SEHATRY NY ANKIZY

DONANA

:

DONANA

Mosarena  hono tany amin’ny tanana iray atao hoe Fieferana ka tapankevitra ny ankabeazan’ny raimpianakaviana  handeha handranto any amin’ny vohitra lavitra, Anisan’izany Rafito .
Efa volana maromaro izao no nahararian-dRakala . Rangahy vadiny anefa tsy volovolon’ny mbola hipody.
Rehefa tsapany fa nihombo ny aretina dia nampiantso an’i Donana, zanany vavitokana izy
-"Handeha, hoy izy, ny vatako no tsy hita fa izaho hitsinjo eny ihany ka aza malahelo. Ny hany hafatro anao sombinaiko dia mangidy ny kamboty reny saingy mbola mangidy lavitra noho izany ny kamboty hevitra, ka mitsodrano anao aho hanankarena arankevitra mandrakariva."
Tsy elan’izay dia nodimandry Rakala. Namela  an-dRakalatokana tao anaty fahoriana tanteraka.Nidongian-dRamà, vehivavy lehibe iray tao antanana ny hitaiza azy: “manan-janaka roa vavy aho, aleo ho any amiko izy mba tsy hangina loatra”. Hoy ny filazany.
Tsy ampy herinandro akory anefa dia niseho ny toetrany.
-“Tsy maintsy miasa ary indriako, , sao ary manantena hovelom-potsiny eto”. hoy ny menomenony.
Nangovitra I Donana fa sady tsy mahay manenona no tsy hanampotoana hatoriana akory, nijohy ny ranomasony nahatsiaro ny fitiavan-dreniny sy ny hantahantan-drainy. Lasa nitomany tery amin’ny fasan-dreniny ity kamboty.
Raha mbola nanala ny fony teo anefa izy dia nandre hirahira mahafinaritra:
Donana antranon-kafa ity e , Donana
Izay rainao e, Donana
Izay reninao re ry Donana.
Mijohy samirery I Donana
Mahonena e I Donana
Donana antranonkafa ity e, Donana.
Niherikerika sy natahotra ity ankizy, no nahita biby mitsikilo azy avy eo anelakela-bato.Namaly ankira hono izy:
Olon-drery e, Donana
Olon-dresy I Donana
Ny raiko any ampara-jibozibo,
Reniko any ambany rangolahy.
Olon-dresy anie ny lavidray
Olon-drery rehefa kamboty.

 Nitrerona ankira biby hoe:

 Ka  mangina mangina Rakalakely

Ambarambarao ny mampijaly.

F’izay mihetsiketsika eto;

Rainao daholo, reninao daholo;

 

Nambaran’ny Rakalakely ny tenona tokony ataony.

-“Ento hisotro rano aho aloha, dia tenomiko ny landinao.” Hoy ity biby

Nentin’i Donana teny amoromparihy izy, arakaraky ny igohony ny rano dia mitombo ity biby. Rehefa nody izireo dia rendriky ny tory avy hatrany ilay zaza nohon’ny harerahana nibata azy, ka tsy nahita fa nandritra ny alina dia notenomin-dRabiby ny landy, ary nifitina indray izy ny maraina no lasa tsy hita.

Ampy torimaso i Donana ka mandimandina ery ny maraina. Tretrika kosa Ramà nahita ireto valonan-damba tsara tarehy, nentiny namidy ireny ka vetivety dia lafo nohon’ny hatsarany ka rehefa  dia alina anaterany tenona ihany. Ary isan’alina koa anefa dia tonga mitsidika azy ity biby hafahafa.

Fa ny fananan’ny ray amandrenin’i Donana mihintsy no nokendren-dramatoa. Niantso vahoaka izy indray andro sady  nigogogo nitomany nilaza fa tsy mananko hanina intsony nefa mamelona kamboty, ka 
-“Hiera aminareo fokonolona aho fa matin’ny asa izaho sy ny zanako hamelomana an’I Donana, ka aoka hovarotana ny tranon’i ray sy renin’i Donana hamelomana azy, fa tsy misy zavatra hainy.”

Nohazavain’I Donana teo imason’i olona fa izy no manenona ireo valonandamba tsara tenona amidin’ny Ramatoa isantsena. 
-“Raha tsy mino ianareo hoy Donana dia anatero landy izahay sy atokany efitra, fa tsy izy velively no nanao ireny.”

Ny maraina dia voaporofo tokoa fa mpandainga Ramà, nefa tsy nanao inona azy ny fokonolona noho izy olondehibe fa nananatra fotsiny.

Tsy afapo anefa ilay ramatoa, noratrainy ny tenany, norovitiny ny lambany dia lasa nankeo ankianja izy niantso vahoaka fa novonoin’I Donana hono.

Tsy nisy olona nanampo ny laingany satria olona iza no sahy handratra tena toy izao, naka fanapahan-kevitra ny loholona fa horoahina ny tanana tokoa i Donana raha hita fa meloka.

Tao anatin’ny famoizampo dia lasa nitomany teny ampasan-dreniny i Donana, no  nandre an-drabiby nihira indray:

 Donana antranon-kafa ity e , Donana

Izay rainao e, Donana

Izay reninao re ry Donana.

Mijohy samirery I Donana

Mahonena e I Donana

Donana antranonkafa ity e, Donana.

Fa safotry ny ranomaso tsy nahateny ity Kamboty afatsy ny hoe:

“Mandehana any e Rabiby,

 mandehana any e  Rabiby.

Fa ny lavo ambany ihany anie hoa

No fanitsaky ny bekitro.

 -“Aza manahy, hoy ity biby, sokafy ny maso ary ampiasao ny saina, fa hanjohy anao eny aho rahampitso.”

Ny ampitso dia nanda mafy izy fa tsy nikasitanana, Ramatoabe  kosa nanitrikitrika fa zaza mahery vaika i Donana. Sady hoy izy:

-“Apetraka amin’i Zanahary ity fitsarana ity, , fa tsy afaka hiara-monina aminy intsony aho fa zaza manolaka ka tokony esorina ny tanana. Ka haka tsaramaso mena sy fotsy  aho , raha tsaramaso mena no azon’i Donana dia miala ny tanana izy, raha tsaramaso fotsy no azony dia miala aho sy ny zanako” (fa tsaramaso no tokontsikidy tamin’izany). Sady lasa naka ny tsaramaso izy.

 Talohan’ny niverenany dia nandre feon-drabiby niteny mora taminy i Donana hoe:

-“Aza manetsetra, avotra hianao fa tsaramaso mena roa no nalainy”;

Takatry Donana ny hafetsen-dRamà, nisaina sy nihevitra ny tian’ilay biby lazaina izy hanavotany ny tenany sy ny fananan-drainy.

Nony tonga ny safidy dia efa tany antanan-dramatoa ny tsaramaso isafidianan’i Donana. Nandray tokoa ity ankizy. Alohan’ny hanokafany ny tanany anefa dia nikohoka mafy izy ary mody nianjera.Natsofony tany ampaosiny ny tsaramasony, vao hoy izy:

-“Very ny tsaramaso nofidiako teo ka aleo ny tsaramaso sisa tavela no jerena fa tsy maintsy mifanohitra amin’iny ny ahy ny lokony,” hoy izy.

Tera-kovitry ny tahotra Ramatoabe ka nanaiky nanokatra ny tsaramaso mena faharoa tany antanany.

Navoakan’I Donana amin’izay ny tsaramaso noraisiny voalohany hilazainy ampahabemaso ny haratsitoetran’ity vehivavy.

Voaroaka Ramà, niharihary ny toetra ratsy sy ny tetidratsiny. I Donana kosa noraisin’ny mpiray tanana ho isan’ireo loholona mpitsara nohon’ny fahendrena sy hevitra ananany.

Fotoana ela taorian’izay vao tonga avy nandranto Rafito rainy.

Ny alina nahatongavan’ny rainy dia nanao veloma azy ankira i Rabiby fa vita ny iraka nataony.

Indraindray amin’ny nofy mbola ren’I Donana ihany ny hirany hoe:

Donana Donana kely ity e, Donana

 

 Fa efa sambatra izy fa antranondray, ary ny reniny mitsinjo azy any ho any koa

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
miverina eny ambony

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement