SEHATRY NY ANKIZY

Fetsy dadabe

FETSY DADABE


 
Fony taloha hono rankizy malala , ny fianakaviana tsy misaratrano izany fa ao ny dadabeny sy renibeny , dia miaraka ao ny zanany lahy sy ny ankohonany . 
Ka nahatonga ny Ntaolo hiteny hoe : "Velona iray trano , ary maty iray fasana".
Miara-nonina tamin'ny tranobe iray izany i dadabe Rialy sy ny zafikeliny maro. Miara-miasa ny fianakaviana sady ifampizaraina ny adidy sy sakafo.
Tonga ary ny ady ka tsy nisy mpivarotra afaka namatsy ny tanàna intsony ary ny tena banga indrindra tamin'ny vahoaka dia ny tsy fisian'ny sira sy siramamy.
Voavinanin'i dadabe Rialy tsara izany ka nanafenany haingana ny siramamy sy sira tao antrano.
Ny nanafenany ny sira  dia tao ambonin'ny tohatra , ary ny siramamy tao ambany tohatra;  fa ao ambany rihina no misakafo ny ankohonana.
Afaka andro vitsy dia najifa tokoa ny sira.
Rehefa hisakafo hono dia midina ny tohatra rangahibe, mody mitady hianjera izy amin'izany ka miferin'aina manao hoe : 

-"
Saika nidaraboka aho lahy raha tsy nisy ity rihana ity !"

Hay moa manararaotra maka sira kely ao izy.
Ary nony hisotro kafe kosa indray dia mody midaraboka mianjera mihintsy i dadabe sady mitaraina: 

-"Mafy rehefa antitra rao anaka isany !". 

Nefa maka siramamy ao ambany tohatra no tanjony.
Elaela no nanaovany izany ka tsikaritry ny zafikeliny fa misy hafahafa ao. 
Nosavainy tao ambony tohatra ka indreo eo ny sira , nosoloin'ireo ankizy vatokely izany. 
Nony nisakafo Rangahibe dia naka sira toy ny fanaony, kanjo vatokely no voakarepony  ka nitsoaka tery ny nifiny efa mangozohozo.
Tezitra i dadabe Rialy ka nandrahona ny taranany.
Nefa hoy ny zafikeliny hoe :

 -"
Dadabe ô, dia mino ve hianao fa tsy homenay anao ny sira , na ny namelomanao nahary anay toy izao aza?".

Menatra i Dadabe Rialy , ary navoakany hatramin'ny tahirin-tsiramamy. 

"Rehefa jamban'ny fitiavantena", hoy izy , "dia adino hatramin'ny zazamenavava, ka mivalo aho raonaka".

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement