HABE mendrika
NY VAHANA NA HABE ARAM-PAHASALAMANA
Samy manana ny fomba fijeriny ny firenena tsirairay momba ny lanja. Amin-tsika Malagasy dia matetika fanombanana ny olo-miadana sy ny olo-mijaly izany. Ao koa ny fitenenana hoe: “sady taviny no volony”: entina ilazana ny tonga lafatra; na koa ny hoe:”Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy”. Na izany aza dia tokony tsy atao ambanin-javatra fa misy fiankinany betsaka amin'ny fahasalamana ny lanja, ka tokony ho mailo ny tsirairay raha mahia loatra na matavy loatra koa. Ka nahatonga ity fandrefesana ity itsikilovana ny lanja tokony ho an’ny tsirairay araka ny halavany ka isorohana ny voka-dratsy aram-pahasalamana. Dia ny « INDICE DE MASSE CORPOREL (IMC) »na antsoina koa hoe : "indice de Quételet".
IMC=lanja (kg)/halavana sm2
Fanamarihana: Ny antony mahatonga ny ankizy hitombo lanja dia tsy ny sakafo anelanelam-potoana sy tsy mifandanja ihany, fa indrindra ny fahazaran’ny ankizy mipetraka an-trano mijery fahita-lavitra na diso mizaha solosaina loatra na koa ny variana eo amin'ny "Console de jeux"; ka tsy manampotoana mampiasa ny vantany amin’ny dia tongotra sy fanetsiketseham-batana samihafa. Aretina azo raha tsy ampy lanja: -Raha ankizy dia atahorana ho lasa kely reny na kely ray raha lehibe. -Mety misy aretina mikotrika mitaiza ilay zaza. -Mora andairan’aretina ny ankizy mahia sy malemilemy. Aretina azo raha mihoatra ny lanja: -Ny lanja no mihoatra dia nohon’ny tavy, ireny tavy ireny miely eraky ny vatana mitarika aretina maro toy sepotsepotra: tsentsin’ny tavy ny tratra; ny tavy any amin’ny fitaovam-pananahana dia mety tsy hampiteraka. -Aretimpo -Diabeta -Aretin’andoha mafy sy zary mitaiza ( céphalées sévères chroniques )
|