SEHATRY NY ANKIZY

Fantatrao ve?

 

ISANKARAZANY TONTOLO MALAGASY ZAVAMANIRY
Karazany Illusion optique Olana-vahaolana


1-Voatonona ao amin’ny baiboly ankabeazan’ireo biby mifanerasera amintsika  toy ny omby, kisoa , alika, ondry, osy, soavaly eny ny voalavo aza, afatsy ny saka !
2-Osa ny sakakely vao teraka: jamba, marenina ary tsy mahahetsika ny tongony afara. Mivoatra miandalana izany; afaka 25 andro dia mahita tsara  izy, fa 2 volana vao arifenitra.  14 andro: afa-mandeha sy mandre.  Ny fahitany maizina dia ambony nohon’ny fahitan’olona. Nefa raha tena maizinabe tsy hitany. Hita amin’ny fasan’ny mpanjaka sy olona ambony tany Ejipta miara-maka sary (-2000 talohan’ny Jesosy - Kristy

2b-Ny fon'ny makamba (crevette) dia ao amin'ny lohany? 

3-
Ny jirafy dia afaka manasa ny sofiny amin'ny lelany. Mahatratra 40 sm na hatrany amin'ny atsasametatra ny lelany . Isan'ny biby avo eto antany satria mety mahatratra 5 mahery ny hahavony noho ity tendany sy ny tongony lava dia lava  Maherin'ny 50 km/ora ny fihazakazany.

4-Ny karazana kalamara atao hoe "calmar geant" no be voamaso indrindra eto antany, mahatratra 40 sm ny ny hateviny.

5-
Ny « etoile de mer » dia tsy misy atidoha. Raha tapahina ny ratsany dia tsy maty fa mitsiry.

6-Afaka mibata entana  50 heny mihoatra ny lanjany ny vitsika.

7-
Ny elefata dia tsy mitsaha-mitombo mandritra ny fiainany, izay lehibe indrindra no antitra indrindra.

8-
Ny lela no nofo (muscle) matanjaka indrindra ao amin'ny  ny olombelona.

9-
Ny trozona atao hoe “cachalot” no trozona be atidoha indrindra eto antany. Mahatratra 9 kg. Io trozona io no tantarain’ilay boky hoe “Moby Dick” na “ilay anti-dahy mpanjono andranomasina” na "Le vieil homme et la mer".

10-
Ny skarabe na ditiky  karazana voangoribe maintibe, no biby matanjaka indrindra eto antany,(hita matetika rehefa misy sarimihetsika “momie” any Ejipta ireny ary nataony hoe Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiainana). Mahatarika entana 850 heny mihoatra ny lanjany.

11-Ny horinta (pieuvre) dia manana fo roa na telo.

12-Ny ran'ny horinta dia manga.

13-Ny trozona manga na baleine bleue no biby lehibe indrindra eto antany, mahatratra 75 -130 na 190  taonina  aza ny lanjany ary 20-34 m ny halavany

14-
25-Ny aotrisy no vorona izay roa monja ny ratsa-tongony. Izy irery koa no vorona tsy mba afa-manidina, nefa afa-mihazakazaka hatramin’ny 70 km/ora. Vorona lehibe indrindra. Miaina hatrany amin’ny 40-70 taona. Be maso ka ny voamasony dia lehibe nohon'ny atidohany.

15-Ny gepara no biby mahery mihazakazana indrindra eto antany. 60 km/ora ary mety mahatratra 110 km/ora rehefa tena manapatra ny heriny.

16-Ny elefanta no hany biby misy tongotra tsy mahay mitsambikina eto antany.

17-Kely avokavoka na tsy misy mihintsy ny sahona sy saobakaka. Ny oksigena ao amin'ny ny rano no trohin’ny hodiny ahafahany miaina. Tsy mila misotro rano ireny biby ireny fa ny hodiny no misotro rano.

18-Manatody hatramin’ny 10 ny akoho vao  mikotrika.  Ny voromailala kosa 2 ihany ny atody kotrehiny, izay lahy sy vavy matetika. Mitovy amin’izany koa ny “pingouin".

19-Miaina 3-7 taona araka ny karazany ny sifotra (escargot). Ny vazaha dia mihinana sy mankafy azy lafobe ery.Mahatratra 10  taona mahery raha ompiana. Mahaliana fa afaka matory mandritra ny 3 taona izy ireny. Ny manonofy azy dia mety midika fa maniry anaty te-hanana taranaka.

20-Nouvelle-Zélande no hany tany  tsy misy bibilava sy maingoka. Tany nipoitra vokatry ny fipoahan’ny volokano izy ireo fa tsy vokatry ny fivakisan’ny tanibe, ka tsy tongan’ireo biby,hoy ny mpandinika.

21-Radama I no nampiditra ny soavaly voalohany teto Madagasikara tamin’ny 1820 tany ho any.   Mahita maizina izy ireny ary mahay manimbolo. Afaka mihazakazaka 50-70 km isan'ora.

22-Ny  mpanjakan’ny tantely no manatody.Ireo tantely lahy hanome zanaka  azy  dia maty avy eo. Mahazo tahiry amin'ireo izy ahafahany manatody mandritra ny fiainany. Mahatratra 1500 isanandro ny atodin'ny mpanjaka. Maty ny tantely rehefa  avy manindrona olona. Ny ranotantely no hany sakafo tsy mety simba eto antany. Afa-miaina 4-5 taona ny mpanjaka, ny sisa kosa dia 4-5 volana. 

 23- Ny  kalamita na “nephila madagascariansis” dia hala tsy misy afatsy eto Madagasikara. Tsy miloko fa mangarahara  ny RAn’ny  hala rehetra "hémolymphe" no iantsoana azy. 8 ny mason'ny hala na ny kala amin'ny akapobeny.

24-Ny kankana dia tsy manana maso  fa ny hazavana no mitarika azy. Tsy manana avokavoka fa ny hodiny no ilaina mando isihifany ny rano ho oksigena. Manana fo maromaro  5 na 7. Sady lahy no vavy  nefa mila mifanambady ihany vao manana taranaka. Raha tapahina 2 izy, ny tapany aloha misy ny vavany dia mitohy fa tsy maty. 

25-Manan-dela ny voay sy ny mamba fa miraikitra amin'ny lanilaniny io fa tsy afa-mivoaka: natao handrenesany tsiro fotsiny . Mamoaka feo (mitovitovy amin'ny alika ny feon'ny lehibe) sady afaka mifampita resaka. Afaka miandry remby 5-6 volana tsy mihinana. Manatody. Manana nify 60-70 ary raha miongotra ny nifiny dia misolo, mahatratra an'arivo ny nify mifanololosolo. Velona 70-100 taona. Biby tsy mba matory fa mikipy fotsiny, raha sendra matory dia 7-8mn isanandro ihany no faharetany.

26-Ny kisoa no biby tsy mba afaka miandrandra, voajanahary amin'ny firafitry ny taolany Tsy mba tsemboka izy ireny ka izany no mahatonga azy mitsikasikasina anaty rano na fotaka raha vao  mafana. Ny henakisoa no be mpihinana indrindra eto antany, ny rononony anefa tsy misy mpisotro toy ny biby fiompy hafa!!

37- 8 JONA: andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny  ranomasimbe. Fampahafantarana ny hasarobidiny amin’ny fiainana sy fampahalalana fa mihasimba tsikelikely ny tontolony ka mihavitsy tsikelikely ireo biby, trondro, akora, zava-maniry.. tehiriziny.
Ny 71% ny gilaoba dia ranomasina (ny tany 29%). Ny sira ao aminy 30-40g/kg. Isan'ireo arovana fa mihalany tamingana ireo sokatra andranomasina 5 karazany  ananan'ny Madagasikara


(tsindrio ny sary)

28-Tsy misy nify ny sokatra, mafy sy maranitra ny lani-laniny anapahany sakafo. Biby manatody. Isaky ny mandingana vanim-potoana iray dia mitombo ny isan'ny tsipika amin'ny kirany iray,ka azo vinaniana ny taonany satria amin'ny akapobeny dia mifanentana amin'ny taona iray izany. 0,25 km/ora ny fandehany. Biby antitra indrindra eto antany. Ny sokatry Mada- gasikara: "tortue étoilé" no lohalaharana amin'izany: 230 tapitrisa taona

29-Ny  2/3 n’ny karazan-tanalahy eto antany dia hita eto Madagasikara. Biby miavaka amin’ny halavan’ny lelany 1,5-2 heny ny halavan’ny vatany. Kinga sy malady io lela io rehefa haka ny haza: 5m/s. Ny masony roa dia afaka mijery zavatra samihafa, ary afaka mijery any aoriana rehetra any. Miovaova ny lokony maka tahaka ny lokon’ny manodidina azy, miova koa anefa io loko araka ny fihetsehampony: mivadika mena na volom-parasy izy raha tezitra ary maintso manopy manga raha tony. Avy amin’ny teny grika hoe chamai (eto antany) sy leon  (liona):lion’ny tany.

30-Ny « dauphins » dia miteraka sy mampinono mandritra ny 6 volana farafahakeliny. Mifankalala ny mpihavana ary mifanampy izy samy izy. Tsy maintsy misy vavy roa manampy ny reny rehefa miteraka sady miaro ny zanaka tsy ho lanin’ny atsantsa.  Manana  avokavoka fa tsy toy ny trondro. Ka izany no tsy maintsy iakarany ambonin’ny rano miaina. Afaka tsy mifoka rivotra mandritra ny 10-15mn any anaty rano izy. Ary matory tsy lalina loatra fa miakatra miaina mazàna.

31-Ny kangoroa dia sokajin’ ireo biby “marsupiaux”: mbola tsy tena ary ny taovany dia efa teraka izy ireny (tsy tonga volana hoy isika). Vao 5 herinandro ankibo izy dia teraka , mirefy 1-2,50 sm ny (kely nohon’ny akihikely), milanja 0,75 gr.  
Ao anaty paosin’ny reniny mamita ny fitomboany. 5 volana vao atrangany tao ny lohany, ary 8 volana vao sahy mivoaka tao izy saingy mitapody avy hatrany raha vao misy loza atahorany.
5 ny ratsantanany. Any Aostralia sy “Nouvelle-Guinée” no ahitana azy. min'ny akapobeny dia 1m50 ny halavany rehefa lehibe ary afa-mitsambikina  lava 23 m sy haavo 3m.

32-Renina tantely 250 000 ny mpanjakan’ny tantely iray, izany hoe manatody isaky ny 45 segondra   izy.
Afa-miaina 5 taona izy fa tsy 5 herinandro toy ireo tantely hafa. Voninkazo 7500 eo no tetezin’ny tantely vao mahazo ranontantely 1 gr izy ary mahavita 7 gr  izy mandritra ny androm-piainany .
Raha voatsindrona tantely: esorina ny tsilo vao osorana tongolo “gros oignon”, raha tsy izany dia izay zava-maniry maintso toy ny  poarô, bozaka sns.

33-Ny reni-liona ihany no mikarakara ny zanany fa ny rainy mitady hamono azy ireny aza indraindray.
Miara-mivondrona ny lionavavy miaro ny lionakely amin’ny fahavalo sy ny liona lahy.
Rehefa noana ihany anefa ny liona vao mamono, amin’izany izay biby sendra azy dia enjehiny. 
34-Ny trozona dia voakilasy amin’ny biby mampinonon-dranomasina (miteraka). Ny karazany atao hoe : trozona manga (baleine bleu) no lehibe indrindra amin’izany kilasy izany.
Ahitana karazana trozona maro eto Madagasikara.
Vao teraka izy dia milanja 2,5 - 3 taonina, mirefy 7 m. Mahalany ronono 300 litatra isan’andro ilay zaza. Minono mandritra ny 7-8 volana.
Isan’andro dia mitombo 100 kg ny lanjany. Ary mitombo 1m ny halavany ao anatin'ny volana iray. Mirefy 20-35 m rehefa lehibe ary milanja 100 -190 taonina. Mamoaka rivotra hatrany amin’ny 15 m ny trozona rehefa miaina

35-Ny mahasamihafa ny bitro voalavo (cobaye , cochon d’Inde) amin’ny bitro sy ny voalavo dia:
1-Tsy misy rambony ny bitro voalavo
2-Misy volo avy hatrany izy vao teraka sady mahiratra ny masony no matanjaka. Ela kokoa mantsy ny fotoana ijanonany ao ankibon’ny reniny, 60-75 andro eo ho eo arakaraka ny isan’ny zaza entiny: raha 2 ny zaza dia ela kokoa no teraka, fa raha mihoatra 4 na 5 dia mivoaka haingana fa tsy omby ny kibony daholo. 31 andro kosa ny an’ny bitro ary 21 andro ny voalavo: ny bitro sy voalavo dia sady tsy misy volo no jamba no osa tanteraka vao teraka.
3-Ora vitsy aorian’ny ahaterahany dia efa misakafo izy manampy ny nonon’ny reniny

36-Mizara roa ny trozona (baleine)
1- Ireo misy nify: mety mahatratra 10kg ny lanjan’ny nifiny iray,toy ny biriky fanaovantrano ireny ny habeny; dia ny nifin’ny “cachalot” izany.
2-Misy ireo tsy misy nify fa manolo azy dia zava-mafy toa karazana fihogo miendrika tsofa matevina (fanons): misotro rano be dia be izy, avoakany ny rano , ny hazandrano madinika rehetra kosa voafandrika tsy afaka mivoaka dia haniny.

37-Ny tigra dia biby tsy hita raha tsy any azia ihany: tsy misy io biby io ao afrika.
19 taona eo no faharetan’ny andro-piainany.
Nisy karazany 8 ny tigra saingy 5 sisa ny karazana misy ankehitriny.
Araka ny fanisana dia 7000 monja ny isan’ny tigra eto antany. Ny liona sy ny pantera kosa dia sady hita any azia no atsy afrika
.
      
 

 Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-



Miverina eny ambony