SEHATRY NY ANKIZY

Dian'ny fiainako


NY DIATONGOTRY NY FIAINAKO


 Nijanona kely fotoana fohy nandinika ny diantongom-piainako teo amin’ny torapasika aho.
Dia tsinjoko teo  ireo dian-tongotro mitomandavana hatrizay fotoana niainako izay.
Hitako ireo diantongotro mahitsy  famindra  sy  milamina aoka izany.Izay  marik’ireo  hafaliana, fahombiazana ary fanantenana rehetra  nolalovako hatry ny fahazazako ka hatramin’izao.

Etsy ankilany anefa , tsikaritro koa ireo dian-tongotra  hafa toa  mibolila  sy  mikorontana be ihany.
Izay  nanamarika ireo  fahoriana,  tsy fahombiazana ary fahadisoam-panantenana nosedraiko matetika.
Fa ny tena nahagaga ahy , dia indreo misy diantongotra roa hafa koa avy eo andaniny roa amin’ny dian-tongotro havia sy  havanana.
Nanontany tena  aho ary very hevitra : " Iza no tompon’ireo dian-tongotra ireo  nefa toa izaho irery no namakivaky ity toram-pasika midadasika "?
Dia naheno feo nibitsika aho hoe :  "Dian-tongotry ny mpiaro anao ireo , izay  tsy nandao anao fa teo anilanao foana na tamin’ny hafaliana na tamin’ny fahoriana  dia  ilay Jesoa Tomponao".
Velon-tsiky aho ary nahatsapa fa hay tsy miady irery fa ao tokoa  ilay Mpiandry tsara izay tsy mahafoy ahy na dia izaho aza no  toa manadino azy  indraindray. 

Niova  tomany vetivety  anefa ilay tsiky teo satria hitako tampoka fa teo amin'ny toram-pasika tena mitomandavana dia tsy nisy afa-tsy ny  dian-tongotro roa samirery no tazako. Nefa  nahagaga ahy fa somary lehibe kokoa  noho ny faladiako . Tsy hitako intsony ilay dian-tongotra roa fanampiny  an’ny Tompo ka nitomany mafy aho  ary nifona taminy mba tsy hilaozany amin’ny mbola ho diako manaraka.

Dia naheno feo nibitsika indray aho nilaza  hoe:  "Aza mitomany ry zanako  tsy foiko  fa tsy dian-tongotrao ireo dian-tongotra roa sisa hitanao eo amin’ny tora-pasika ireo fa ny  dian-tongotro izaho Tomponao.  Tamin’ireo fotoana mangidy indrindra tamin’ny fiainanao dia notrotroiko ianao".

       “Ny Tompo anie homba anao mandrakariva"

Tetsy sy teroa 22 marsa 2014 
Miverina eny ambony


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

 

 

 


Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement