FAMPANONONANA
Mandalo ny zavatra rehetra, ny mitoetra ho vavolombelon’izany dia ny lovatsofina ifandimbiasan’ny taranaka. Isan’ireny ny ankamantatra sy fampanononana samihafa isam-paritra sy isam-pirenena. Tranainy sy malaza amin’izany ny fampanononana nataon’ilay bibiolona Sphinx (tsindrio) an’i Œdipe izay lasa mpanjaka tany Thebes any Grika, nanodidina ny 425 taona talohan’i Jesoa-Kristy : Iza no manan-tongotra 4 ny maraina, manan-tongotra 2 ny atoandro ary manjary 3 izany ny hariva ?(tsindrio) valiny : ny olona (zaza :mandady, lehibe: mijoro, antitra: mitondra tehina).
Ao koa ny fampanononana nataon’i Samsona tamin'ny filistiana izay voarakitra ao amin’ny baiboly : Mpitsara 14/1-20 : (tsindrio)” Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy ». valiny : liona sy tantely.
Taritina arak’izany isika ankizy ho tia ka hampita ny kolotsaina malagasy fa velona ao anatin’ireny ny maha-malagasy antsika.
| Mihaingo miloloha bozaka | |
| Maty anio, velona raha maraina | |
| Maty tsy maimbo | |
| Rangahibe heritaona vao misasa tava | |
| Lehibe miankim-poana | |
| Rorohany ivelan’ny tehezany | |
| Vainafo antendron’Ingena: tsofina tsy velona, avela mivaivay. | |
| Ny tenany tsy mitafy ka ny lohany no saronany | |
| Andrahoin-tsy masaka, atono mora foana | |
| Tsy hazo tsinona ka maka anaran-kazo | |
| Te-hoderaina toa tefitra ka manao varavarana manandrify ny lanitra | |
| Maty aho kaky sy neny fa sady ampiasainy no ampandiaviny loha | |
| Tsy vy tsinona ka maka anaramby | |
| Ny lahiny efatra, ny takolany dimy, maty omby ka tsy hanina | |
| Salakan-drangahibe maro tonona | |
| Izy mirahalahy mpitandefona, Rafotsibe misonanina, Iketaka mpiaro lalitra, izy efadahy mpilanja | |
| Teraka tsy mibaby, vaky tsy miroa? | |
| Tsy atoraka tsy ankivilivily ka mahalasan-davitra | |
| Tanora banga ka antitra vao boribory (na miha-feno)! |
Nanangona: Nouma's Tag
Miverina eny ambony