SEHATRY NY ANKIZY

Mitsiky 1


1-Neny o, hoy Kelilahy tena RA ve ireny miparitaka amin’ny sarimihetsika misy miady ireny?
-Tsia anaka, saosy voatabia ireny, indraindray ranona beteravy.
Lasa nankao amin’ny namany i Kelilahy
-Hitanareo, hoy neninay hoe, ireny mpanao film ireny hono tsy ra no mikoriana ao amin’ny lalandrany fa saosy voatabia na beteravy.


2-Nananatra i neny alohan’ny hatory:
-Hendre tsara dia ho tanteraka ny fanirinareo rankizy.
-F'angaha ny olona maniry ry Neny ? Hoy Kelilahy nitomany.

3-Nihira ny tanoran'ny fiangonana ka tonga ny andalana toy izao:
-"Fa sao nenina fa sao nenina,
r
aha maty tsy mibebaka o,fa sao neninao"
Taitra i Kelilahy
-Aiza moa ry neny no tsy hitombo isa any sahona, hay mivadika ho sahona enina be izao ny olona tsy mibebaka.

4- Nihatanora i Kelilahy
Mba te-hanambady toy ny tanora hafa izy ary naniry fatratra hiadana antokatrano.
 
-Angataho amin'i Zanahary izay tena fanirianao, hoy reniny.
Nandohalika i Kelilahy
-Mba omeo vady afaka manome hazavana ny tokatranoko re aho, Zanahary.Vady mba hitantara zavamahaliana ahy tsy mianto ka hameno mozika ny sofiko ka ho aleoko tsy mipi-maso andro aman'alina fa ho eo anilany sy hihaino ny feony foana. Vady mba ho azoko baikoina araka ny tiako atao.
Nanaiky tokoa Zanahary hanatanteraka ny faniriany.
Ny herinandron'iny dia nahazo fahitalavitra  tamin'ny loto i Kelilahy

 5-Loza ity ry Kelilahy , hoy ny rainy, variana loatra aho dia tafiditra sens interdit. 
Tsy olana izany ry dada a, jereo aza polisy mba manaraka ny nataon'ny dada ko.
-Ataoko hahazo ahy aiza ireo anefa, hoy rangahy anakampo, sady nampitomboiny ny vitesiny.
Tsy ampy ela akory dia tratran'ny polisy ry Kelilahy mianaka.
-Sady lalana tsy tokony aleha no mbola miriotra hamono olona. Permis azafady.
-Azafady polisy, Iza no diso: sens inerdit ka no narahinao ihany aho? ary iza amitsika no nandeha mafy fa ianao aza nahatratra ahy?

6-Nanoratra ho an'i Dadabe noely i anabavin'ny Kelilahy.
-Saribakoly no tiako omena ahy Dadabenoely, misaotra
-Ny saribakolinao ireo mbola tsy misy tonta, ka zavatra hafa angatahina, hoy neniny nanoro hevitra.
-Izay no tiako, hoy ity zaza tezitra. Jereo izao: izaho aza ity mbola tsy tonta nefa tsy nanakana an'i neny hangataka zazakely vaovao foana , sady notondroiny ny zandriny roa.

7-Omen'ny neniny sakafo i Kelilahy dia afindrany eny akaikin'ny fitaratra indray ny sezany.
-Inona loatra re Kelilahy ity fomba ratsinao ity tato ho ato
-Rehefa noana be aho dia aleoko manketo minan'azy amin'izay mitombo roa ny anjarako.

8-Neny o! nisy vehivavy tafaraka bus taminay sy dada, hoy anabavin'ny Kelilahy. Dia nasain'ny dada nomena azy ny toerako ka voatery nitsangana aho mandrampahatonga.
-Fahalalam-pomba izany anaka, tsy maintsy zarina izany dieny izao ny ankizy mba hahaizany manaja ny olon-dehibe.
-Ka ilay vehivavy anie tsy antitra be e, sady izay indray teo ampofoin'ny dada ny toerako.

 
Miverina eny ambony

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement