| Tsy nify tsy vazana nefa tsy mandà sakafo |
|
| Tanora: mijaiko, antitra: mitsipika; ka na ny tompony aza tsy tia |
|
| Ny fakany indray re no ambony |
|
| Na kely na lehibe dia kely avokoa |
|
| Ilay maty milanja ny velona |
|
| Tsy mahasaraka nefa tsy azo ho namana |
|
| Vakivaky tsy miady |
|
| Mitsilahy foana, mihohoka feno |
|
| Masaka tsy andrahoina |
|
| Vilia mihohoka antanety |
|
| Maty aho ry kaky sy neny fa ny foko mahia no nanarian ‘ny olona ahy |
|
| Kely mahay madrary |
|
| Na iza andriana na iza mahery tsy mahazo eran-tanana . |
|
| Fony maizina natao tsy hazava fony mazava tsy maizina intsony |
|
| Totoim-bitana ka anaran ’aretina avy no atao anarana |
. |
| Mianjera tsy folaka miantonta tsy mondro |
|
| Tsy misaina afatsy ny hidina |
|
| Ny sakany sy ny lavany indray manonona ihany |
|
| Mitahiry faty antrano |
|
| Tapaka vao mahay mandihy |
|
| Dian-dRabezanozano, tsy ando nihitsana, tsy lala-maditsaka |
|
| Alevina vao maroanaka |
|
| Tanora tsy mihetsika ka antitra vao sokindia |
|
| Tezitra vao mifanantona |
|
| Ilaikely mialoha mpanjaka |
|
| Manambava mihinana, fa tsy manan-kibo hasiana |
|
| Antitra vao miala babena |
|
| Feno hono nefa tapany ihany |
|
| Mihinam-py tsy matavy |
|
| Vao mitrebona dia voafofo ho notangosana |
|
| Atodin-dRaberimorimo, kotrehin-dRabetsimiteny |
|
| Rabiby tsy manan-taolana afatsy ny nifiny |
|
| Antidahy be mony |
|
| Raha alina izy voky tsy homana, raha atoandro noana tsy niasa |
|
| Tranobe tsy mitafo |
|
| Mangatsiaka mahamay |
|
| Mamorivory tsy rano |
|
| Arivolahy niady ka taolampotsy no nenti-nody |
|
| Ny vavany vavany ihany, fa ny elahy koa misy vavany |
|
| Na iza ngeza na iza makadiry, izay sitoniko mamitsapitsaka |
|
| Karazana iray lany atono |
|
| Maneno mafy hahalafo ny velona |
|
| Intelo miova aho vao vanona |
|
| Mitsilany mahazo hena, miankohoka mahazo olona |
|
| Tsy manambolo afatsy mainty |
|
| Todihina tsy hita, raisina mora foana |
|
| Raha be mamohehitra, raha kely mampimenona |
|
| Tsy ray tsy reniny nefa itomaniany |
|
| Ny hodiny ihany no tranony |
|
| Mahita ny hafa fa tsy mahita ny tenany . |
|
| Hitsidika no naleha hay fahafatesana no hita . |
|