Haavo sy halalina
Genesisy 6:15'16: "Ary toy izao no fomba hanaovanao azy: hakiho telonjato ny lavan' ny sambofiara, hakiho dimampolo ny sakany, ary hakiho telopolo ny haavony. "Ary hasianao varavarankely ny sambofiara, ary amin' ny hakiho iray no hahavitanao azy eo ambony; ary hasianao varavarana ny rindriny; hasianao efitra ambany indrindra, sy faharoa ary fahatelo izy. "
Ny taona 1791 no namoron'ny mpikaroka frantsay ny metatra, niparitaka eran-tany ary taona maro taoriana vao tonga teto Madagasikara
NY FAMARITAN'NY MALAGASY NY HAAVO: olon-dehibe no ilaina amin'izany.(tsindrio sary)
Ny dikan'ny rangavina dia takarina. Fiteny ny hoe: "avobe rangavina" (mila tsy ho takatra) na ny hoe "rangavina ilay olona" (olona lavabe)
Hafoitra*
-foitra*
-* Ny havalahana sy ny hafoitra dia haavo roa mifanakaiky ka matetika atambatra ho iray ihany.
-Fiteny ihany koa ny : hamaso (eo amin'ny maso), haorona, havava, hasaoka.
-Hatreo amin’ny mandifotrolona dia indroa mandifotrolona, intelo mandifotrolona… Mahatonga ny fitenenana: «alevina impito mandifotrolona ».
-Ny «TSY HITA NOANOA », ny « TSY HITA PESIPESENINA », ny TSY HITA POLOPOLORINA », ny “TSY TAKA-POLOPOLORINA” dia ampiasaina rehefa tsy manana fahataperana ny halalina na ny haavo.