SEHATRY NY ANKIZY

-RANAVALONA III

 RANAVALONA III 
Maro amin-tsika ankizy no tsy mahalala ny tena sarin'izany mpanjakavavy Ranavalona III izany. (sary eo ambany)
RAZAFINDRAHETY no tena anarany, teraka ny  22/11/1861.
Efa nanambady ny Printsy RATRIMOARIVONY izy no narary mafy  Ranavalona II. 
Ny mpanjakavavy teo alohany  nanomboka hatramin'ny Rasoherina sy Ranavalona II izany dia tsy maintsy vadian'ny praiminisitra RAINILAIARIVONY rehefa manjaka. Misy antony ara-politika ambadik'izany.
Nony efa tapaka  fa Razafindrahety no handimby azy, dia  nihevitra i Rainilaiarivony fa tsy maintsy atao izay isitahan'i printsy vadiny.
Nolazaina fa hoe marary ny printsy Ratrimoarivony vadin-dRazafindrahety.  Ka nilaza ny praiminisitra io fa handefasany mpitsabo hoe ka nohidiana trano tao fa tsaboina.  Herinandro taorian'izay filazana izay dia maty izy (7/05/1883) , 21 taona  monja io printsy io tamin'izany.
Ny 30/06/1883 taorian'io kosa no niamboho Ranavalona II.
Nosorana ho mpanjaka Razafindrahety  ny 22/11/ 1883, nitondra ny anarana hoe : RANAVALONA III
22 taona izy fony nanjaka.
Novadian'ny
praiminisitra Rainilaiarivony izy.  55 taona ny praiminisitra tamin'izany.









Mitafy sy manao taovolo toy ny eoropeana izy io ary mahay mihaingo tokoa.

Nivahiny matetika tany Frantsa izy ny fiandohan'ny taonjato faha-19 ka hatramin'ny 1913.  Ity sary ity ny vavolombelon'ny nandalovany tany  Arcachon.

Efa nandalo tany Marselle, Paris, Calvados, Gars , nantes... ary nohajaina sy nohobiana  indrindra ireo kristiana protestanta.


Fiaimpiainany:
-Tanora kinga saina sady mpianatra nahaibe tao amin’ny “Girls' Central School “tao Ambodin’Andohalo izy. Vaindohan’ny politikany  ny fampiroboroboana ny fampianarana. Navoaka ny didy fa tsy maintsy mianatra ny ankizy 8-15 taona.
-Mpanjaka kristiana fatratra izy, vavaka sy hira  no anombohany andro ary misy fotoam-pivavahana isa-kariva alohan’ny hatory miaraka amina pasitera.  Niroborobo fatratra ny fivavahana tamin’ny androny.
-Hira tiany: "Ny hiran'ny lanitra" fihirana pejy 701.
-Mpanjaka hendry izy, Ireo mpanolotsaina nofidiany  dia zokiolona sy manampahaizana daholo. Takatry ny Frantsay izany ka vao tonga izy dia nataony sesitany ny ankabeazan’ireo mpanolotsaina ireny.
-Mpanjaka mandidy sy manana ny heviny izy, na teo aza i Rainilaiarivony praiminisitra.

Fehiny: Mamy hoditra Ranavalona fahatelo, isan’ny antony iray nanaovana azy sesitany ny fitiavan’ny vahoaka azy. Nanampy izany ny hetsika mafanavay nentin’ireo menalamba nanohitra ny mpanjanantany (1895- 1898). Tabataba izay notombanan’ireo frantsay fa baiko avy amin’ny andrim-pitondrana notarihin’ny mpanjaka Ranavalona III. 
Nasesy ny mpanjaka ary notifirina teo imasombahoaka tao Antsahamanitra ny 15 oktobra 1896 ny  printsy Ratsimamanga, dadatoa sady mpanolotsaina azy
 sy ny minisitry ny atitany protestanta, ny jeneraly Rainandriamampandry ho lesona ho an'izay tia tanindrazana. Mendrika ny herimpo nasehon'izy ireo niatrika ny fitifirana tamin'izany habibiana nataon'i Frantsa izany.

 Ny 3 marsa 1897 izany  natao sesitany ny mpanjaka sy ny fianakaviany akaiky ka napetraka 2 taona tao la Réunion, vao naondrana tany Alger (Algerie).
I Rainilaiarivony koa dia efa natao sesitany talohany nakany  Alger ny 06 Février 1896 ary maty tany ny 17 Juillet 1896 ihany, tsy fantatra ny antony nahafaty azy io [Toa hoe novonoina] 
Ny taolambalon'ny praiminisitra dia tafaverina teto antanindrazana ny 1900, nalevina ao amin'ny fasan-dRainiharo (Isoraka), fa rainy i Rainiharo praiminisitra izay nanana ny lazany tokoa.

Nindaosin'ny fahafatesana tany Algerie ny mpanjaka Ranavalona III  ny 23 may 1917 tamin'ny faha-56 taonany nohon'ny "embolie".
Tao amin'ny cimetière saint-Eugène tao Alger no nanafenana azy ny 25 may 1917. Nampodiana teto  Madagasikara ka tonga tao  Toamasina ny  29 Oktobra 1938. Noraisina tao Antananarivo ny razana ny 30 oktobra 1938 , nisy fiaretantory goavana teo amin'ny gara ny alin'io, saingy  tsy navelan'ny fitondrana Frantsay nofonosina lambamena  araka ny fomba malagasy izy. 
Anisan'ny nampirongatra ny fitiavan-tanindrazana io fiverenany io.

"Izany sy izany no tantara sy lovantsofina niainan'ireo razantsika. Tsy resy tsy niady ny malagasy fa sendra ny hetraketraky ny  mahery ara-tafika!!
 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-


miverina eny ambony