SEHATRY NY ANKIZY

Mpitondra 1787-2023

1-Zanahary o, tahio ny tanindrazanay, handroso lalandava, handry fehizay. Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray, dia ho tany sambatra ILAY MADAGASIKARANAY. 2- Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa. Tolory saina hendry, kinga sy mahay. Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa . Dia ho tany sambatra ILAY MADAGASIKARANAY. 3-Ny taranakay arovy ho vanona tokoa. Ireo no solofo, dimby rahatrizay. Ka ho tena mahatoky feno fahendrena koa. dia ho tany sambatra, ILAY MADAGASIKARANAY

Ho zaraintsika telo ireo mpitondra araky vanimpotoana nisy teto Madagasikara hatramin'ny faha-mpanjaka ka mandrak'ankehitriny :
-Faha-mpanjaka
-Fanjanahantany
-Hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena

1-FAHA-MPANJAKA:

 

Anarana nentiny

Tena anarany

ANDRIANAMPOINIMERINA

Ramboasalama

1787-1810

RADAMA I  

Ilaidama na Radama

1810-1828

RANAVALONA I

Rabodonandrianampoinimerina
 na Imavo

1828-1861

RADAMA II

Rakotosehenondradama

1861-1863

RASOHERINA

Rabodozanakandriana

1863-1868

RANAVALONA II

Ramoma

1868-1883

RANAVALONA III(tsindrio)

Razafindrahety

1883-1897


2-FANJANAHANTANY : nentin'ny governora jeneralin'i Madagasikara(Tsindrio)

V.V.S : niorina ny  09 may 1913 Vy Vato Sakelika na  "Fer, Pierre, Ramification" 
MDRM
: Niorina tany Paris ny 11 febroary 1946 , midika hoe "  Mouvement démocratique de la rénovation malgache"
SMOTIG:  na ny "Service de la Main-d'Œuvre pour les Travaux d'Intérêt Général" asa anterivozona nahatsiravina nanao lalamby ka namoizana aina maro.

Hatramin'ny FAHALEOVANTENA:

REPOBLIKA VOALOHANY

14 oktobra 1958 - 1975

1958 - 1972

Andriamatoa  Philibert TSIRANANA

 

Ny 14 oktobra 1958 no nanambarana ny fijoroan’ny Repoblika voalohany.
Voatendry ho filoha vonjimaika (Président du Gouvernement provisoire) Andriamatoa Tsiranana
Ny 1959 no voafidin’ny antenimiera ho filoha izy.
26  jona 1960: Nambara ny fahaleovantenan’ny Madagasikara.
Voafidy indroa izy taorian’izany dia ny 30 marsa 1965 sy  30 janoary 1972.
Noho fitokonana  13 mey 1972 dia  notendreny ho praiministra jeneraly Gabriel Ramanantsoa ka nampitantanany ny  fitondrana .*
Ny 11 oktobra 1972 no nametram-pialana tanteraka andriamatoa Tsiranana

 

Fitondrana tetezamita

15 mey 1972-

14 jona 1975

11oktobra1972-febroary 1975

Jeneraly  Gabriel RAMANANTSOA

 

5 febroary 1975 – 11 febroary 1975

Kolonely Richard RATSIMANDRAVA
(nisy namono izy)

 

12 febroary 1975 –
14 jona 1975 

Fitondra-miaramila notarihin’ny jeneraly Gilles  ANDRIAMAHAZO

 

15 jona 1975 – 29 desambra 1975

Ireo manamboninahitra 18 tao anatin’io fitondra-miaramila io dia nanendry ny  « Capitaine de Frégate » Didier RATSIRAKA ho filohan’ny Filan-kevitra Faratampon’ny Tolompiavotana sady filoham-pirenena nanomboka ny 15 jona 1975. 
Nisy fitsapankevimbahoaka ny 21 desambra 1975.

 

REPOBLIKA

FAHAROA

30 desambra 1975 – 19 aogositra 1992

 

 

30 desambra 1975 -  

marsa 1993

Andriamatoa Didier RATSIRAKA

Voafidy indroa izy ny  7 novambra 1982  sy ny 12 marsa 1989.
Ny Repoblika faharoa io no nantsoina koa hoe: Repoblika demokratikan’ny Madagasikara.
Ny fitsapankevim-bahoaka nahalany ny “ENY” tamin’ny ny 19 aogositra1992 no nampiditra ny Malagasy tamin’ny Repoblika fahatelo

 

 

 


REPOBLIKA FAHATELO

19 aogositra 1992 – 10 desambra 2010

 


27 marsa 1993-

5 septembra 1996

Profesora ZAFY Albert
5 septambra 1996 : naaton’ny  fitsarana avon’ ny lalam-panorenana teo amin’ny fitondrana ny profesora ZAFY Abert.

 

Tetezamita
Septembra 1996-
8 febroary 1997

Ny praiminisitra Andriamatoa  Norbert Lala RATSIRAHONANA ary notendrena ho filoham-pirenena vonjimaika.
Andraikiny ny fanomamanan ny fifidianana izay ho  filoha.

 

9 febroary  1997-2002

Amiraly Didier RATSIRAKA

 

Nolavin’andriamatoa Ravalomanana ny tokony isian’ny fifidianana fihodinana faharoa,  satria nambarany fa nahazo atsasa-manila (+50%) izy tamin’ny fihodinana voalohany natao ny 16 desambra 2001. 
Nanandra-tena ho filoha izy ny 22 febroary 2002.
Nankalazaina ofisialy ny maha-filoha azy ny 6 may 2002.

 

6 mey  2002-
17 marsa 2009

Andriamatoa Marc RAVALOMANANA

 

Voafidy fanindroa Andriamatoa Ravalomanana ny 16 desambra 2006.
Nitarika fitokonana sy filaharambe Andriamatoa Andry RAJOELINA nanomboka ny janoary 2009.
Natolotr’A/toa Ravalomanana  ny visy amiraly hypollite RAMAROSON (miaramila zokiny sy be grady indrindra) ny fitondrana ny 17 marsa 2009.
Natolony kosa an'Andriamatoa Andry Rajoelina ny andro io ihany.

 

 

Tetezamita
17 marsa 2009- 24 janoary 2014

Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA

 

Ny fitsapan-kevimbahoaka momba ny lalampanorenana vaovao nahalany ny "ENY" tamin'ny fitondrana tetezamita (17 novambra 2010), Nambara ny fijoroan ny Repoblika faha-efatra, nanomboka ny 11 desambra 2010

 

 








REPOBLIKA FAHAEFATRA

Nanomboka ny
11 desambra 2010 

 

25 janoary 2014

 ---->2018

Andriamatoa  Hery Martial Rakotoarimanana RAJAONARIMAMPIANINA

Efatra taona sy 7 volana tato aoriana. Ny 7 septambra 2018 dia nametram-pialana ny filohan'ny HVM Hery Rajaonarimampianina. Satria hisy ny fifidianana ary hirotsaka izy. Lalana velona izany fa tsy afa-mirotsaka izy raha tsy miala. 
Rivo Rakotovao Filohan'ny antenimieran-doholona, akaiky azy, no mitantana vonjimaika ny raharaham-pirenena misalotra ny anarana ho filoha vonjimaika, miaraka amin'ny praiminisitra Ntsay.  


 



19 janoary 2019
------2023

Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA.
Hitondra ny firenena mandritra ny 5 taona izy taorian’ny fifidianana fihodinana faharoa ka nahazoany ny vato 55,66% (Atoa Marc Ravalomanana 44,34%). Ny 19 janoary 2019 no nanaovany ny fianianana fanandratana azy ho filoha.  

 

           

 

 Miverina eny ambony

 


Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement