SEHATRY NY ANKIZY

HABE mendrika

 

NY VAHANA NA HABE ARAM-PAHASALAMANA
VAHANA na HABE ARAM-PAHASALAMAN
  VAHANA na HABE ARAM-PAHASALAMAN




            Ny REFY (sm)



                Ny LANJA (kg)

   

   

   
   

 

 

Samy manana ny fomba fijeriny ny firenena tsirairay momba ny lanja.

Amin-tsika Malagasy dia matetika fanombanana ny  olo-miadana sy ny olo-mijaly izany.
Ny vady botrabotra ohatra dia deraina fa miadana antokatrano.

Ao koa ny fitenenana hoe: “sady taviny no volony”: entina ilazana ny tonga lafatra; na koa ny hoe:”Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy”.
Tsy vitsy amin-tsika malagasy no tsy ampy lanja nohon'ny tsy fahampiantsakafo. Mora andairan'ny aretina ny zaza na ankizy mahia.

Na izany aza dia tokony tsy atao ambanin-javatra fa misy fiankinany betsaka amin'ny fahasalamana ny lanja, ka tokony ho mailo ny tsirairay raha mahia loatra na matavy loatra koa.

Ka nahatonga ity fandrefesana  ity itsikilovana ny lanja tokony ho an’ny tsirairay araka ny halavany ka isorohana ny voka-dratsy aram-pahasalamana.

Dia ny  « INDICE DE MASSE CORPOREL (IMC) »na antsoina koa hoe : "indice de

Quételet".

 

IMC=lanja (kg)/halavana sm2



Ny fanazavana ny tarehimarika :

IMC =kg/cm2

FANAZAVANA

INTERPRETATIONS

Latsaky ny 15

Mosary

Famine, malnutrition

15-18,49

Mahia

Maigreur

18,50-24,99

Antonony

 normale

25-29,99

Botrabotra

surpoids

30-34,99

Matavy antonony 
Kilasy I
 

Obésité moderée
Niveau I

35-39,9

Matavy
Kilasy II

Obesité severe
Kilasy II

Mihoatry ny 40

Matavy loatra
kilasy III

Obesité morbide
Niveau III

Fanamarihana:
 1-Famaritana iraisam-pirenena no aseho eto, izany hoe raha adika: "indicatif" ihany satria miankina indrindra ny fahasalamana no namaritana azy.
2-Raha fakafakaina kosa ny antonony amin-tsika malagasy dia ny botrabotra no ataon-tsika hoe antonony na ny "
surpoids".
3-Tsy mitombina kosa anefa io fanazavana io amin’ny ankizy andalam-pitomboana sy ny vehivavy bevohoka ary ny olona bokon’hozatra.
FANAZAVANA NY IMC AMIN'NY ANKIZY:
-PEJY MITOHY ETO 

Ny antony mahatonga ny ankizy hitombo lanja dia tsy ny sakafo anelanelam-potoana sy tsy mifandanja ihany, fa indrindra ny fahazaran’ny ankizy mipetraka an-trano mijery fahita-lavitra na diso mizaha  solosaina loatra na koa ny variana eo amin'ny "Console de jeux"; ka tsy manampotoana mampiasa ny vantany amin’ny dia tongotra sy fanetsiketseham-batana samihafa.

Aretina azo raha tsy ampy lanja:

-Raha ankizy dia atahorana ho lasa kely reny na kely ray raha lehibe.

-Mety misy aretina mikotrika mitaiza ilay zaza.

-Mora andairan’aretina ny ankizy mahia sy malemilemy.

Aretina azo raha mihoatra ny lanja:

-Ny lanja no mihoatra dia nohon’ny tavy, ireny tavy ireny miely eraky ny vatana mitarika aretina maro toy sepotsepotra: tsentsin’ny tavy ny tratra; ny tavy any amin’ny fitaovam-pananahana dia mety tsy hampiteraka.

-Aretimpo

-Diabeta

-Aretin’andoha mafy sy zary mitaiza ( céphalées sévères chroniques )
-Homa-miadana na cancer.