SEHATRY NY ANKIZY

LOKO MALAGASY

 


Manana famaritana ny loko vokatry ny fandinihany ny tontolo manodidina azy ny malagasy 

JERY TODIKA:
Raha atao jery todika, ny loko tsara tamin’ny malagasy fahiny dia ny loko manga: manga feo, olomanga, hazomanga, manga resaka, manga rivotra, voromanga. 
Tsy vitsy ny anaran’olona na tanana misy ny teny manga : Rakotomanga,  Ratsimamanga, Ramangalahy …; Ny  Ambohimanga, Analamanga. Mangarano , Mangarivotra…

Ny loko fotsy kosa matetika entina mamaritra izay ratsy sy misy tsininy:
Fotsy fanahy: mpanaonao foana tsy ampiheverana «Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano », fotsy varavarana: vady tsy tamana lava ao tokatrano, fotsy feo: tsy mahatana feo, mamalankira , fotsy angola: lany harena, fotsy tsinay na mandrifotsy: matory tsy nisakafo. fotsy rora: sasatry ny mananatra sy miteny fa tsy misy mihaino, mamotsifotsy : maniratsira, manaratsy, Rafotsy: ilazana ireo vaviantitra. Famarintana ny tonta sy efa haraka ka fotsy sisa tavela..

 OHATRA VITSIVITSY NANAVAHANY NY LOKO ISAN-TSOKAJINY (tsindrio ireo sary): 

LOKO sy Karazany vitsivitsy

Ohatra loko aratsary

MENA:

Karazany: Mena, menamena, mena dorehitra na mena mivaivay na mena mangatraka na  mena  sangan’akoholahy, mena jaky na mena ranombalahy, mena antitra, mena tanora.

Mena sangan’akoholahy

MANGA: Karazany:  manga, manga volondanitra, manga tanora, manga antitra.
Ny manga angana dia manga manopy volomparasy, loko hita anelanelan’ny manga sy volomparasy rehefa misy avana   (indigo amin'ny teny frantsay)

Manga angana: toy ny felan'ny tsikafokafona (angana tanora) sy ny sarisarimbomanga sasantsasany : angana antitra.

'

MAINTSO:
Karazany: maintso tanora, maintso antitra, maintso lomotra, maintso mavana, maintso vololonakondro: ilay tsimoka ravin’akondro farany indrindra  (manopy mavo manjelatra), 

Ny vololona dia ireo ravina tanora indrindra mitsimoka amin'ny zavamaniry.

Maintso vololonakondro

VOLONDAVENONA na HAVOKA
Karazany: Volondavenona antitra,  volombatolalaka: volondavenona tanora.
Misy ireo akoho havoka (volondavenona)
Mangavoka: fotsy vasoka mitovy amin'ny volondavenona tanora ( ohatra:tongotra mangavoka)
Zavamaniry ny vatolalaka na katra, ny voany matsilotsilo mirakitra vato volondavenona vitsivitsy, kikisana atao fanafody. Indrindra ilalaovana katro (katra) na fanorona.

Vatolalaka nahatonga ny volombatolalaka

VOLONTANY:
Karazany: volontany antitra,  volontany tanora, volontakatra: volontany manopy mena 

Rehefa mijery lokon’omby dia ao ny omby manja volontakatra 

Takatra sy omby volotakatra (volotany manopy mena)

VOLOMPARASY: Lokon’ny parasy na loko violety
Parasy : bibikely mitsetsitra ra, miovaova ny lokony araky ny fahelan'ny itoeran'ny ra ao aminy,  mavomena, na menafify, mainty. Ny fahita matetika izy lasa miloko violety (mena manopy manga).

Parasy volomparasy, io akaiky ny parasy vao avy nitsetsitra ra

 

MAVO na VONY: mavobe, mavo tanora, vony, vonivony raha matsoratsora, mavokely, mavomania, mavomena, mivolom-barahina.

Azo apetraka ho fianakavian'ny loko mavo  ny  VOLOMBOASARY na HABOKAtany haboka no iantsoina ireo tany miloko volomboasary andokoantsika rindrina toy ny karazana tany mena matsoraka.

 Volomboasary na haboka, kilasy miaraka amin'ny loko mavo

MAINTY: mainty ngizina na ngilo na ngerona, mainty mangana ( anelanelan’ny manga sy ny mainty ), mainty lomotra (mainty mila hivadika maintso lomotra), mainty vasoka

FOTSY;   Fotsy mangatsakatsaka na fotsy botsiaka na fotsy mangatsohatso, fotsy bobo, fotsy hatsatra, mivolom-bolafotsy, fotsy manjopiaka, volo sikidy: lokon’ny taniravo na tanimanga fotsy andokoan’ny mpisikidy ny tenany na ireo zavatra amasininy. 
Ny HAVOHA: mazava madio sy manjelatra. Ao ny loko fotsy atao hoe mangavoha.

MANGARAHARA na  manganohano na mangalahala: tsy miloko, toy ny ranon’ando


LOKO MIFANGARO

-Sada : loko roa mifangaro fa tsy maintsy  fotsy ny iray. Ny omby volavita dia sada: omby  miloko mena antitra  na volontakatra na mainty saingy ahitana loko fotsy ny lohany, trafony sy ny sorony, amin’ny tongony efatra ary ny rambony dia fotsy sasaka. Tsy adino ny tehezany sy ny tapany aoriana.  Ity sary azo tsidihina ity dia mampiseho omby volavita (sada) tanora , mbola tsy maniry tandroka  sy trafo.


-Ny vandana na vandambandana dia loko roa na maro mifangaroharo.
Ny volonkary ohatra dia loko vandambandana mainty sy volondavenona.

Ohabolana : Na amboako na amboan' olona, izay vandana  dia kary


Fomba fiteny mifandray amin’ny loko ny zarazara hoditra :  enti-milaza ireo malagasy rehefa tsy  tena mainty fa mazavazava hoditra.
 




Miverina eny ambony