SEHATRY NY ANKIZY

RAMIANTRA


RAFARALAHY RAMIANTRA 
Ilay mpanompon'Andriamanitra
nosoratan- Iando fony izy  13 taona 
Pejy faharoa--->


 
Nisy hono, tao amin'ny firenena lehibe iray, mpanjaka tsara fanahy sy tia an'Andriamanitra sady nanompo azy. Hany ka mamy hoditra amin'ny olon-drehetra na dia ny mahantra indrindra aza.

Nanana zanaka mirahalahy izy: ilay zokiny  dia tsy matahotra an' Andriamanitra no sady ratsy toetra sy maditra, vonoiny foana ilay zandriny, izay tsara tarehy sy toetra no matahotra sy tia an' Andriamanitra,  rehefa mba mivavaka sy manampy ny olona.

Indray andro narary mafy ny mpanjaka. Nampiantsoiny tandampany sy ireo manam-pahefana rehetra ary ny zanany roa lahy:

"Izao no didiko, hoy izy, ny zanako faralahy no handimby ahy ary ny vahoaka rehetra ato amin'ny fanjakako aoka hanompo an'Andriamanitra".

Tsy ela taorian’izany dia maty izy.

Nony tapitra ny andro fisaonana dia nosorana ho mpanjaka i Faralahy. RAMIANTRA no anarana nentiny.

Tsy zakan’ilay zokiny, izay sady tsy tia no nialona azy izany ka lasa izy nankany amin'i Ragiay: governora masiaka tsy tia fehezina izy io, ka nitokana nampanjaka tena tao amin'ny faritra niadidiany.

Nony tafahaona izy roa lahy dia nikotrika hevitra ny fomba hamonoana an-dRamiantra  sy izay handrombahana ny fanjakana.

Fa raha ilay niresaka mangina ny tetika mahery vaika hampiasainy izy ireo dia indro nisy zazavavy tsara tarehy iray nihaino tao ambadikin'ny varavarana: i Minà io, zanaky Ragiay. Mahalala ny toetra soan’i Ramiantra izy ka mankasitraka azy.

Raha vao nahare ny hevitry rainy izy dia tapakevitra handeha haingana hampilaza an-dRamiantra. 

 

Nandeha roa andro izy sy ny mpanompony vao tonga tao amin'ny lemaka iray ahatazanana manangasanga sy miavaka ny fiangonana lehibe iray sy ny lapan'ny mpanjaka. Nohon’ny harerahana anefa dia tsy tafanika intsony ka nanapa-kevitra hatory teo ampototrin'ny tohatra miakatra ny amin'ny lapa.

Sendra nitazatazana teo amin'ny varavarankely indrindra Ramiantra no nahatsikaritra ireto olona matory eo amin'ny tohatra.  Taitra izy ka nantsoiny ny mpanompony mahatoky mba hampandroso azy ireo ao andapa.

Gaga ilay mpanompony nahita izany fihetsika feno fiantrana izany, satria notombanany fa olo-mahantra ireto vahiny. Nohon’ny fahalalany ny toetran’ny Ramiantra anefa dia tsy nisalasala izy nampandroso.

Nony nahita ny harerahany ny mpanjaka dia nasainy niala sasatra aloha vao notolorany sakafo teo amin’ny latabatrany.
Vao nifankahita anefa ireto zatovo roa dia avy dia toa samy raiki-pitia tany an'eritreriny tany.

Rehefa nahazo aina ilay zazavavy dia nanazava ny anton-diany tamin’ny feo mangovingovitra:

-Misaotra tompoko noho ny fampiatranonareo.

-Tsy misy isaoranareo izany! hoy Ramiantra. Fa iza moa hianareo azafady?

Natahotra mafy Minà ny hiteny satria mpifahavalo ny rainy sy Ramiantra. Nampitombo ny herimpony anefa ny tsiky sy ny hamiran’endrik’ity mpanjaka.

-Izaho moa, Tompoko no Minà, zanakavavin'i Ragiay governora. Mifona re! Aza dia atao ratsy izahay na dia fahavalonareo aza.

Nalahelo mafy azy Ramiantra ka hoy izy:

-Mangina Razazavavy fa izahay dia matahotra an'Andriamanitra tokana ka tsy haninona anao, aza matahotra. Tonga soa eto amin'ny tanananay fa lazao ny anton-dianareo aty?

-Misaotra Tompoko. Ny nalehanay aty moa dia ny mba hampilaza aminao fa Vitara rahalahinao sy ny raiko dia mitetika ny hamono anao ka mitsoaha haingana hianao sy ny vahoaka mpivavaka ary ento manaraka anao izahay satria tetika feno habibiana mety hamoizana aina maro no kotrehiny.

 -Fa nahoana? Hoy Ramiantra taitra

-Tsy te-hiverina any amin' i Dada intsony aho fa matahotra ny hovonoiny noho ny tsy nanekeko hanambady an'i Vitara zokinao sy ny nankanesako nampilaza aty. Haingana anefa fa efa andalana izay ry zareo.

Nifandinika haingana ny mpanjaka sy ny olonkendry manodidina azy, ka tapakevitra ny handeha mba tsy isian’ny ra mandriaka be loatra.

-Eny ary ry zazavavy, fa manaraha anay.  Hoy ity mpanjaka hendry.

Tamin'io fotoana io, tany amin'ny lapan'i Ragiay, dia efa vita omana handeha hanafika an'i Ramiantra ireo vatan-dehilahy maherisetra maro nokaramainy omban-t soavaly sy kalesy.  I Ragiay sy Vitara no nialoha ny mpanafika.

Mandritra izany fotoana izany dia efa voaangona ny loholona sy ny tandapa ary ireo atahorana ho vonoin'i Ragiay sy Vitara.  Ary efa nahazo baiko hiainga ny miaramila.

Alohan'ny handehanany dia niara-nivavaka farany tamin’ ireo vahoaka tia azy izy, dia ireo izay mivavaka ary matahotra an'Andriamanitra mba hitahian'Andriamanitra ny diany, hiarovany ny taniny sy ny vahoaka. Tsy adinony koa ny nivavaka ho an’ireo fahavalony.

Rehefa vita ny fotoam-pivavahana ka hisaraka dia tsy nanaiky ireo vahoaka sy ny loholona ary ny mpitondra fivavahana fa hanaraka an-dRamiantra sy ny tandapa ary ry Minà. Olombitsy foana no tavela fa tsy nahafoy ny tananany.


 Nony afaka kelikely dia indreny mitanjozotra ho any amin'ilay ala iray lehibe ireo olona betsaka. Andia-miaramila no nitari-dalana sy namarana azy.

Nandao ny fanjakany Ramiantra . Tsy nitsahatra ny miherika ity mpanjaka no velon-tsetra hoe : “Veloma ho mandram-pihaona ry renivohitra malalanay, mbola hifankahita isika indray andro any “.

Nony afaka telo andro sy telo alina dia tonga tao anivon’ity amin'ity ala lehibe iray ikorianan’ny reniranobe ry zareo.

Be voankazo sy sakafo ary voninkazo isan-karazany mahate-honina ilay toerana, no tsy nahitana biby mampatahotra. Rehefa avy niala sasatra ny rehetra dia nanomboka nanorina trano sy lapa ary fiangonana tamin'ny hazo sy ravina. Ny saina no nampiasainy ka nahitany ireo hevitra maro hahatotosa ny asa.

Niara-nisikina miaraka amin'ny olona ny mpanjaka, ary nandray anjara tamin’ny fikapana hazo sy ny rafitra.

Mandritra izany fotoana kosa, dia tonga ao antanandehibe ireo tafika notarin'i Vitara sy Ragiay. Gaga foana nivantantana tanana mangina sy lapa foana. Faly izy ireo satria azony avy hatrany ny fanjakana. Tsy ny tao antsainy fa ny tsy fitiavan-dRamiantra ra mandriaka vokatry ny ady no nialany fa tsy tahotra velively. Tezitra mafy tamin’i Minà koa izy ireo nony henony fa izy no nampiomana an-dRamiantra hitsoaka toy izao ka tsy maty.

Nantsoin' izireo ny vahoaka sisa tavela hanaiky an’i Vitara ho mpanjaka. Ragiay natao mpanolo-tsaina. Nasondrony ho miaramila ireo vatandehilahy maherisetra voaangony.

Nony lasa mpanjaka i Vitara dia tsy nitsahatra niady hanitatra ny fanjakany. Nataony andevo ny mpitondra fanjakana tany amin'ny faritany manodidina. Hany ka nijaly tokoa ny vahoaka. Tafaraka ireo ratsy toetra roalahy ka maro ireo mpivavaka no novonoina ary nodorany ny fiangonana lehibe.

Noteren-dRagoay hanambady an’i Vitara Rita zokin’I Minà.

 

Toy ny nofy sisa ny fandriampahalemana nanjaka tao amin’ny firenena!!

Tany anala kosa, nandroso ny asa, nandry ny tany satria ny herin' Andriamanitra no miasa.

Mipetrapetraka miresaka sy nitafa no amaranany ny andro isankariva.

Tamin’izany dia namoaka sosokevitra ny loholona iray hoe:

-Tsara re, ray olona raha manana mpanjaka vavy tia antsika isika.

-Eny ary, hoy i Ramiantra, ka ahoana ny hevitrareo, ary mba iza no eritreretinareo?

-I Minà no eritreretinay, hoy ireo vahoaka niara-niredona.

Tankina tsy nahateny i Minà sy Ramiantra, samy faly izy ireo ka mirana ny tarehiny.

Nifaly dia nifaly tokoa ny vahoaka tao an'ala ny ampitso. Tapakevitra handefa iraka hividy ny kanokanona sy sakafo any an-drenivohitra hikarakarana izay hahatomombana ny mariazy ny loholona.

Fa izy roa mpifamofo kosa navela nitsangatsangana tany an-tsaha tany hifankalala toetra.

Naka toerana teo amoron’ny renirano izy ireo, no nivaky ny fitiavany Ramiantra:

-Faly loatra aho, ry Minà malalako, fa vao nahita anao aho dia tia anao.

-Izaho koa toa izany, hoy Minà, fa mbola tsy nahita anao aza aho dia efa tia anao nandre ny hatsaram-ponao.

-Izany tokoa ka lahatra, hoy Ramiantra, fa aoka aloha isika hisaotra hivavaka.

-Eny ary e! Hoy Minà:

Nandohalika Ramiantra:

"Ray ! Misaotra anao aho nomenao fahendrena sy ity fofombadiko ity, hiara-mitantana sy hampandroso ny firenena miaraka amiko, ampio izahay mba hanan-taranaka sy hifanantitra eo anatrehanao". Amen.
Rehefa vita izany dia naka fehezam-boninkazo manitra izy natolony an'i Minà. Feno hamiranana ny salovantavan’izy roa.

Gaga sy tafapetraka ireo nirahina niantsena nony nahita fa may ilay fiangonana lehibe fivavahany. Tsikaritr’ireto miaramila ambany indrindra roalahy ny alahelony, hany ka voavinaniny avy hatrany fa isan’ireo mpandositra izy ireo.

 

 Nozohiany ny diany nony niala ny nanana  ary narahiny hatrany amin’ny fonenany mihintsy. Talanjona izy roalahy nahita tanana mahafinaritra sy vahoaka marobe miara-paly tany anivon’ny ala tany. Izay izy ireo vao nihazakazaka niverina haingana nitatitra tamin'ny mpanjaka Vitara ny vaovao hitany.

Fantatry Vitara avy hatrany fa Ramiantra sy Minà ary ny vahoakany ireo. Saingy tsy sahy nanafika tany izy nohon’ny fahafantarany ny fandrika mety hanembatsembana azy any anala fa tetika hafa no nokotrehiny hahitany ny lalana mankany.

Nitady vola fankasitrahana izy roalahy mpitsikilo. Noho ny hahihirany anefa dia tsy nahamenatra an' i Vitara akory ny namono tamin' ny sabatra azy ireo ary nariany ny fatiny.

Fotoana fohy tato aoriana dia nankalazaina ny mariazin’i Ramiantra sy Minà. Hafaliana izao!! Horakoraka nanakoako no re tao an'ala rehefa vita ny fanamasinana ny mariazy.

Endrey izany Minà amin' ny akanjo mirebareba sy tsara tarehy ary mitrotro bitrokely, misatroka diadema ravina. l Ramiantra kosa manao ny akanjon'ny maha-mpanjaka azy sy diadema ravina koa ary misakambina an'i Minà sady mandehandeha izy ireo.

Tamin ' io koa tany an-tanana dia niteraka mpianadahy kambana Rita zokin'i Minà, zanan'izy sy Vitara izay vadiny.    


TOHINY fizarana faharoa --->

Miverina eny ambony

 


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-