SEHATRY NY ANKIZY

FADY MALAGASY

FAMPIDIRANA:
Samihafa ny atao hoe : fady  sy ny fomba.

Ny FOMBA dia zotram-piainana andavanandro,  tokony atao fa tsy misy fiatraikany na loza aterany. Miankina amin’ny toerana onenana: toetrandro, lalana mifehy ny fiarahamonina sy ny  toetsaina nanabeazana.

Ohatra: fomba ny miala satroka rehefa mifanena amina razana. Fomba ny manome jaka na fanomezana (akoho indrindra) raha naha-foy hehy zazakely.
Ny FADY na FALY kosa dia lalàna sy fitsipika tsy azo dikaina fa mahatonga loza efa voafaritra mialoha ny ankamaroany. Fanoavana  sy fanarahana anjamba, na misy fototra ijoroana na tsia ny lalàna navelan’ny razana ary ampitaina amin’ny taranaka. Izany hoe rohim-pifandraisana eo amin’ny velona sy ny maty.
Ny fanarahana ny fady dia finoana ihany koa ny loza mety ateraky ny fandikana azy: manota fady. Fomba fiteny : « Izay mankahatra fady miantso loza ho an’ny tenany ».

Misy kosa ny alafady raha sendra nandika izany.

Raha mivahiny dia fomba ny manotany ny fadin-tany  sao manota fady.
-Azo aminavinaina ny fototra  na ny faritra niaviana olona iray ny fahalalana ny fady arahiny. Ny olona tsy mihinana omby tsy misy tandroka dia mety avy any Alaotra izy.

Ny manodidina ny  fahafatesana  ahitana ny tena hasarotry ny fady: fandevenana, famadihana.
-Misy fomba fitenenana hoe : «Ny biby no tsy manampady », na koa : «Ny olona tsy omby aman'ondry, fa ny olona manam-pady »
Misy anefa  sokajin’olona afaka  manome tsodrano manafoana ny fady : mpanjaka, zokiolona indrindra ao antanana, ray amandreny, ny mpanandro sy ny mpisikidy.

FISOKAJIANA AMIN’NY ANKAPOBENY NY FADY 

Ny olona iantefany

Ohatra

Mety ho antony sy  loza aterany








Fady iombonana

Manjehy ankizy
(mandrefy amin'ny zehy)

Tsy mampitombo azy

Mifanambady havana akaiky

Miteraka sampona

Matory mianatsimo loha

Ny mpamosavy matin’ny tangena no alevina mianatsimo loha

Manambady biby

Manakilasy tena toy ny biby

Antambahoaka : fady mitaiza kambana

Tantara eo ambany jereo *

Fady ny miherika mitondra  tranon-jaza

Mahanjola zaza

Fady ny mamadika amin’ny isa ankasa

Isaky ny isa tsy ankasa ihany no amadihana : 1-3-5-7 taona

Manao tanisa antrano

Mamparofy reny

Misioka amin'ny alina

Miantso lolo (matoatoa)

Mandevina atalata na alakamisy

Talata gorobaka, alakamisy misy: Miantso fahafatesana



Fadim-pianakaviana

Tsy mihinana fody

Tantara nolovaina *

Fady osy : ao ny tantara nolovaina, anisany ity*

Misy koa foko mahita fa biby sampona io : ny tandrony toa omby, ny tongony kisoa ary mivolombavan’antitra

Mamono railovy sy vorondreo 

Efa vitsy izireo




Fadin’ny tsirairay na vondron’olona vitsivitsy

 

Ny Mpanjaka malagasy rehetra: fady homa-maizina. Tsy maintsy mahavita sakafo hariva alohan'ny iletehan'ny masoandro.

Noho ny toe-pahasalamana dia misy fady arahin’ny tsirairay mifanandrify amin’izany. ohatra fady makamba fa mangidihidy raha vao mihinana ireny.

Vehivavy bevohoka
-Tsy manao sakamalaho ampaosy sao hanana rantsana 6 ny zaza
-Tsy mihinana amin’ny sotrobe fa mety ho bevava ny zaza
-Mandika landim-boatavo : misadika ny tadimpoatran-jaza

- Olona naka ody varatra tamina mpanandro: fady anatsipolitra sy tongolo lay gasy

-Mpitahiry ody:  fady lambo, tongolo lay, osy.

       

 LAFITSARAN’NY FADY :
1-Fomba iray azahoana misoroka loza mety mitranga :  fady miampita rano amina toerana iray : misy ranomody ao na bilarziaoza.

2-Nataon’ny ntaolo handrindrana ny fiarahamonina :  toerana tsy azo anaovana maloto; toy ny lakandranon'ny pangalana.

3-Fitsipika  tian’ny razana hampitaina ho fanabeazana: tsy nihinana vodiako ny zandriolona raha misy zokiolona eo fa maha-banga sy kizo fara : fanajana ny zokiolona. Tsy mifandrora fa lasa misy anakandroana.

4-Porofom-pitiavana ny fanoavana ireo niaviana tany alohabe tany.

5-Fiarovana ny tontolo iainana : fady ny mandoro zavamaintso fa mahafaty tanora.

5-Misy ny fady natao hiarovany amin'olona hafa atahorany:

-Ranomasina fady merina, fa izay mandika izany dia maty andrano.

-Vohitra na toerana masina fady iakaram-bazaha toy Ambohimanga fahiny.

LAFIRATSIN’NY FADY :

1-Lasa vesatra amin’ny fiainana andavanandro ny fady ka mivadika ho tahotra:

-Misy andro tsy azo iasana na andraisana angady.

- Fady mihinankanina fotsiny izao.

-Manetsa sabotsy, mahatonga havandra.

-Fady ny  mandevina atalata satria talata gorobaka.

-Fadin’ny tanora ny mamboly hazo sao folaka andatony.
2-Lasa fitaovan’ny mpanandro sasany entina handemena olona sy fitaovam-pisolokiana ny fady : fombafomba mila vola ho alafady.
3-Azo adika fa finoanoampoana ny fady sasany.

TANTARA LOVAN-TSOFINA VITSIVITSY:

*Fianakaviana fady mihinana osy: Rainialy izany hono niompy osy. Nanambahiny izy ka  tapakevitra hahandro iray. Rehefa tena hanary aina ilay osy dia nibarareoka hoe : Lozan’ialahy Rainialy, lozan’ialahy Rainialy. Ny alin’iny dia maty izy rehefa avy nanafatra ny taranany tsy hihinana osy intsony. Hatramin’izay dia fady osy ilay fianakaviana.

*Fianakaviana fady mihinana fody: fahiny ela hono nisy mpianaka hody avy nanao dabokandro (mivarotra omby). Nahatazana telolahy nihalohalo lavidavitra izy. Niverindalana izy mianaka. Fantany fa mpandroba ireo. Nanenjika avy hatrany izy telolahy. Nahita bozaka avo (vero) rangahy dia nitsofoka niery tao. Gaga ireto nanenjika fa nanjavona ireto karohina. Tsy maintsy eto manodidina eto ireny,  hoy ireo, fa andao savaina.
Ny nahagaga nisy andiana fody nipetraka tambonin’ny vero. Rehefa nahita ny fody ry zareo dia hoy ny iray : « tsy etoeto mihintsy ny niafenan’ireny matoa ny fody mipetraka eo ».  Dia nandroso nitady indray . Rehefa henony tsy niresaka intsony dia nivoaka moramora izy mianaka, niolomay nody tany antananany.
Hatramin’izay tsy nihinana fody intsony ny taranany fa ireny no nanavotra ny razany taloha ela.

*Mananjary-antambahoaka tsy mitaiza kambana.
Fahiny hono, tany amin’iny faritry Mananjary iny miady antrano ny samy foko. Raikitra ny fanafihana. Nisy mpivady niteraka kambana. Nohon’ny fahamehana dia adino ny zaza izay. Tapakevitra ny rainjaza hiverina haka io zaza io. Tratran’ny mpanafika anefa izy  ka novonoiny maraka amin’ilay zaza kambana.  Niozona ny mpanjakan’ny foko  fa tokony fadiana ny mitaiza kambana fa mitondra loza.


ALAFADY : 
Vola tsy vaky , hazomanga
ALAFONDRANA na ALAONDRANA:  fitsofandrano  amina olompady lasa  nivady : Vonoina ny omby, tapahina ny lohany dia apetraka eny amin’ny rambony. Endahina ny hodiny. Mandritra  kabary ifamaliana dia rakofana iny ireo nivady ho marika fa efa nitondra tena toy ny biby.
A
ERITRERITRA MIPETRAKA: Tsy hadalan’ny malagasy akory ny tsy mandika fady, satria misy trangan-javatra tsy azon’ny saina eritreretina mitranga indraindray raha minia mandika ireny fady ireny;  tsy fantatra ny zavamiafina ambadiky ny hitantsika izao sy ny  fifanandrifian-javatra.  Ka maro  no  manaraka hatrany ny fadin-tany sy fadim-pianakaviana.