SEHATRY NY ANKIZY

Andrianaolaola

ANDRIANAOLAOLA


ANDRIANAOLAOLA

Bevohoka azy hono ny renin'i Andrianaolaola no voaantso hiantafika ny rainy nantsoina hoe : Andriamanakasina.
Fony ankizy dia nitsiriritra mafy ireo ankizy velondray izy, na dia nitobaka aza ny fitiavan'ny reniny azy. Nanadihady ny reniny izy ny nalehan'ny rainy ka nohazavain'ito farany fa maty tany antafika Andriamanakasina rainy ka tsy  tafody intsony.
Nony nitombo taona Andrianaolaola dia nangatatsodrano tamin'ny reniny fa haka ny nofondrainy .
Nitety vohitra maro ny zazalahy vao nahita fasana nitandahatra.
Nahita azy hono ny fanahin'ireo miaramila dia nihirahira hoe:

-"
Ia anga iny, ia anga iny ?"

Dia namaly Andrianaolaola hoe:

-"
Zahozaho Andrianaolaola, 
Zanaky zatovo Andriamanakasina .
Mitady ny maty aho,
Mila ny an'ny tena, 
Ka tsofy rano mba ho tonga soa o!
"

Dia mamaly hono ny fanahy hoe : 
-"Ao alohaloha kely ao izy ô!"

Rehefa tsy nisy fanahy niantso intsony dia tonga  teo amin'ny fasana lehibe Andriamanankasina. Fantany fa tonga amin'ny tanjona ny diany dia ny hamolavola ny nofon-drainy sy hitondra ny taolambalony hody any antanindrazana.
 Na feno tahotra aza ilay zazalahy dia naka hery ka nofongariny ny razana ary dia nofonosiny , ary notaritiny tamin'ny fitarika hazo hody any antanana.
Isaky ny mijanona misakafo anefa Andrianaolaola dia tsy ariny ny hihinandrery ka asiany vary kely ao ambavan'ny maty, andro aman'alina nanaovany izany ka akory ny hafaliany sy ny hagagany indray maraina fa nanomboka naniry nofo ilay razana.
Mandrapahatonga tany an-tanana dia nanjary nifono  nofo rainy ary velona sy nitempo;
Naniraka olona nampilaza ny reniny ny vaovao mahafaly Andrianaolaola nony akaiky ny tanana.
Diboky ny hafaliana ny reniny, ka niantso ny vahoaka hitsena azy mianaka.
Tratra antitra fatratra Andriamanakasina, izany no tanteraka dia nohon'ny fitiavana sy fikirizan'ilay zanany lahy.
angano arira, izaho mpitantara

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement