SEHATRY NY ANKIZY

TETSYsyTEROA

TETSY sy TEROA

Niresaka ireto roalahy, ny iray minisitra, ny iray tompo-na orinasa ngezalahy.

-Tena mampijaly ahy ny zanako rangahy ity fa tsy misy diploma azony, hoy ity tompo-na orinasa. Mandany vola loatra. Tsy fantany ny fikelezako aina nahampanakarena ahy toy izao? Azonao atao ve ny manome toerana ao amin’ny ministera ao izy.

-Tsy misy olana, ataoko mpanolotsaina ahy  izy, na ho mpanolotsaina ny repoblika mihintsy aza, ary handray vola mihoatry ny bac+12 mihintsy.

-Tsy mety izany ka! Tiako hiasa mihintsy izy mba hahatsapany fa ny miasa no tokony hahazo vola.

-Hamorona servisy vaovao ary aho dia ataoko sefo ao izy raha izany:  servisy internety ohatra na servisy sipervisera, mazava ho azy fa afindrako any ny sekretera sasany efa za-draharaha. Tafakatra an’hetsiny maro mihintsy ny karamany amin’izay, ny fiara sy sofera manginy fotsiny. Izay no mahapinamana ange e.

-Tsy tiako loatra izay Rangahy fa aleo ambanimbany kokoa, hahatsapany fa mila miasa toy ny olona izy fa tsy hamantam-potsiny.  Nahoana raha raisinao mpiasa birao tsotra na sekretera na dia mandray karama farany ambany aza.

-Tsy tafavoaka raha izany, ireo toerana anie ilaina olona mahay vita fianarana sy manana diploma e.


  Nisy ady ara-toekarena goavana, resy ka maty ripaka ny ankabeazan’ny ariary. Lasa niakatra any andanitra daholo ny ariary rehetra. Tafiditra tsy nisy olana ny 100 ariary sy ny 200 ariary. Nanomboka nisy ny sivana teo amin’ny 1000 ar sy 2000ar. Ary indrisy moa fa nolavin’ny anjely tanteraka ny iray alina ariary sady nasainy nodorana any amin’ny afobe mihintsy teo no eo.
-Nahoana loatra re anjely, izaho no mizara anie ireny 100 ariary ireny, inona no heloko. Hoy ny fidradradradrany.
-Tsy any no olana, hoy ny anjely, tsy mpiditra ampiangonana loatra ianareo 10000 ariary mianakavy, ny bokotra aza betsaka noho ianareo rehefa rakitra.  Any amin’ny toeram-pilokana sy ireo  be masikita fanao tsaki-toaka ary  lanonana feno setro-tsigara no mahavariana anareo .

Nifanena ity vadina vazaha sy ramatoa malaza ho be resaka. Miteny anie izany Ramatoa sady arahina fihetsika daholo.  Ny zavatra notrotroin’ilay ramatoa aloha no noraisiny voalohany. 
-Andao isika hiara-manao shopping rehefa malalaka ianao e! omeko anao ny nimerao portablako.  Blabla bla.  
Dia mitohy ihany sady mikapokapoka: 
-“Hafa ihany ny zanakareo manambady vazaha itony aky an!, malambolambo mandina ery ny hodiny ,  ny masony sy ny fihodirany aloha dia rainy aho e, Fa ny sisa manaha-dreny, tsy very mihintsy ny avy aminao ka dresy e leretsy!.  Antsoy aho hitaiza raha sahirana ianao e, izany no maha-namana . Mahafatifaty mihintsy ka dresy e leretsy. Bla blab la. Ity tana-keliny e! 
-Ramatoa ity ve adala e!
Alikaho entiko mamonjy veterinera io. Ka manaha-dreny aho manaha-dreny.
"Hay ve ry tovolahy, nanizingizina teto amin'ny fitsarana hianao omaly fa tsy mahalala na efa nihaona tamin'ity tovovavy ity. Anio dia mitsotra ianao fa efa hitanao izy, fantatrao hatramin'ny trano onenany, ny anaran'ny ray amandreniny koa. Hilaza ihany ka mandany andro ny vahoaka, afaka mitohy izany ny fanadihadiana." 
Nitakoritsika ny vahoaka: inona no nampiova hevitra ity tovolahy toy izao? nenjehin'ny eritreritra angamba, ka nibaradaka ny marina rehetra!
-"Ny nahalalako ireo rehetra ireo anie, mpitsara dia tamin'ny fitsarana omaly, ary omaly no nahitako voalohany ny tovovavy sy ny aminy rehetra, rehefa noteneninao teto sy tamin'ny dossier ny momba azy rehetra, dia mba nangitikitika ny saiko"

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement