SEHATRY NY ANKIZY

REFY: halavana

NY ELANELANA SY HALAVANA TEO AMIN’NY MALAGASY
Nisy fiatraikany tsikelikely teo amin’ny fomba nahazatra ny malagasy ny fandrosoana sy ny fifaneraserana tamin’ny firenena hafa.
Niova sy nivoatra ny fomba nentin-drazana sasany ary foana tanteraka nony taty aoriana. Niha-tsy fampiasa firy intsony koa ireo teny malagasy nifanaraka taminy.
Isan’ireny ny manodidina ny fandrefesana Malagasy.

NY MOMBA NY HALAVANA SY NY ELANELANA:

Samihafa ny fomba filaza izany araka ny venty.

 .1-Ny tondro na ny voatondro: raha fohy ny elanelana dia tondro sy felatanana no ampiasaina. (tsindrio ny sary)


 

Ny ratsantanana dimy :
ankihibe→fanondro→fanondroadala
→manarapoana→ankihikely
.
Ny haben’ny ratsana iray no atao hoe tondro. Ahazoana ny tondro iray na voatondro iray, tondro roa….
Ny haben’ny felatanana no ahazoana ny vodifelatanana na voavodifelatanana. 
Ohatra: vodifelatanana sy tondro telo no halavany.

  2-MANJEHY: raha ZEHY no venty ampiasaina.

 

a
(Tsindrio ny sary)

Zehy : Ny manelanelana ankihibe sy ny fanondroadala.

 -Vehana: Ny manelanelana  ny ankihibe sy ny fanondro.

Fanamarihana:
tsy mitovy amin'ny ataon'ny frantsay hoe "empan" : manelanelana ny ankihibe sy ny ankihikely, ny zehy sy ny vehan


3-MANDREFY
:
raha REFY no venty ampiasaina. Ny refy dia ny elanelana azo raha mitsotra mahitsy ny tanana roa:  refy – roa refy…
Ny lamba fitafin'ny vehivavy malagasy atao sampikavia ireny no roa refy sy sasany.
(tsindrio sary)
  

 

 

M

A

N

D

R

E

F

Y

 

ANARANA

ELANELANA

(Atao hoe A ny amin’ny ilany havia  ary B ny havanan’ny tena)

 

REFY

Tanana roa mivelatra

Valonjehy

= fitodia

AMPAMOLAHANA

Kihon’ny tanana Btendron-dratsantanana A

Eninjehy

MANINDAO

Helika Btendron-

dratsantanana A

Diminjehy

AMPAMELOMANDROA

Tendro-nono B tendron-dratsantanana A

 

MAMAKITRATRA

Refy/2

Efajehy

AMPAMELOMANTOKANA

Tendro-nono Atendron-dratsantanana A

 

TOVONTSANDRY

Helika Atendron-

dratsantanana A

Telonjehy

HAKIHO

Kiho A tendron-

dratsantanana A

Roanjehy

AMPANJATOANA*

AMPIRAVAHANA

Hatotanana A tendron-dratsantanana A

 

 

 

















*Ampanjatoana
na ampiravahana satria ny hatotanana no mpitondra ny firavaka, ary mpanjato na ny mpanakarena no miravaka.

4-MANDIA: ny DIAN-TONGOTRA no venty ampiasaina.

 

 
M
A
N
D
I
A
ANARANA
ELANELANA
DIA
Halavan’ny faladia
MANALARANTSANA
Halavan’ny faladia raha tsy eo ny ankihibe
TAPADIA
Atsasaky ny faladia
TSIVALANDIA
Sakan’ny faladia
4-MANDINGANA:  fanisana ny dingana vita. 
Ny dingana dia ny elanelan'ny tongotra roa misabaka.
Dingandava no iantsoana ny dingana lehibe raha manao ezaka.

5-Manampy ireo ny tombatombana vokatry ny fandinihana:-Tratoraka (takatoraka), tradefona (takadefona), tratrantso, trabasy.
Sy ireo maneho elanelana sy faharetam-potoana: Lalana indray mahamasabary, lalana indray andro, lalan-kateloana, lalan-kerinandro.

Miverina eny ambony

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement