SEHATRY NY ANKIZY

Olana-vahaolana

1-Ny « COCA-COLA » dia sady fisotro no mety ho ilaina amin’ny fiainana andavanandro :
a-Manala harafesina izy nohon’ny asidra fosiforika ao aminy. Alona ora vitsy ao izay arefesina na fonosina lamba vonto cocacola elaela.
b-Manala ny loto mafy miraikitra amin’ny fivoahana bakoly ireny (cabinet fosse septique) nohon’ny asidra sitrika ao aminy: coca-cola iray tavoahangy arotsaka hilona ao mandritra ny alina. Azo atao koa anefa ny manolo ny coca-cola amin’ny vinaigitra.
 

2-Raha sanatria misy tasina ra ny lamba ka mbola tsy mainabe: Fadio ny manasa izany amin’ny rano mafana fa vao maika masaka ny ra, ka mamela loko.
Vaingan-dranomandry akosokosoka  mafy  na rano mangatsiaka be. Raha tsy hita  izay dia vontosy sira na aspirine ny tasy, dia koseho rehefa elaela: mifamono mantsy ny molekiola amin’ireo sy ny ra.

3-Afaka mamaha olana vitsivitsy amin’ny fiainana andavanandro ny dantifrisy:
1-Raha pentin’ny « encre » ny fitafiana dia asiana dantifrisy amin’ny lafitsara sy lafiratsiny, avela hilona kelikely vao borosiana hilentika tsara fa mety miala ny pentina.
2-Raha tena tsy tanty intsony ny afitsoky ny mony dia asio dantifrisy ny tendrony alohan’ny hatory. Misy vokany izany afaka herinandro eo. 

4-
Alohan’ny ividianana tady famatorana kiraro (lacet) samba,satria mivaha ny tendro fampidirana azy.
dia andramo atao mihorona tsara aloha ilay tendro mivaha vao osorana “vernis à ongles” tsy miloko fa mivaha ny olana.
Osorana toy izany koa raha mivaha ny tendron'ny ny “fermeture” n'ny akanjo.
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement