SEHATRY NY ANKIZY

Isankarazany


 

'

1-Ny akanjo mariazin’ny vehivavy dia fotsy eto amintsika sy any Japana ary mbola arahin’ny maro any Erôpa.
Ny an’ny sinoa kosa dia mena, ary ny an’ny karàna dia mavo.

2-Ny fo no manosika ny ra hiely hamelona ny faritra rehetra amin’ny tenan’ny olombelona. Sady mitondra ny oksigena izy no manaisotra ny loto sy ny tsy ilain’ny vatana, entiny ireny mba hosivanin’ny voa ka ariana rehefa mivalanan-drano.
Isa-minitra dia ra 1 litatra no mandalo amin’ny nofo tsirairay. Raha mampiasa hery be mafy ilay olona dia mila ra 10 litatra mahery isaminitra, satria mitaky oksigebna be ny nofo.


3-6 litatra eo ny habetsaky ny ran’olondehibe. Ho an’ny lehilahy dia 75 ml isa-kilao eo izany, ary 65ml isa-kilao raha vehivavy. Rehefa bevohoka ny vehivavy dia mitombo arak’izany ny ra mikoriana aminy. 


4-Rehefa mievina dia tsy maintsy mikipy. Miato ny asan’ny taova hatramin’ny fitempon’ny fo. Mahatratra 130-170 km/ora ny hafainganam-pandehan’ny rivotra mivoaka. Mety manely aretina sy mikraoba 3 - 4 m manodidina,  ka tokony tohanana tsy hiely
.
 

5-Misy 2 ny MARTIN LUTHER. Ny voalohany dia alemana: moanina, mopera katolika niendaka, fototry ny fiorenan'ny fiangonana loterana.(1483-1546)
                              1:             2:
Ny faharoa dia pasitera batista mainty hoditra amerikana: Martin Luther King (1929-1968). Niady ho an’ny zon’olombelona sy ny mainty hoditra, maty nisy nitifitra. Nahazo ny “Prix Nobel de la Paix ny 1964 

6-
LOL : Laughing Out Loud,  midika koa “mdr”= mort de rire dia azontsika adika koa hoe:”toran’ny hehy”. Fanafohazanteny (argot internet sy SMS) isan’ny miasa betsaka.
Misy koa ny teny : most of laughing (plus que mort du rire), ny dcdr : décédé de rire: dangin'ny hehy
A+: “à plus tard”, azon-tsika adika hoe: eny ary e, amin’ny manaraka izany.
Ny SMS =“Short Message Service”

7-Tsingerim-piainan'ny volondoha: azo zaraina fotoana  telo.
1-Fotoana fitomboana: maharitra 2-6 taona, mitombo 0,7-2 sm isambolana ny volo:
asiatika (tsindrio)
: 2 sm, afrikana sasany : 0,7sm; araka ny karazana (lahy, vavy, ny karazo sy fihaviana). Ny fifanojoan'ireo faharetam-potoana ireo no mahalava volo.
2-Fotona fitsaharana: 2-3 herinandro. Miato ny fihalavan'ny volo
3- Fotoana fihitsanana : 2 - 4 volana eo, misy volo vaovao mitsiry ao ambany. Misondrotra tsikelikely ny fakambolo taloha, farany miongotra, dia miseho ny tsiry vaovao.   Dia mitohy indray ny tsingerina.

8
-Ny salady dia be otrikaina: A-C-E-B.. sy mineraly: Mg, Mn, Fe...
Mampatory sy mahatony voajanahary koa nohon’ny “lactucarium » ao aminy. 
Raha te-hatory: teneho 2 mn anaty rano 1 kôpy ny  raviny 2; na hanina manta ny hariva.
Ilain'ny bevohoka fa misy asidra folika. Mahabetsaka ny nonon-dreny. Miaro ny vatana tsy ho mora antitra
9-Azo lazaina fa isan’ny lalao tranainy teto antany ity tsipy kanetibe ity.
Ny vatam-paty na zaza iray tany ejipta dia nahitana kanetibe nampiarahana nalevina taminy. Rehefa nodinihina dia tany amin’ny 5400 taona talohan’ny Jesoa Kristy tany izy io.
Tanimanga no nanaovana azy tamin’ny voalohany . Avy eo tamin’ny vato, dia tamin’ny hazo. Ankehitriny vao io amin’ny vy ( acier) io
.
10-Ny 1492 raha ho any Inde ry Christophe Colomb, dia ny nosy Haiti (Bahamas Amerika) no niantsonany.Nihevitra anefa izy nanitsaka ny moron-tsiraka andrefan’ny Indes.  Arak'izany nataony hoe Indiana ny mena hoditra tao. Ka raikitra mandraka ankehitriny. Na niverina in’4 tany aza izy dia nihevitra mandrapaha-fatiny fa i Indes no tany nitsahiny. I Amerigo VESPUCCI namany no nahita ny fahadisoan-kevitra . Nahatonga ny anarana hoe Amerika.

11-Alexander Graham Bell no namorona ny telefona ny 1876. Ny ALLÔ kosa dia avy amin'ny hoe «hallow»: fifampiaraban’ ireo tatsambo anglisy rehefa mihaona any andranomasina any. Tato aoriana dia  “hello” hoy ny anglisytany Amerika mifampiarahaba sy manomboka ny mitelefonina, “hallo” hoy ny alemà. Lasa  teny fiarabana izany ka natao raha vao nifampiantso. Niova ho allo tsikelikely amin’ny faritra maro erantany. Ny italiana manao hoe "pronto", ary mushi-mushi hoy ny japoney
.

12-Misy karazany 6700-7000 ny fiteny erantany, ary ny 3000 amin’ireo ireo dia efa foana na andalam-pahalevonana. Manoloana izany dia tapakevitra ny UNESCO nanokana andro ho fiarovana ny tenindrazana. Hatramin ' ny taona 2000 ary isaky ny 21 febroary. Marika ny mahaizy ny tsirairay ny fahaizany ny tenindrazany: izay mifono ny kolo sy fahendrena mampiavaka amin’ny firenena hafa, ka adidy ny mamelona sy mampita izany tsy ho levona.

13-Christophe Colomb no nahita  ny mananasy tany Guadelope ny 1493 izay  nambolen’ireo indiana. Nentiny tany Europa izany. Ny 1548 dia tonga koa teto Madagasikara tamin’ny alalan’ireo tatsambo. Ny mananasy dia avy amin’ny teny frantsay “ananas”, nalaina tamin’ny tenin’ireo Indianan’ny  amerika hoe “nana-nana” na  “hanitry ny manitra” (nana=manitra). Voalohany amin’ny voankazo ara-pahasalamana noho ny  vitamina sy mineraly entiny. Manala ny fanaitainan’ny hozatry ny mpanao fanatanjahan-tena, nohon'ny "enzyme broméline" ao aminy isan'izany ny fampihenana ny  "crampe".


14-Etazonia 1997: nanaato  fianarana ho injeniera i Sergey Brin et Lawrence Edward Page na Larry Page ( 24 taona izy roalahy). Nanorina ny “moteur de recherché GOOGLE”. Garazy nofaina no birao. 1998: nivoaka ofisialy ny google.com.
 2007: nanambady ilay namany no sady rahavavin’ilay tompon’ny garazy i Sergey Brun.
10 taona aty aoriana (2008): isan’ireo 30 mpanefoefo indrindra erantany izy roalahy. 6 taona i Sergey Brin fony  niala tany Rosia ny ray sy reniny. Amin’ny 2011 dia efa voafandrika ny toerany fa handeha sambondanitra rosiana any an'habakabaka  ny lehilahy.


15-Ny fanaratsiana sy fifosana dia fanimbana olona 3:
-Ilay aratsiana
-Ilay ampihenoina
-Ilay mpifosa sy manaratsy :
Vitsy tena namana ireny olona ireny, no tsy azo atokisana. Nefa ny marina tsy maintsy hipoitra, ka mifototra ny vava natao.
"Izay be teny, be lainga"
 

18-NIELY (NIL)  6718 km  no ony  lava indrindra eto antany. Vokatry ny fihaonan'ny ony telo ao Khartoum (soudan) : NIL BLANC ,  niainga avy amin’ny farihy victoria sy ny NIL BLEU, niainga avy amin’ny farihy tana (etopia), ary ny  Atbara (etopia). Mamakivaky an’ny ejipta izy avy eo vao  mivarina any amin’ny ranomasina mediterane.  Firenena 9  no teteziny: Borondy, Roanda, Oganda, Tanzany, Kenia, kongo-Zaira , Etopia,  Soudan , Ejipta. 
Ahitana  sisitany telo ny moron’ny farihy viktoria: kenia, oganda, Tanzania.
Onilahy (toleara) 870 km no ony lava indrindra eto Madagasikara

19-109  heny nohon’ny haben’ny tany ny masoandro. 149 597 870 km ny elanelany.
Mihodikodina ny tany ny volana ary ny tany kosa mihodikodina ny masoandro miaraka amina planeta 9.
Raha any an-habakabaka dia miavaka ny tany nohon’ny lokony manga mahatonga ny anarany koa hoe: planeta manga (planète bleue).

20-Ny « poubelle » dia nalaina avy amin’ny anaran’ilay frantsay Eugene Poubelle (Prefet ny Seine tao Paris). Namoaka didy izy (marsa 1884) fa angonina miaraka ny fako ary nametraka  fasiana azy  dia mora angonina. 
Toy izany koa Louis Braille namorona ny fomba fanoratra « braille » ho an’ny jamba tamin’ny 1829.
 

 21-Mahatratra 11,034 km ny halalin’ny ranomasina. <br>Any amin’ny ranomasimbe pasifika ao amin’ny atao hoe “fosse des mariannes”,  anelanelan’ny Japana sy sina ary ny nosy  Filipina izy io.
Amin’ny akapobeny 3,8 km no halalin’ny ranomasina. 


22-Ilay frantsay, Louis Braille no namorona ny fomba fanoratra « braille » ho an’ny jamba tamin’ny 1829.
Mbola kely (3 taona) izy dia naratra ny masony havia izay nanonitra ka namindra ny  havanana  lasa jamba izy. Tany amin’ny sekolin’ny jamba no niezahany namorona ny fanoratra “Braille” hahazoan’ny jamba toa azy mifanakalo. Matin’ny tiberkilozy izy ny  1852.
Izy dia isan’ireo olona voafantina milevina ao amin’ny Pantheon Paris (karazana mozolen’ny frantsay). Miaraka amin-dry Emile Zola sy Victor Hugo.

 

23-Ny saina olimpika dia ahitana faribolana 5 mifamatotra.
 5 satria lalao iraisan’ny kaontinanta 5. Samy manana ny lokony ny kaontinanta tsirairay.
-Eropa: manga
-Asia: mavo
-Afrika: mainty
-Oseania: maintso
-Amerika: mena

 

 24-Ny nahatonga ny "SANDWICH"  dia ilay mpanakarena tia milalao karatra atao hoe:John Montagu antsoina koa "4é comte de Sandwich" .Tany amin'ny nosy Sandwich: lasa nosy Hawaii ankehitriny. Teo ambany fahefan'ny angilisy io nosy io tamin' zany. Tsy nahafoy niala ny toeram-pilalaovana ny lehilahy ny 1762 ka voatery ny mpahandrony nanome azy mofo dibera nosesehana hena. <br>Zatra izy ka na miasa aza dia aleony io fa sady matsiro no madio ny tanany

25-RANOMASINA MATY: latsaka 394m amin’ny haabon’ny ranomasina Mediterane ny haabon’ny rano ao. Izy no iva toerana indrindra eto antany satria latsaka 410m amin’ny haabon’ny ranomasina amin’ny akapobeny.
 
Masirabe nohon’ny ranomasina rehetra  satria raha 35gr/l eo ny sira amin’ny ranomasina, ny azy kosa dia 275 gr/ l, hany tsy misy hazandrano afaka mivelona ao.
Mitsingevana fotsiny ny zavatra alatsaka ao, na tovonana fonjamby  aza havesa-danja.

Teo amorony no nisy an’ny Sodoma sy Gomora fahiny. Ny 1947: nahita zohy nisy ny rakitry ny baiboly tranainy indrindra teo ny  mpiandry ondry  iray, isan’izany ny bokin’ny Isaia (nosoratana taonjato faha-3 alohan’ny Jesosy Kristy)

26-Ny brike dia efa nampiasaina hatramin’ny andron’ny romana fahiny ( 1100 taona talohan’i Jesoa Kristy).
Ny afokasoka kosa  taty aoriana elabe vao nisy (taonjato faha-19
)
27-Ny tanjaky ny moteran’ny fiara dia araky ny isantsoavaly nahatonga ny :desevô (Citroën 2CV), troasevô (Citroën 3CV), katsevô  (4 CV renault)sns. <
Fahiny dia soavaly no nitarika ny atao hoe fiara: soavaly iray mahatarika entana 75 kg amin’ny hafainganampandeha: 3,6km/ora (rehefa tsisy kodiarana). Rehefa norefesina ny herin’ny motera tato aoriana dia io herin’ny soavaly io no  fatra namaritana ny tanjany.
Samihafa ny hafainganampandeha rehefa misy kodiarana.
Ankehitriny dia misy fiara mahatratra anjato sevô

28-Lehilahy anglisy iray atao hoe: Tony Wright, 42 taona tamin’izany, no tompondaka ny faharetana tsy matory indrindra erantany (2007). Naharitra 266 ora na 11 andro eo izany.
Ny tompondaka talohany dia i Randy Gadner, naharitra 264 ora (1964) 

29-Ny ampahatelon’ny tany eto amin'ny gilaoba dia tany efitra karakaina (desertique). Ny lehibe sady mafana indrindra amin’ireny dia ny efitry sahara (desert de sahara) ao avaratry afrika.
9.100.000 km² ny velarany izany hoe in-15 ny velaran’ny Madagasikara (587.041 km²)
Avy amin’ny teny arabo ny sahara (A-Saharra) midika efitra (desert) noho izany tsy dia mety ny fiantsoana azy hoe: efitry sahara.
Misy ireo tany efitra mangatsiaka toy ny any Mongoly sy ny tendrotany antartika
.

30- Efa ho 4800-3600 taona any ny « piramidan’ny Egypta » . Izany hoe : 2800-1600 talohan’I Jesoa Kristy.
Lehibe indrindra sady voatahiry hatramin’izao ny piramidan’i Farao Kheops “pyramide de Khéops”.
4500 taona tany ary mbola azo tsidihina. Izy no hany sisa miorina tamin’ireo zavamahaliana 7 fahagola (Sept merveilles du monde de l’antiquité). klikeo 


31-Mialohan’ny nandefasana olona ho eny an’habakabaka (espace) dia alika no nalefa . Ny alin’ny 3 novambra 1957 no niainga tamin'ny Spoutnik 2 (Sambondanitra efa voaomana tsy ho afa-miverina eto antany intsony) ilay alikavavy rosiana LAÏKA. 7 andro taoriana dia maty tany izy.
Ny olombelona voalohany dia ilay rosiana Youri Alekseïevitch Gagarine. Nentin’ny sambondanitra Vostok 1 ny 12 avril 1961, 27 taona izy tamin’izany. Naharitra 108mn ny diany. Tany amin’ny 300 km ambonin’ny tany tany no nisy azy ary 28000km/ora ny hafainganampandehany. Maty nohon’ny fipoahan’ny fiaramanidina madinika nentiny izy ny 27 mars 1968 : 44 taona.

32-Ny volantantely dia fomba fiteny efa nisy hatramin’ny andron’ny babilona fehizay (2100 taona talohan'i Jesoa Kristy).
Mandritra ny iray volan’ny mariazy ny mpivady vao dia asaina misotro isanandro ny atao hoe « hydromel »: alikaola azo avy amin’ny tantely naotrika miaraka amin’ny rano: hahatonga azy ireo hatanjaka, ho tony sy voaaro amin’ny aretina.
Ny « hydromel » no fantatra fa karazan’ alikaola voalohany indrindra

34-
Ny teny hoe BARAKA amintsika malagasy dia midika hoe « voninahitra » na koa « hasina na haja ». Tsy tantin'ny hambompon-tsika ny ho afa-baraka izany. Ny “BARACK “ kosa (toy ny an’i Barack Obama ) amin’ny arabo (baraka koa no fiteniny) sy ny hebreo sy ny Swahili (fitenin’ny akabeazan’ny afrikana) dia midika hoe: TAHIAN' ANDRIAMANITRA (béni des dieux) .Tsindrio ny soratra. 

35-Ny isa amin’ny teny anglisy dia tsy ahitana ny zanatsoratra A raha tsy tonga manisa hatrany amin’ny arivo.
One=iray.
Two=roa.
Three=telo …...
One thousand= arivo .
two thousand= 2000 …

36-Ny hoditra no taova lehibe indrindra amin’ny tenan’ny olombelona. Raha alaina ohatra ny lehilahy iray milanja 70kg dia manodidina ny 2 m² eo ny velaran’ny hodiny, ary milanja 4-5 kg .
Manana andraikitra lehibe izy satria toy ny karazam-pefy miaro ny taova rehetra amin’ny tontolo iainana: hatsiaka, aretina, loto … ka mila fikojakojaina .
Ny faladia dia mihoatra 4 na 5 heny amin’ny hoditra tsotra ny hateviny. Tsy mba tsemboka (sebum) ny faladia (sy ny felatanana) fa rahatsy izany mikorisa mianjera ny olona

37-Ny tratra antitra indrindra voarakitra teto antany dia ilay indiana : Habib Miyan. Teraka tamin’ny 20 may 1870 izy araka ny filazany ary nodimandry tamin’ny 10 aogositra 2008 : 138 taona. Ao amin’ny taratasin’ny retiretiny ara-panjakana anefa dia teraka ny 20 mai 1879 izy , izany hoe niaina 129 taona. Ny vadiny sy ny zananilahy 4 dia efa maty avokoa. Miisa 140 ny taranany mbola velona tamin’izy maty io. Efa jamba nandritra ny 50 taona izy.
Amin’izao 2008 izao dia ilay japoney : Tomoji Tanabe, no antitra indrindra. Teraka ny 18 septambra 1895: izany hoe 113 taona amin'izao ny 2008 : mbola mahita, tsy mifoka ary tsy misotro toaka ny lehilahy.

 

Miverina eny ambony

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-