SEHATRY NY ANKIZY

FAMPANONONANA

RAHA TANY MISY HOTSAKA, MISY SAHONA. RAHA TANY MISY LOHA, MISY LELA. RAHA TANY MISY OLONA, MISY HEVITRA.


 

Mandalo ny zavatra rehetra, ny mitoetra ho vavolombelon’izany dia ny lovatsofina ifandimbiasan’ny taranaka. Isan’ireny ny ankamantatra sy fampanononana samihafa isam-paritra sy isam-pirenena. Tranainy sy malaza amin’izany ny fampanononana nataon’ilay bibiolona Sphinx (tsindrio) an’i Œdipe izay lasa mpanjaka tany Thebes any Grika, nanodidina ny 425 taona talohan’i Jesoa-Kristy  : Iza no manan-tongotra 4 ny maraina, manan-tongotra 2 ny atoandro ary manjary 3 izany ny hariva ?(tsindrio) valiny : ny olona (zaza :mandady, lehibe: mijoro, antitra: mitondra tehina).
Ao koa ny fampanononana nataon’i Samsona tamin'ny filistiana izay voarakitra ao amin’ny baiboly :
Mpitsara 14/1-20 : (tsindrio)” Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy ». valiny : liona sy tantely.
Taritina arak’izany isika ankizy ho tia ka hampita ny kolotsaina malagasy fa velona ao anatin’ireny ny maha-malagasy antsika.

Mihaingo miloloha bozaka
Maty anio, velona raha maraina  
Maty tsy maimbo  
Rangahibe heritaona vao misasa tava   
Lehibe miankim-poana  
Rorohany ivelan’ny tehezany  
Vainafo antendron’Ingena: tsofina tsy velona, avela mivaivay.  
Ny tenany tsy mitafy ka ny lohany no saronany   
Andrahoin-tsy masaka, atono mora foana
Tsy hazo tsinona ka maka anaran-kazo  
Te-hoderaina toa tefitra ka manao varavarana manandrify ny lanitra  
Maty aho kaky sy neny fa sady ampiasainy no ampandiaviny loha   
Tsy vy tsinona ka maka anaramby  
Ny lahiny efatra, ny takolany dimy, maty omby ka tsy hanina  
Salakan-drangahibe maro tonona  
Izy mirahalahy mpitandefona, Rafotsibe misonanina, Iketaka mpiaro lalitra, izy efadahy mpilanja   
Teraka tsy mibaby, vaky tsy miroa?
Tsy atoraka tsy ankivilivily ka mahalasan-davitra  
Tanora banga ka antitra vao boribory (na miha-feno)!  

                                                                 Nanangona: Nouma's Tag 

 

Miverina eny ambony         

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement