SEHATRY NY ANKIZY

Mitsiky 2

1-Tenenin'ny olona foana ny reniben'i Kelilahy
-Mbola tsy dia antitra re hianao ramatoa ka mba mba manaova moderina ihany,  fa aza anaovana aloha itony satrokabe sy akanjo tohitenabe itony.
Tonga saina i ramatoabe ka lasa nanapabolo, nividy pataloha sy akanjoba vaovao.
-Tena niova i nenibe izany, tena hoatry ny tsy vaviantitra intsony. Hoy Kelilahy faly dia faly.
-Marina ve hoy ramatoabe, hay mbola mitana tokoa aho izany.
-Ie tena noheveriko hoe i dadabe i Nenibe raha tsy nanao lokomena


2-Ampitomboy 20000 ar ny gouter-ko fa ny namako izay nanotaniako dia izay daholo. 
-Volabe mahavita sakafo atoandron-tsika izany ry Kelilahy, hoy rainy tezitra; ary mba iza daholo zao zany namanao rehetra nanotanianao izany?
-I zanaky deputé, dia zanaky ny lehiben'ny fivondronana ary ny zanaky ny minisitra.
-Tokony hafindra sekoly ny zanatsika, hoy rainy mantsy an-dramatoa vadiny.

3-Niaraka tamin’ny neniny nankany amin’ny dokoteran’ny fanabeazana aizana ny anabavin'i Kelilahy. Nony hody dia nangataka hiverina irery hiresaka amin’ilay mpitsabo izy.
-Azonao atao koa ve Dokotera ny manome  pillules ho ahy.
-Fa iza no nampiditra izao hadalana izao amin’ny lohanao vao  zazakely ity?
-Leo loatra aho fa isaky ny fetiko dia saribakoly foana no omen’ny olona.

4-Namonjy cirque ry Kelilahy mianakavy, hoy ny lehiben’ny cirque: 
-Araho tsara ny toromarika fa olona 7 izao tamin’ity herinandro ity no nohanin’io bibibe io fa sahisahy foana.
-Loza izany, hoy Kelilahy , fa raha izao mitohy tsy hahavita fampisehoana izy anio fa harary kibo.

5-Sendra niditra birao na mpisolovava iray ny Kelilahy sy ny nenibeny. Taitra ramatoa nahita ny diploma sy fianarana nandalovan’ity olona. Azony antsaina fa iray kilasy taloha izireo 35 taona tany aloha.
Nony nivoaka tao.
-Tena kilasiko  taloha io mpisolovava io ry Kelilahy, tadidiko mihintsy fa tena io no anarany. Fa tsy nampoiziko ho lasa antitrabe loza loatra sady fotsy volo kotra be toy io mihintsy. Mora miova ny olona ka.
-Fa mpampianatra anazy inona i Nenibe tamin'izany?
(Antitra noho ilay rangahy i nenibe)

6-Bevohoka ny nenin'i Kelilahy, fanaony no manaraka an-dreniny mizaha ny fizotran'ny fahasalamany.
Tonga nitsidika ny dokoteran-tsekoly, mila milanja ny ankizy tsirairay.
-Nahoana ianao Kelilahy no miondrika be toy io rehefa milanja,
-Izany tsinona no fanaon-dry neninay sy ny namany rehefa milanja any amin'ny hopitaly? 
(Takon'ny kibo ny fandanjana)

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement