SEHATRY NY ANKIZY

MANDROSOA

           "

Ny olombelona toy ny fototr’akondro : ny LEHIBE manaloka ny ZANDRY ary ny KELY manotrona ny ZOKY  


" Nous sommes heureuses de vous recevoir sur notre site dédié aux enfants.
Vous allez pouvoir découvrir divers aspects de la culture malgache, ou retrouver une partie de votre enfance.
Nous vous remercions de votre visite."

Raha angano sy ohabolana, ankamantatra sy lovatsofina , takariva amorom-patana no namolavola ny ankizy malagasy tany aloha. Dia toy ny rivotra iainana eo amintsika ankizy ankehitriny ny haino amanjery sy ny solosaina.
Saingy na inona na aiza hanabeazana ny ankizy malagasy dia tsy tokony adinoina ny loharano nihaviany. 
Ny ankizy rehetra dia tokony hahalala ny tantarany mba hibanjinany ny ho aviny.

Andy-Feno-Miora-Rotsy-Malala-Mahefa-Fifaliana-Fandresena sy ny ankizy rehetra


Tokony ho ao antsain'ny ray amandreny mandrakariva fa ampaham-piainana kely ny fahazazana, fa ho fiainana manontolo kosa no ho atrehin'ny zanany: ankizy ankehitriny saingy ireo no antoka sy hiatrika ho avy lava tokoa na ho mafy io na mora. Tsy mety ny fitiavan-janaka sy fampihantana tsy misy fiheverana fa ny ho aviny no tokony banjinina,raha tena tiana ny zanaka.
Ity tranonkala ity ampahany kely  mba hahafahana migoka ny hatsaran'ny fanabeazana taloha, na ho fialamboly fotsiny aza. Toy ny fahafehezana ny zotran'ny fivoarana amin'izao vanim-potoana izao. Ka hiara-mitsiky, hiaraka hialavoly sy  hiasa saina. Indrindra hifampizara ny mahasoa sy mahafinaritra.

Mazotoa Tompoko.

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement