SEHATRY NY ANKIZY

ANKAMANTATRA 2

DEVINETTES MALGACHES- ANKAMANTATRY NY NTAOLO (tohiny)
Fanabeazana miendrika fialamboly  ny ankamantatra.
Nentina hamporisihina ny ankizy izy ireny handinika ny tontolo manodidina azy: Hisarika  ny sainy handinika ny fahamarinan'izay nolazaina.
Ohatra ity ankamantatra ity: « Tanora banga, antitra vao boribory ». Valiny : Volana. Voakitika ny sainy handinika ny momba volana.


Tsy nify tsy vazana nefa tsy mandà sakafo   
Tanora: mijaiko, antitra: mitsipika; ka na ny tompony aza tsy tia
Ny fakany indray re no ambony
Na kely na lehibe dia kely avokoa
Ilay maty milanja ny velona  
Tsy mahasaraka nefa tsy azo ho namana   
Vakivaky tsy miady  
Mitsilahy foana, mihohoka feno  
Masaka tsy andrahoina
Vilia mihohoka antanety  
Maty aho ry kaky sy neny fa ny foko mahia no nanarian ‘ny olona ahy
Kely mahay madrary
Na iza andriana na iza mahery tsy mahazo eran-tanana .  
Fony maizina natao tsy hazava fony mazava tsy maizina intsony
Totoim-bitana ka anaran ’aretina avy no atao anarana . 
Mianjera tsy folaka miantonta tsy mondro  
Tsy misaina afatsy ny hidina   
Ny sakany sy ny lavany indray manonona ihany   
Mitahiry faty antrano
Tapaka vao mahay mandihy  
Dian-dRabezanozano, tsy ando nihitsana, tsy lala-maditsaka  
Alevina vao maroanaka  
Tanora tsy mihetsika ka antitra vao sokindia  
Tezitra vao mifanantona  
Ilaikely mialoha mpanjaka  
Manambava mihinana, fa tsy manan-kibo hasiana
Antitra vao miala babena
Feno hono nefa tapany ihany  
Mihinam-py tsy matavy    
Vao mitrebona dia voafofo ho notangosana   
Atodin-dRaberimorimo, kotrehin-dRabetsimiteny  
Rabiby tsy manan-taolana afatsy ny nifiny  
Antidahy be mony
Raha alina izy voky tsy homana, raha atoandro noana tsy niasa  
Tranobe tsy mitafo  
Mangatsiaka mahamay   
Mamorivory tsy rano  
Arivolahy niady ka taolampotsy no nenti-nody  
Ny vavany vavany ihany, fa ny elahy koa misy vavany  
Na iza ngeza na iza makadiry, izay sitoniko mamitsapitsaka   
Karazana iray lany atono
Maneno mafy hahalafo ny velona
Intelo miova aho vao vanona
Mitsilany mahazo hena, miankohoka mahazo olona
Tsy manambolo afatsy mainty
Todihina tsy hita, raisina mora foana
Raha be mamohehitra, raha kely mampimenona  
Tsy ray tsy reniny nefa itomaniany  
Ny hodiny ihany no tranony  
Mahita ny hafa fa tsy mahita ny tenany .  
Hitsidika no naleha hay fahafatesana no hita .  

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement