SEHATRY NY ANKIZY

TODIKY NY LASA

 

Afaka nanana vady maro ny mpanjakan'i Madagasikara fahiny, ny 2 voalohany ireto dia ny tantaran'izy roavavy ilay najaina indrindra sy ilay  tiana indrindra.
Tsy  iza izany fa RABODONIZIMIRAHALAHY vadin'Andrianampoinimerina. Tsy Rambolamasoandro renin-dRadama I akory no vady nankamamiany  indrindra satria efa tratrany namitaka azy io ka noroahiny.
Sy ny tantaran'i Prinsesy RASALIMO vadin-dRadama I ary reniben'ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo.

Raha te-hahalala misimisy kokoa ny vadin'Andrianampoinimerina, dia tsidiho eto: Mpanjaka Andrianampoinimerina


RABODONIZIMIRAHALAHY na RAFOTSIRABODO

Teraka tamin'ny taona 1976 ary maty tamin'ny 1884 Rabodonizimirahalahy izany hoe niaina 115 taona izy. Ny anaran'ny rainy dia Rasoataolana, zafikelina mpanjaka taloha: Andriamohara.
Nampiavaka  ny fiainany dia satria hitany avokoa  ny fanjakan'Andrianampoinimerina, Radama I, Ranavalona I, Radama II, Rasoherina, Ranavalona II, ary Ranavalona III. 
Araka ny tantara dia izy no vady nankafizin'Andrianampoinimerina indrindra. 
Vehivavy hendry sy mahira-tsaina ka  manolotsaina azy mandrakariva. Napetrany nonina tao amin'izany lapan'Ambohijoky izany.
Tato aoriana, niha-antitra Rabodo dia nantsoina hoe Rafotsirabodo.
Indray mandeha tia hitsapa ny toetran'ny vadiny rehetra.Andrianampoinimerina, namono omby izy ka nantsoiny izy 12 vavy vadiny hifidy ny zara tiany : tao ny naka ny trafony fa io no mariky ny fahamboniana sy voninahitra, ary tao no nandray ny nofo tsara sy malemy.
Fa i Rafotsirabodo kosa naka farany ka ny atiny sy ny fony ary avokavony no nofidiany.
Satria hoy izy raha tsy misy ny avokavoka tsy afaka miaina, raha  tsy misy ny aty no taova mahasalama, ary raha tsy misy ny fo tsy afaka mitempo fitiavana. Dia ny fitiavany an'Andrianampoinimerina.
Nanohina ny Mpanjaka loatra izany fihetsiky Rafotsirabodo tamin'izany.
Maro ny tantara izay lasa lovantsofina sy angano taty aoriana momba an-dRafotsirabodo.
Maro mantsy ireo zava-nitranga tsy voazavan'ny saina manodidina azy : isan'ireny ny nitsangatsanganany tao antsahan'Andriatsemboka izany ka nahitany  vatankazo  manga babangoana  dia  nilaza izy hoe: 
-"Raha andriandray aho raha andriandreny, aoka hisy aviavy maniry ao". Tampoka teo dia nisy aviavy naniry teo anatin'ilay hazo. Natao zavamasina ilay manga ka tsy azo natonina .
Indray mandeha koa raha nitaninandro izy dia azon-tsindrimandry fa nidiran'ny mpangalatra ny tranony ka nandefa iraka hizaha izany haingana. Dia tratra tao tokoa ny mpangalatra.
Misy lovatsofina milaza fa indraindray maka endrika  fananina  mavo sy mena Rafotsirabodoka   ka mitranga indraindray ao amin'izany  loharano masina ao Ambohijoky izany.  Raha vehivavy tonga hatsaka no isehoany dia  hananjanaka tsy ho ela ilay vehivavy. Mitranga koa anefa hono io fananina io raha misy taranaky Rafotsirabodo tandindomim-pahafatesana.
Nony nindaosin'ny fahafatesana Rafotsirabodo dia naharitra valo andro no faharetan'ny fiandrasana ny razana, ary lamba miisa 110 no nambombaina azy, nentin'ireo andriana sy olompanjakana maro tao Imerina tonga nanome voninahitra ny razana.



NY PRINSESY RASALIMO
 Rasalimo no voalazan'ny tantara sy lovan-tsofina fa vady tian'i Radama I indrindra ary nananany ilay  zanany vavitokana natao hoe Razanakinimanjaka (sy zanaka lahy iray atao hoe: Itsimandriambovoka (1823) saingy novonoin'i Renin-dRadama io zazakely io fa tsy tiany handova ny fanjakana raha hatrizay ka miamboho  radama I.)  Ny renin-dRadama I dia antsoina hoe : Rambolamasoandro, fa kosa anefa, nony nitsangana hanjaka i Ranavalona I dia novonoiny izy.

Toy izao ny tantarany:
Ny  1822 dia nahatsangana foloalindahy i Radama I ka nanohy ny nataony hoe fampandriantany  eran'ny nosy ary i Mahabon'ny Menabe no isan'ireny. I Ramitsaho no mpanjaka tao, efa notafihina voalohany i Mahabo saingy nahay ka niala maina ny tafika merina.
Nony atomotra ny fanafihana dia nanavatsava ny tobin'ny miaramila Merina ny Andriambavy Rasalimo, zanaky ny mpanjaka Ramitsaho. Niontana ny fon'i Radama nahita an-dRasalimo, zazavavy bikana sy tsara tarehy ary feno herimpo fatratra. 
Niaiky ampo Radama fa hay tsy ao Imerina ihany akory no misy zazavavy tsara sy meva.
Nangataka hifanatrika amin'i Radama mpanjaka izy. Malaza fa tsy mamono vehivavy mantsy ny miaramila merina.
-Resy isika, hoy Andriamahazonoro
-Resy ahoana , hoy Radama
-Izay Tia resy, hoy Rasalimo, ka raha resy ianareo dia izahay koa resy. Ka aoka hitsahatra ny ady samy tsy misy fahafatesana : ka ajanony ny hampo-po mandringana ny vahoaka. Ary ataoko antoka amin'izany ny tenako.
Taorian'izany dia nanao fifanarahana Radama sy Ramitsaho ka nitsahatra ny ady. Ary nangatahin-dRadama I ho vadiny Rasalimo  andriambavy sakalava. Nentiny niakatra tao Antaninarivo izy sy ny mpanaraka azy maro.
Ny taona 1824 dia nahazo zazavavy izireo atao hoe: Razanakinimanjaka nantsoiny hoe  Iketaka.
Nanana zanak'anabavy atao hoe Rakotobe Radama I (i Rabodosahondra no anaran'ny anabaviny io) ka ny fikasany dia ampifanambadiana amin'ny zanak'io anabaviny Razanakinimanjaka. I Rakotobe rahateo moa no nirian'i Renin-dRadama handimby ny fanjakana. Nametraka hafatra ary Radama I alohan'ny hahafatesany fa i Rakotobe no hanjaka handimby azy ka hiaramanjaka izy sy Razanakinimanjaka zanak'izy sy Rasalimo.
Vantany vao maty anefa Radama dia novonoin'Imavo izy roalahy nametrahan-kafatra, novonoiny koa ny olona tian-dRadama rehetra hatramin'ny Rambolamasoandro reniny, ny rahalahiny, i Rakotobe saika hanjaka ka norombahiny ny fahefana. Satria IZY hoy izy dia araky ny hafatry Andrianampoinimerina no tokony handray ny fahefana.
Dia  naka anarana Ranavalona I Imavo.
Ny tantara sy lovantsofina dia i Rasalimo no vady tian-dRadama I indrindra.

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement