SEHATRY NY ANKIZY

zavamaniry

1-Hazo lehibe ny baobab na RENIALA. Afa-miaina 1000 na 2000 taona. Mety mahatratra 25m ny hahavony ary 9 m ny hateviny. Nefa misy ny karazany fohy:4-5 m. Mahatahiry rano betsaka izy. Ny raviny dia fanafody (manaitaina, manavy, mivalana...)  saingy mila fahaizana ny fatrany. Ny voany dia sakafo feno otrikaina. 8 karazana baobab erantany, ny 6 amin'ireo dia tsy misy afatsy eto Madagasikara.

2-Ny akondro dia tsy hazo fa ahitra na bozaka lehibe indrindra eto antany.  Ny tahony tsy hazo fa  taho  mifanindritsindry.  Sady sakafo no azo atao trano no azo atao fanaka no azo iakanjoana no  azo atao vilany fandrahoana (fonosina ao ny sakafo dia atono).  Azo iampitana rano ny vatabeny  fa mitsingevana . Diso ny filaza fa mampatavy ny akondro na be "calorie" aza (94ca/100g). Feno otrik’aina indrindra ny potasioma  ilain’ny saina sy ny taolana.

3-
Ny taona 1817 dia kilasin’ny zava-pihinana ny “dahlia”. Mbola mihinana azy ny any Mexique niaviany. Hambolena hohanina no anton’ny nitondrana azy tany eropa ny 1791. Ny fakany toy ny vomanga iny no sakafo: somary mamimamy maisatra. Mitovitovy amin'ny tsiron’ny artichaut na ny salsifis: voasana, andrahoana ora iray. Dia laoka miaraka amin’ny hena. Ny raviny sakafom-biby, ny felany salady

4-
Ny goavy no voakazo misy “ vitamine C” be indrindra.  Raha io otrikaina io  no resahina, ny fihinanana goavy iray aman-kodiny dia mitovy amin’ny fihinanana voasary 4 na 5.  Manaraka azy ny “kiwi”. <br> Bresil no nipoirany ary “goiaba” no anarany any 

5-Ankoatry ny vy (fer) , potasioma (K), vit A , C ao amin’ny anandrano. Dia manampy betsaka ireo manam-piniavana
hiala sigara sy paraky ny anandrano noho izy mamono ny asan’ny “nicotine”(antidote de la nicotine). Ka tokony hohaniny betsaka. 
Ny  "nicotine" no karazan-drongony mahatonga ny mpifoka maharary raha vao tsy mifoka. 7 segondra monja aorian’ny ifohana dia tonga any amin’ny atidoha izy.

6-Isan’ny hazo tsy misy afatsy eto amin-tsika ny TAPIA. Zava-dehibe amin’ny fomban-drazana satria mamelona ny LANDIBE fanaovana lamba-landy sy lambamena. Ny landibe koa tsy misy afatsy eto. Efa talohan’ny 1740 no nitafy sy nifono lamba landy ny Malagasy.
Samihafa aminy ny LANDIKELY izay avy amin’ny voaroy.
Jean Laborde no nampiditra ny landikely teto tamin’ny andron-Ranavalona reniny. Fanaovana lamba landy ihany koa ny akorany fa samihafa ny
Miha-manify ny ala-tapia, ary efa somary ialana ny lambamena. Mba iarovana izany dia maro ny ezaka fambolena tapia sy fanomezana lanja vaovao ny fitafiana ny lamba landy. 

7- Efa 3000 taona lasa tany ny indian'ny amerika no efa namboly paraky. Christophe Colomb nandalo tao Cuba no eoropeana voalohany nahita azy ireo nifoka (1492). Nentina nambolena tany eoropa izany. Ary nanomboka niely erantany.
Ny 1662 dia efa namboly paraky koa eraky ny nosintsika fa nentin'ireo tantsambo eropeana teto. Ny 1/3 n’ny homamiadana dia vokatry ny sigara sy paraky. Ary 90-95% homa-miadanana  manjo ny avokavoka.


8- Ny voatavo lehibe indrindra hatramin’izao dia ilay nampirantian’ingahy Larry Checkon tany pensilvania tany Amerika tamin'ny 1 oktobra 2005. Milanja 666 kilao

9-Misy karazany 20 000 eo ho eo ny orkide. Isan’izany ny vanilla. Tany amerika (meksika) no nahitan’I Christophe Colomb azy voalohany, ary nanomboka nambolena teto ny 1871.
Tsy misy fofony ny vanila fa mba hampisy fofony azy dia mila ahahy sy karakaraina mandritra ny heritaona eo izy. Voankazo tsy tia masoandro, izany no mahatonga ny tahony hifolaka mitombo midina indray vao miakatra.
Olona no mampisaraka ny efitra manify (rostellum) manelanelana ny vavimbony sy manosika ny lahimbony (pollen) hiparitaka aminy.
Any Meksika kosa dia ilay tantely “melipone” no miandraikitra izany
.

10-Ny antony mampasiaka ny sakay, poavra, sakamalaho...dia nohon’ny molekiola « capsaïcine » ao amin’izy ireny miraikitra amin’ny ativava.
Mba hanalana ny siaka entin'izy ireo dia mahomby ny fihinanana zavatra misy ny protida ao amin'ny ronono, fromazy, dibera ,rononomandry...na ny "caseine" izany.
Ny molekiola entin’ny « caseine » mantsy dia manana toetra miraikitra amin’ny ativava kokoa nohon'ny "capsaïcine" ka manendaka ireo molekiola masiaka ireo. 

11-Ny voankazo be mpihinana indrindra eto antany dia ny akondro. Izy koa no voankazo fantatra hatramin’izao fa be proteina indrindra.
Tsy mampatavy ny fihinanana akondro na hanina mandritra ny ora aza satria mitondra otrik’aina izy nefa mora levonina. Ampirisihina aza hihinana akondro ireo mihinana sakafo mampahia hahazoany hery.
Tsy misy sira izy ary anisan’ny otrikaina entiny koa ny potasioma izay ilain’ny olona misy tosidra.
Ny vitamina B1, B12 ny potasioma sy manesioma ao aminy dia manampy ny vatan’ ireo olona miala sigara sy paraky
.
 
12-Ravimangahazo totoina ny ravitoto. Sady matsiro no mitondra proteina sy otrikaina : Ca, Fe, ny vitamina A-C-B1-B2.
Ravina manasitrana koa izy ireny noho izy manana hery misitona ny nana:
Raha toa misy fery mamory nana nefa tsy mety potsika, na tsilo ao anaty fery efa manonitra, dia alaina ny ravimangahazo madio: apetraka mifanindry eo toy ny “pansement” vao fonosina.
Avela ora maromaro na indray alina mihintsy fa sitonin’ilay ravina ny nana sady entiny mivoaka mananaraka azy raha misy tsilo tao, madio ny fery 


 

 

 

 

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-