SEHATRY NY ANKIZY

ASAMARIKA

     ASAMARIKA - ENIGMES MATHEMATIQUES
Le mathématique existe depuis  l'Antiquité grecque (-300 ans avant Jésus Christ). La notion de démonstration s'est profondément transformée depuis le début des années soixante-dix et jusqu’à nos jours. L’énigme mathématique appartient à la culture d'aujourd'hui.  C’est l’ensemble de l’activité numérique, manipulations et combinaisons, activités géométriques, logique et méthode realisée de  façon déguisée et humoristique.

Samy nanana vola 600 ariary izahay mirahavavy. Hoatrinona sisa volako fa nanomezako azy ny anjarako, ka nahazo 200 ariary mihoatra izy.
 
Feno tsikafokafona ilay farihy vao nodiovina tao anatin’ny 21 andro monja. Araka ny fantatra dia anatin’ny indray andro ny tsikafokafona iray dia lasa roa. Andro fahafiry no feno tsikafokafona ny ampahatelon’ny farihy?
 
Miakatra lalamalama ny zaza iray, mahavita 3 metatra isaky ny 20 mn izy dia miala sasatra, ka migorisa ny ampahatelon’ny lalana vitany, vao miakatra indray. Adiny firy vao ho todiny ny 11 metatra?
 
 
Zaraina mananasy ny zazalahy telo sy zazavavy telo, ny lahy natao manatombo isa antsasany ny an’ny anjaran’ny vavy. Firy no isan’ny mananasy vidiana raha silaka 4 no anjaran’ny ny zazalahy ? Marihina fa ny mananasy iray dia mizara 6.
 
 
Tranobeiray nisy varavarankely 19. Firy ny isan’ny lavarangana ao raha isandrihana dia ahitana varavarankely 3, afatsy ny farany ambony sy ny farany ambany izay misy varavarankely roa.
 

Tsipika iray monja no afindra dia mety izao asamarika izao:
4+4+4+4=444

Nandidy taratasy maromaro aho atao famatarampejy (marque-pages) amin'ny boky.  Ireto no pejy tiako marihina: 14, 15, 43 , 58, 59, 95,96. firy ny  famatarampejy ilaiko.

Raha talata androany, andro inona ny omalin'ny afakomalin’ny rahafak’ampitso?
 
Mandroso  6 dingana, mihemotra 7 dingana, avy eo mandroso 3 dingana. Firy dingana ary no ifindran'ilay olona?

Teraka ilay ramatoa, ny volana Febroary . Afaka telo volana iny izy dia bevohoka indray. Volana inona no ahaterahan’ny zanany faharoa?

4 volana taorian’ny naha-teraka ilay ramatoa dia bevohoka izy, ny volana novambra manaraka no teraka ny zaza faharoa. Teneno ny volana nahateraka ny zaza voalohany?
 
Nanao faribolana ny ankizy, misy vavahady ilay faribolana; zazalahy daholo no mpiambina ny vavahady izay vao ampifandimbiasina ny zazalahy sy zazavavy. 
1-Raha 16 no isan’ny zazavavy nalahatra, firy kosa no zazalahy nilaina?
2-Raha foanana kosa ny vavahady, firy no zazalahy ilaina anelanelan’ny zazavavy 16 manao faribolana.
 
Manana basinina be iray fanangonandrano ianao, siny roa 13 litatra sy 6 litatra. Ahoana no fomba atao ahazahoanao rano 11 litatra.
 
 
Nanana omby 34 rangahibe holovain’ny taranany, nanao didy miafina izy : ny antsasaky ny omby omen any vadiny, ny ampahatelony omen’any zanany, ary ny ampahasiviny omen any zafikeliny. Mety ihany ny mizara ny omby ho isa antsasany, fa sahirankevitra izireny ny anaovana ny 1/3 sy ny 1/9 satria tsy azo vonoina ny omby akana ireo ampahany. Nahita hevitra ny olonkendry iray nony nanotaniana ? inona no nataony. 
 
Manana siny 2 ilay ramatoa ; ny iray 3 litatra, ny iray 5 litatra. Inona no fomba ataony hahazoany rano 4 litatra ?
 
 
Mitadiava hevitra hampitombina ny asamarika eto ambany: Sivy in-tsivy: 999 999 999 = 1000 ary koa valo imbalo manome arivo: 8888 8888= 1000 
 
Ahoana ny fomba anapahanao ny mofomamy efajoro lehibe sy avo iray, ka in-4 manapaka fotsiny nefa mahazo silaka 12 mitovy? 
 
 
Niampita tetezana ny olona iray . tonga teo androatokondalana (2/3) izy dia tazany misy fiarabe miditra ny tetezana. Raha 45 km isan’ora ny hafainganampandehan’ilay fiarabe, tokony hihazakazaka firy km isan’ora ilay olona mba tsy ho tratrany ? 

Mitohy eto ny kajy



Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Miverina eny ambony
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement