vezo

Betsiboka

Maevatanana

Boeny

Mahajanga I

Sofia

Antsohihy

Melaky

Maintirano

Toamasina

Betsimisaraka

Bezanozano

Sihanaka

Alaotra-Mangoro

Ambatondrazaka

Analanjirofo

Fenoarivo

antsinanana

Atsinanana

Toamasina I

Toliara

Bara

Antandroy

Antanosy

Mahafaly

Androy

Ambovombe

Anosy

Taolagnaro

Atsimo-andrefana

Toliara I

Menabe

Morondava



Tsindrio sary
  

 


RY TANINDRAZANAY
MALALA


    Hiram-pirenena Malagasy









ZANAHARY 0! TAHIO 
NY TANINDRAZANAY

Loka faharoa tamin'ny fifaninanana izay ho hiram'pirenena Malagasy

1-Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.


Isan'andininy:
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay. 

2-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay.  
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.

3-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao.
No fototra ijoroan'ny satanao.

1-Zanahary o, tahio ny tanindrazanay,

Handroso lalandava, handry fehizay.

Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,

Dia ho tany sambatra ILAY MADAGASIKARANAY. 


2- Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa.

Tolory saina hendry, kinga sy mahay.

Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa.

Dia ho tany sambatra;
ILAY MADAGASIKARANAY. 


3-Ny taranakay arovy ho vanona tokoa.

Ireo no solofo, dimby rahatrizay.

Ka ho tena mahatoky feno fahendrena koa.

dia ho tany sambatra,
ILAY MADAGASIKARANAY

Tonony: Pasteur RAHAJASON
Feony: Norbert RAHARISOA
Taona: 1958

Tonony sy feony: Gilles RAMIARISON
Taona: 1958

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement