SEHATRY NY ANKIZY

Karazany

1-Ny magy dia avy amin’ny teny iraniana hoe: "maga". Rehefa avy niondrika tamin’ny Jesoa zazakely teraka izy ireo dia niverina tany amin’ny firenena niaviany. Tamin’ny taona 330 tany ho any, ny masimbavy Helene rehefa nanao fanadihadiana dia nilaza fa nahita ny fasany, nentina tany konstantinopla (Istanbul ankehitriny)any turquie ny razana, vao nafindra tany “Milan” any Italy. Ny 23 jolay 1164 dia nafindra any alemana. Azo tsidihana ao anaty vata volamena ao amin’ny katedralin’ny Cologne.

MAGY!

2-Ny sifotra na lelosy (escargot) dia efa nohanin’ny romana sy grika hatramin’ny taonjato faha-efatra talohan’ny Jesoa Kristy. Mariky ny faharetana noho izy miadampandeha.
Afaka miaina 2-7 taona araka ny karazany. Afaka matory mandritra ny 3 taona koa.
Ny atodin’ny aretina bilarziozy dia mivoaka manaraka ny fivalanan’ny olona marary, entin’ny riaka ireny ka mivarina amin’ireo rano mihandrona sy tsy mikoriana loatra. Nony foy dia mitsofoka amin’ireo sifotra monina andrano aloha mandrampiovany ho karazan-kankana kely. Miparitaka ao anaty rano ireo kankana ary mitsofoka amin’ny olona miroboka ao dia voan’ny bilarziozy ilay olona
.

3-Amin’ny  zehy (tanana) sy amin’ny dingana (tongotra) no nahavantana raha nandrefy tany aloha, na koa fomba hafa tsy niraisana. <br> Tamin’ny 1795 dia nivory ny mana-mpahaizana hanao maridrefy iraisana. <br> Ny refin’ny manodidina ny tany (circonférence)no nalaina  ka nozaraina 40 tapitrisa (40 000 000): ny refy azo no natao hoe IRAY METATRA.

4-Ny mpanjaka frantsay Charles IX, no nanova ny taombaovao ho 1 janoary tamin’ny 1564. Talohan’io daty io dia manomboka 1 avrily ny taona. Tato aoriana dia lasa fananihaniana ny manome fanomezana ny 1 avrily. Antony iray nahatonga io daty io ho fetin’ny lainga.

5-1850: tapakevitra i Oscar Levis Strauss, mpivarotra valonandamba fanaovana tranolay (tente) fa anaovany pataloha hamidy amin’ireo mpitrandraka volamena tany kalifornia ireto valonandamba.
Ny didiny dia nataony mitovitovy amin’ny patalohan’ireo tatsambo any Genes, (vohitra any italia) i, dia raikitra ny pataloha Jeans.
Nandroso ny varotra fa sady mafy ny lamba no naharitra. Nasiany bokotra vy ny paosy taty aoriana.

6-Avy amin’ny teny latina hoe : “caesare” na “couper” na mandidy.
Diso ny fiheverana fa tamin’ny andro nahaterahan’ny Jules Cesar no nahatonga io fiantsoana io satria tsy mbola lasa lavitra ny fahaiza-mandidy tamin’ny andron’ny romana (100 talohan’I Jesoa Kristy). Tsy sahiny ny mandidy kibo-na reny bevohoka rahatsy hoe efa maty angamba ilay reny ka ho fanavotana ny zazakely.
Ny renin’i Jules Cesar anefa dia naira-belona taminy naharitra. 

6-Tsy Louis Pasteur akory no namorona ny vakisiny fa I Edward Jenner, mpitsabo anglisy ny 1796.
Nisy aretin’omby atao hoe “variole de vache” na vaccine (vaccine=vache en latin=ombivavy). Mifindra amin’ny mpiompy koa io aretina io, nahavariana azy fa izay olona efa tratran’io aretin’omby io dia tsy andairan’ny “variole” mpahazo ny olombelona. Ny 1796: nandramany natsindrona zazavavy 9 taona ny otrikaretina vaccine, afaka telo volana dia notsindrominy ny otrikaretina variole ilay zaza fa tsy nampiraika azy izany. Azo ny vakisiny voalohany. 

7-Ny pataloha dia avy amin’ny teny frantsay hoe : “pantalon”. Tamin’ny taonjato faha-16 tany ho any, dia kilaoty hatreo amin’ny lohalika ny fitafian’ny lehilahy. Ny 1550, nisy antoko mpanao teatra italiana : “comedia dell’arte” : nampitafy mampihomehy isan- karazany ireo mpilalaony. Kilaoty lava sy tery hatreny amin’ny kitro no nampanaovina an’ andriamatoa Pantalone. Ny anjara nolalaoviny dia mpivarotra ebo sady kahitra. Tsy mbola nisy nikilaoty lava toy izany ny lehilahy ka nahatsikaiky.
Hitan’ireo mpanao lamaody nefa ka notohizany lava ny kilaoty ka lasa pataloha.

7-Olona kambana, izay tsy tafasaraka aradalana tambohoka fa misy faritra iraiketany no atao hoe “SIAMOIS”.
Taloha dia Siam no anarana nentin’ny tailandy. Ny 1811 dia nisy kambana mirahalahy (Chang sy Eng) niraikitra tamin’ny aty sy valahiny (bassin). Nony 24 taona dia lasa nankany frantsa izy ireo hosarahina nefa tsy sahy ny mpandidy tany. Lasa nanohy ny diany nankany amerika izy mirahalahy nentina mpanao “cirque” ary lasa mpiompy sy mpamboly avy eo. Nanambady olo-mirahavavy zanaka pasitera. 22 ny fitamba- ran’ny zaza naterany. Ny 1874 dia maty ny iray, adiny 3 taoriana dia maty koa ilay niraikitra taminy: 63 izy ireo tamin’izany. Izy mirahalahy avy tany SIAM ireo no nahatonga ny fi- antsoana: “Siamois” 

8-I Fidel CASTRO no mpitondra firenena naharitra indrindra teo amin’ny fitondrana hatramin’izao. Nanomboka ny 26 jolay 1959 izany ary niafara ny 19 febroary 2008, nanolorany ny fitondrana tamin’i Raúl Castro Ruz rahalahiny .
Naharitra 48 taona sy 208 andro ny nitondrany  tany "cuba".
Izy koa no mpitondra lava kabary indrindra. Naharitra 4ora 29 mn ny kabariny teo anivon’ny firenena mikambana ny 26 septambra 1960.
 

9-Nody maina avy nihaza orsa nandritra ny 4 andro ny filoha amerikana: Theodore Roosevelt, ny taona 1902. Mba hamalifaly azy dia nitondran’ny namany orsa velona nofatorana teo ambody hazo izy hovonoiny nefa nasainy navotsotra.
Nataon’ireo mpanao gazety antsarisary ny zava-nitranga.
Nahatonga hevitra an’i Michtom mivady, mpanamboatra kilalao ny fahitana ilay sary, ka namboatra saribakoly orsa tamin’ny volonondry izy ireo, nomeny anarana hoe : “Teddy bear”. Teddy satria io no fiantsoana an’ilay filoha, bear midika hoe orsa.
Nanomboka ny famokarana nonorsa tao etazonia ny 1903.