SEHATRY NY ANKIZY

ORAN'NY NTAOLO

               ORA MALAGASY 
Azo tsoahina amin’ity «famantaranandro voajanahary»  na «ora malagasy» na ny "famataranandron'ny Ntaolo"ity, fa tsy ny fizotran’ny masoandro avy any antsinanana ka milentika any andrefana, ihany akory no nandaminany ny fotoany. Fa niainga indrindra tamin’ny fifandraisana sy fandinihany akaiky ireo zavaboahary manodidina azy.
Azo antsary ny endrim-piarahamonina niainana tamin’izany vanim-potoana izany.
Nanana lanja lehibe ny akoho sy ny omby loharanon-karena ary ny vary fototsakafo.
Ankehitriny, toa mipetraka amin’ireo mpandalina manokana ny fandinihina ny tontolo sy ny voahary ka lasa taranja ampianarina sy boky vakiana sisa.
Marihina fa mivelatra dia mivelatra ny fifandrifian'ny ora malagasy sy ny ora ankehitriny nohon'ny tsy fanavahany ny ora ririnina sy ny ora fahavaratra
. Ohatra rehefa ririnina dia miposaka tara ny masoandro ary milentika aloha tsy toy ny amin'ny fahavaratra.

Misy ohabolana vitsivitsy misy ifandraisany amin’ity ora malagasy ity:
-Aza manao masoandro avy any atsinanana: ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana: izay mivoha idirana avokoa.
-Folaka ny andro ka malemy ny lalany.
-Akoholahy sy ny masoandro, ka mifamotoana samy lavitra.
-Akoholahy  tsy naneno toy izay, lanin’ny kary.
-Manao fanairan’akoho : mifoha maraina, ka eo atsimom-patana ihany.
-Sakalava sy Betanimena, ka iry masoandro iry no iraisana .
-Tsy misy adala tahaka ny akoho: fa nony hariva ny andro, mahalala mody.
-Ny mpamosavy aza mivoaka misasakalina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy?
-Marain-tsy lasandavitra hoatry ny akoho.

 

Fanamarihina : ny LOAKANDRO na RA(HA)LOAKANDRO , izay teny tsy fampiasa loatra ankehitriny dia midika ho ampitson’ny rahafakampitso na andro faha-efatra ny anio (anio → rahampitso → rahafakampitso → raloakandro

 I- MISASAKALINA hatramin'ny MITATAOVOVONANA 


 

II-MITATAOVOVONANA hatramin'ny MISASAKALINA


 
 

Tamin’ny andron’ny Ranavalona III,  apoaka tafondro amin’ny 10 alina ampahafatarana ny vahoaka fa tsy misy mahazo mandehandeha intsony. Io ORA io no MIPOAKA TAFONDRO na MIPOA-TAFONDRO.
ORA
 
ORA
 
12
MISASAKALINA
12
MITATAOVOVONANA
1
Mitrena ombalahy
1
Mihilanandro
Mitsidikandro
1½-2
Maneno sahona *
Mody mpamosavy
2
Tolakandro
Latsaka ny andro
2-3
Mivoaka goaika
Misafo helika ny kary
 
3-4
-Ampamatoran-janak’omby*
-Ampitotoambary *
-Mby andry atsimo
 
 
3½-4
Maneno akoho tokana
Maneno fitatra
Maneno kary
Mazavaratsy
 
4
Folakandro
Ambavafisoko ny andro*
Mangoron’omby antsaha
4½-5
Mifoha olomazoto
Maneno akoho faharoa
4½
Mody omby terabao
 
5
Tafapaka ny andro*
Mody omby
Mody akoho
 
 
5-5½
 
 
Mifoha olona
Mazava atsinanana
(Mangoana antsinanana)
Mivoaka akoho
Mivoaka andron-dolo
5½
Menamasoandro
6
MATIMASOANDRO
6
MIRANANDRO
 
 
7-8
 
Manokom-bary olona
Tsy ahitan-tsoratr’omby
Tsy ahita-mitsinjo
Maizimbava vilany
6½-7
Vakimasoandro
Maimbohondravina
7-8
Mivoaka omby
8
Homam-bary olona
 
9
Mivoaka omby terabao
Mitatao haratra ambany
ny andro
9
Vory fandry
 
 
9½
 
Lohatory
9½
Misandratrandro
10
Atoandrobenanahary
Bana ny andro
10
Tapimandry olona
10½-11
Vahavahana
Amboditrano ny andro
10½-11
Mivoaka mpamosavy
11
Mitatao haratra* ambony
 ny andro
11
Mamantonalina
12
MITATAOVOVONANA
12
MISASASAKALINA
*** : tonga amin'ireo toerana ireo ny tanamasoandro
*Tafapaka ny andro: mahazo ny rindrina atsinanan'ny trano ny tanamasoandro.
-Ny VOVONANA dia ilay hazo vaventy mitsivalana ambony indrindra ka ihaonan’ny tafotrano.
-*Ny HARATRA dia ireo hazo vaventy mitsivalany mitondra ny tafo amin’ny lafiny roa. Misy ambony, misy ambany ary mety misy anelanelany
-Ny VARIVARINA kosa dia ireo hazo madinika anelanelany andrian’ny tafotrano.
Fomba fiteny: “Tapenaka mitondra ny vovonana, vovonana iadian'ny lohany,varivariny andrian'ny tafony”.

 miverina eny ambony

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement