SEHATRY NY ANKIZY

Tontolo malagasy



1-Diso ireo milaza fa mbola tany isan’ny mahantra indrindra eto antany ihany i Madagasikara, toy ny tamin’ny talohan’ny 2003. Ny fikilasiana erantany (IDH=Indicateur du Développement Humain) tamin’ity taona 2007-2008 ity dia eo amin’ny kilasy antonony isika ary laharana 143.Tsindrio ny soratra.

 2-Radama I no namorona ny teny hoe : MIARAMILA [1817] raha nanangana tafika. Heviny dia : samy mitady, samy mandeha, samy mahazo babo dia samy miara-mizara. Tamin’ny andro taloha dia manao lava volo ny lehilahy. Ny taona  1822 anefa , nasaina nihety toy ny miaramila vazaha  ireo ireo miaramila hihavahany amin’ny rehetra. Nanapaka ny volo koa ny tandapa sy Radama: volo lava mirandrana voaravaka perla.

3-Ny mpanjaka tsy mahazo mihina-maizina: ny sakafo hariva dia tsy maintsy vita alohan’ny iletehan’ny masoandro. Tsy maty fa miamboho lasa Zanahary. Fady ny mamadika mpanjaka. 
Tsy azon’ny velona atao na ny mikasitanana azy aza. Ho fanehoan’i Gallieni ny fanaovany tsinotsinona ny fomba Malagasy sy ny heriny dia niniany ny nanota fady (1897): nafindra tao an-drova Antananarivo 
Andrianampoinimerina, Ranavalona I sy II izay  teny Ambohimanga sy ny an-dRadama II teny Ilafy

4-
Ara-tsiantifika dia teto Madagasikara no nahitan’ilay veterinera  miaramila Grandmougin ny aretin-kisoa voavary voalohany ny 1901, ary mbola teto ihany koa no nahitana ny olona marary vokatry ny fihinanana atodimboavary: tratry ny  cycticercose,  voalohany tamin’ny 1910 teto antany.
Madagasikara no tany be cysticercose indrindra araky ny fantatra hatramin'izao.
Aretina vokatry ny fihinanana kisoa misy voavary ka tsy masaka tsara: saosisy, masikita. Na sakafo nambolena tamin’ny zezikany: salady, karoty.. na tanana sy rano maloto.
Mailo raha vao marary andoha lava, na maso, na mifanitona  sao atody voavary efa any anaty atidoha ka aleo manao fizahana.

5- 
ALOALO  no iantsoana ireo hazo voakaly madravaka ny fasana any atsimo andrefan'ny nosy:  Mahafaly, Masikoro, Antandroy. Mahatratra 1,5m-2m ny hahavony. Vao mandinika azy dia fantatra daholo ny lalana nodiavin’ilay maty satria voarakitra  antsary sy antsikotra eo ny momba azy fony fahavelony: ny asany, zavatra tiany, hareny… ny isan’ny omby nananany. Vita amin'ny hazo sarotra  lo sady tsy lanin’ny koroka toy ny: mendoravy, voamboana, hazomainty (ebene). Tsy maintsy isa azo zaraina roa (pair) ny ambony fasana iray ary mitodika miantsinanana.

6-Vahiny no maro anisa ny mpitsidika ny TSINGIn'ny Bemaraha.Tsy ny fidirana no lafo fa 1000ar/andro no aloan'ny Malagasy ary 25000ar ny vahiny. Ny sarany makany no tsy efantsika sy ny hotely. Ny fiaraha-miasa tamin'ilay speleology Jean-Claude Dobrilla dia nahafahana nanao tetezana, jiro sns.Misy KARAZANA: vorona 94, zavamaniry 780, rajako 13, biby mikisaka sy mandady 66.Velarany 15200ha, mety mahatratra 50-60m ny hahavon'ny tsingy

7-Jamoka no niantsoana ny omby taloha. Tsy nisy nihinana fa nirenireny niraoka ahitra ka natavy. Indray andro raha nahita omby efa ho fatin'ny tavy ny mpanjakan ’Imerina Ralambo (1575-1610) dia nibaiko ny mpanompo hamono sy hanandrana ny henany. Nanandrana koa ny anaolahy ka nahita tsirony. Nanao valabe izy dia nandidy ny mpanompo hanangona ny jamoka. - “ Omby ve? ”. -”Omby e,omby e!” hoy ny valiny sady asesika miditra ihany dia raikitra omby ny anaran'ny jamoka

8-
Vary no foto-tsakafon’ny firenena 39 eto antany. Ny sinoa sy ny Indiana no mamokatra ny atsasany mahery amin’izany.  Raha dinihina isantaona:  ny malagasy dia  isan’ny mpihinam-bary be indrindra eto antany: 130 kg /olona eo. Ny Indiana : 150 kg / olona. Ny eropena dia eo amin’ny 5kg/olona isantaona. Ry zareo ao “la Reunion” anefa  62 kg /olona

9-Sakafo mampiavaka antsika ny voanjobory. Avy ao afrika no niaviany sady mihinana azy koa.
“Pois bambara” na “pois de terre” no anarana entiny. Ny ao afrika koa manonona hoe « voandzou na wandzou”, ary omeny ny biby ny raviny. 6 % monja ny menaka (lipida) ao aminy), ary be otrikaina sy mineraly nohon’ny tsaramaso 

10-Takalo no nisy fehizay. Andrianampoinimerina no nanomboka voalohany ny fifanakalozana ara-bola, ka nanovàna koa ny  anaran’ny    « fihaonana» ho  tsena (1787-1810).
Volavy  nentin’ireo vahiny no nampiasaina tamin’izany. Misy tena volafotsy sandany. Ny vola nekena: tsanganolona, ngita,  tana-masoandro,  malamakely,  tokazo,  behatoka, Tombo-tsisiny. Ireny  tsanganolona ireny dia tena  volafotsy.
Ariary no sandan’ny volatsivaky iray. Tsy misy vola madinika fa ny vola-tsivaky no silahina. Ny vondron’Andriana Andriandranando ihany  nahazo alalana namaky ny  vola.
 Loso ny 1/2 ny ariary, kirobo ny 1/4,…misy hatramin’ny 1/24 atao hoe voamena.
Tamin'ny andron'ny fanjanahantany no  namaritana ho  5 fmg ny ariary, ka raikitra hatramin'izao.

 
11-Avy amin’ny teny hoe “tanghena” na fahamarinana ny tangena na "tanguin" (tanghena venenifera) . Maniry amin’ny faritra atsinanan’ ny nosy (betsimisaraka) saingy ahitana azy koa ny firenena hafa. Ny voany mitovitovy amin’ny voanio kely no poizina. Mangidy sy  mampandoa ary manova avy hatrany ny fitepon’ny fo. FAMPINOMANA faha-mpanjaka: rehefa hitady ny marina na ireo ahiana ho mpamosavy dia ampitelomana hoditr’akoho telo aloha vao ampisotroina tangena, voany roa no fatra kikisana. Raha mahaloa ireo izy dia avotra.Mety mahatratra 8 m ny haavony



12-Hatramin’ny taonjato faha-16 no nisy tany amoron-tsiraka ny moraingy na ringa. Kolontsaina nolovaina tamin’ireo afrikana nentin’ ny eropeana namboly teto. Ady tolon’olona roa izay misy lalàna mifehy: tsy mandaka na mitolona,na manaikitra...
Natao  itaizana ny tanora hanaraka fitsipika sy hatanjaka ka afaka hifanandrina amin’ ny mpangalatr'omby sady fomba iray koa anehoan’ ny tovolahy mitady tokatrano ny tanjany sy herimpony.
Taratry ny fihavanana sy firaisankina malagasy ny moraingy (misolo tena ny tananany ka tonga ao daholo manohana ny azy) sady mamelona indray ireo hira fiventy nentim-paharazana (mpiantsa) sy ny fahaiza-milalao (tsy misy lolompo fa rehefa vita ny ady dia minamana)

13-Ny famoràna dia dingana diavina vao heverina ho tena lehilahy ny zaza. Ny antambahoaka fahiny dia tsy mampiditra ampasana ny lehilahy tsy nifora ka forainy alohan’ny halevina
Isan’ny fomba malagasy ny maka RANOMAHERY. Loharano na riana mahery fihavy tovozin’ny lehilahy matanjaka sy tsy kamboty, anasàna ny fery sy itsofana rano ny zaza hanana hery amakivakiany ny fiainana; sady mihira: “e ilay mahery, tsy ho azon-tsampona hoa ilay mahery.. “ sy tsenaina ny: ” zanaboromahery, manatody vato…” Misy kosa ireo andiany iray manao izay anakanana sy anariana ny rano: taratry ny tolona hatrehiny. Ny zanak’andriana dia miampy ranomasina ny ranomahery. Fony noforaina Radama I dia rano tany Toamasina no nalaina niakatra Imerina.
 

14- Ny mpanjaka Andrianjaka (1610-1630) no nifidy voalohany ny rovan’ Antananarivo ho isan'ny lapa honenana.
Ny taona 1839: tamin’ny andron-Ranavalona I no naorina ny lapa Manjakamiadana “palais de la reine”. Nataon’i Jean Laborde ary vita tamin’ny hazo. 
Io voromahery ambavahadin-drova io dia fanomezana nomen'i Laborde ny mpanjaka Ranavalona I avy amin'i Napoleon III.
Nasain’i Ranavalona II natevenin’i James Cameroun vato ny taona 1867.
May nisy nandoro ny 6 novambra 1995.

15-HIRAGASY : Andrianampoinimerina no niandohany (1740-1810). Fialamboly nomeny ny vahoaka rehefa asainy manao asa iraisana toy ny fefiloha na asa-tanimbary teny Betsimitatatra.
Mpihiran’ny andriana no anarany voalohany ary nitatra nanjary fanao isaky ny fotoan-dehibe.
Nataon’ny mpanjanatany izay tsy itiavan’ny vahoaka azy nohon'ny fahendrena mitahiry fihavanana nentin-drazana tao aminy. Isan'izany ny fanasàna ny saina'ny mpino fa tsy mifanohitra amin'ny fivavahana hono ny mijery hiragasy.
Ny 1975 (andron’ny fanagasiana): nanomboka nahazo aina ka niroborobo indray ny hiragasy 

16-Ny nahatonga ny teny “ANJOLOFO"  :

Tamin’ny 1820-1829, nanjakan’i Radama I dia efa niaraka tamin’ny tafika Frantsay nanafika ny morotsiraka atsinanana ireo miaramila avy ao senegaly-gambiana atao hoe: “YOLOFS”na “WOLOF”. Raha mbola variana namaly ny tifi-davitry ny frantsay avy eny andranomasina iny ny tafika Malagasy. Dia loza loatra ny hasahiana  sy ny hafetsen’ireto senegaly nentiny  nianika ny tamboho niditra amin’izao, resy ny Malagasy dia raikitra ny hoe “MANAO ANJOLOFO”
17- Ireo mpanjaka telo nifandimby: Radama II sy Rasoherina ary Ranavalona II dia zanaky ny mpirahavavy iraintampo.
 Rasoherina dia vady voalohan-dRadama II (na vadibe izany) ary Ranavalona II kosa  vady faharoany. Samy nanambady ny praiminisitra Rainilaiarivony koa izy nandritra ny fotoana nanjakany ary samy tsy nanan-janaka koa

 

18-Amin’’ireo karazamborona 294 eto Madagasikara, ny 150 dia tsy hita raha tsy eto amin’ny nosontsika. Miavaka izany satria raha misy karazamborona 1800 any Kenia, ny 6 amin’ireo monja no tsy hita raha tsy any.
Ilay vorona lehibe indrindra niaina teto antany atao hoe: “oiseau éléphant” na “aepyomis maximus”, tanisaintsika amin’ny angano hoe: Vorombe (angano Imaintsoanala sns ) dia tsy hita raha tsy teto talohan’ny taonjato faha-18: 3 metatra ny haavony ary milanja 450-500kg.
Manaporofo ny fisiany nahitana ny fosilan’ny atodiny izay mbola azo tsidihina ao Tsimbazaza
.  
19-Mpihavy maro nentin’ny sambo no nihavian’ny razan’ny Malagasy. Voamarina amin’izany ny fomba sy fiainantsika andavanandro misy fifandraisany amin’ny fomban’ny tany hafa.
Ny valiha ohatra dia nolovaina tany Asia (Malezia, Filipina, Vietinama): vadya no anarana entiny any.
Ny sodina avy tao Indonezia: suling no anarany entiny.
Ankehitriny dia misy fanadihadiana fa ny fanampin’anarana hoe KOTO, KETAKA, ZAO dia hita any Japana, ny Ketaka dia sady anaran-tanana iray any. Ny BAO, ZHAO koa any sina sy Indosina any misy mitondra ireo fanampinan’anarana ireo
.
20-Mihatsaravelatsihy sy ny mihatsaraivelantsihy dia samy mirona amin'ny antony nahatonga io voabolana io:
Ny tsihy dia toy ny gorodona tamintsika malagasy fahiny, misy rovitra satria ela niasana, maloto satria fandiavan'ny tongotra.
Efa manana fiandry tsihy madio miorona ery anjorotrano anefa ny tokatrano tsirairay, ka nony handray vahiny dia takonana ao ambanin' iny ny tsihy fampiasa andavanandro: ka raikitra ny hoe: mihatsara velatra tsihy, mihatsara ivelan'ny tsihy satria ny ao ambany ao dia maloto 
21-Manao ezaka ny fitondrana hiadiana amin’ny herisetra mahazo ny ankizy . Tamin’ny 20 aogositra 2007 dia efa nisy lalàna napetraka momba ny zon’ny ankizy hiarovana azy (lalana n° 2007-023), ahazoana manenjika izay mandika izany.
Nanomboka ny 15 desambra 2008 no nasiana nimerao maimaimpoana ahazoana mampilaza raha mahita fihetsika tsy mety mihatra amin’ny ankizy: 805 .
22-Tamin’ny 1610, tapakevitra Andrianjaka mpanjakan’imerina fa haka an’Analamanga ho renivohitra (Nisy fanjakam-bazimba tao saingy resy ka voasesy).
Nanao rova izy ary nametraka vatandehilahy 1000 teo niaro ny tanana.
Novainy ho ANTANANARIVO ny anaran’Analamanga : tananan’ny arivo.


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-




Eto ahazoana mampita   fanadihadiana sy tsikera:

Miverina eny ambony