FINOANA
OHABOLANA MOMBA NY FINOANA SY NY TOEM-PIAINA TSARA
| Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona. | Dieu regardant du haut voit ce qui est caché |
| Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha | Ne te crois pas bien cacher dans une vallée déserte, car Dieu est au dessus de la tête. |
| Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana. | Si on ne trompe pas les sots, c’est qu’on craint Dieu |
| Andriamanitra tsy an’irery | Dieu n’est pas le Dieu d’un seul. |
| Andriamanitra tsy tia ratsy | Dieu hait le mal |
| Aza manao an'Andriamanitra azo ampo mandrakariva | Ne dites pas que vous avez toujours Dieu pour vous |
| Andrimanitra tsy andrin'ny olona fa andriko ihany | Certains n'attendent pas Dieu, mais moi je l'attends |
| Toy ny akohokely misotro rano, ka andriamanitra no andrandrainy | Comme le poulet qui boit de l'eau, il ne s'attend qu'à Dieu |
| Tsy mandidy alohan'Andriamanitra aho, fa izay zaran'aina no lolohavina | Je ne décide pas avant Dieu, mais j'accepte |
| Aza mandika ny soan-janahary | Ne changez pas les dons du Créateur ( ne le méprisez pas...) |
| Ny iray tahitahin'Andriamanitra, ny iray tahitahin'olombelona | L'un est béni par l'Homme, l'autre est béni par Dieu |
| Ny tany vadiben-Janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty | La terre est la première femme du Créateur: elle amasse les vivants et entoure les morts |
| Mandeha irery, sahalain'Andriamanitra. Mandeha roa, sahalain'olombelona. | Quand on est seul, c'est le Dieu qui juge, Quand on est deux (ou plusieurs) ce sont les hommes |
| Haitraitr'an'olombelona, zaka-nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy | Dieu supporte les caprices des hommes,car c'est lui seul qui gouverne. |
| Aza mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho. | Ne décide pas avant Dieu comme celui qui met couver, et qui compte ses poussins avant qu'ils soient éclos. |
| Aza manao vava azon'Andriamanitra | Ne faites point de promesses à dieu. |
| Tarehy ratsy nataon-Janahary , ka tsy vanon-kisaronan-doha. | Si le Créateur vous a fait avec de vilaine figure, il ne se sert à rien de vous couvir la tete |
| Ny zavona no manamaizina ny mazava | C’est le brouillard qui obscurcit la lumière |
| Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, tsy maty fa malazo | Les justes sont comme les herbes "au milieu des joncs ; ils se fanent mais ne se périssent pas. |
| Ny hery tsy mahaleo ny fanahy | La force ne peut résister à l’esprit (ou l’intelligence) |
| Aleo ratsy tarehy tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ratsy fanahy | Il vaut mieux être laid et bon, que d’être beau et méchant |
| Ny amisavisana ny ratsy ihavian’ny soa | Penser le mal pour que le bien apparaisse |
| Aza manao soa tapany | Ne faites pas du bien à moitié |
| Ny kamo ihany no sasatra | Il n'y a que les paresseux qui seront fatigués |
| Tsara hateloana toy ny volombava harafana | Bon pour trois jours, comme lorsqu’on vient de se raser |
| Toy ny tongom-bitsy an’ala, ka madio lavi-drano | Pareils aux pattes du martin-pêcheur ; même loin de l’eau, ils restent propres |
| Tsy misy tandroka ny ratsy. | il ne pousse pas de corne aux mechants |