SEHATRY NY ANKIZY

MITSIKIA


MITSIKIA 1

MITSIKIA 2 

MITSIKIA 3


MITSIKIA 5

 MITSIKIA 4

Tetsy sy teroa 

FAHAKELY

 


                           MITSIKIA

Ny tanjon'ny "MITSIKIA" dia mba ahazoantsika mankafy ny fiainana amin'ny fijery hafa nohon'ny lalam-piainana andavan'andro.
       Feno - Andy -Rotsy -Miora-Fandresena-Fifaliana

Santatra ihany ireto fa misy pejy maromaro:
Nanjono  Andriamatoa Mahefa , fanaon’ny mpanjono moa alohan’ny amarotana ny trondro dia lanjaina ny trondro azo. Nahazo anarana hoe Ramanambitana mihintsy Andriamatoa fa izy  no mahazo trondro mavesatra indrindra isan’andro. Indray andro teraka ny vadin-dRamanambitana Mahefa teraka antrano moa fa lavitry ny hopitaly antsiraka iny. 
Nitangorona nifaly ny mpiara-manjono rehetra.
-Alao ny mozananao, hoy ny renin-jaza andanjana ity zazakely vao teraka ity.
-Ary dia nilanja 35 kilao ilay zaza.


Nidramina tao afrika tao:
Nisy mpanao fahagagana tonga ny iray  tanana tao Afrika tao, namory ny vahoaka izy fa te-hahasambatra ny vahoaka, hanantanteraka ny faniriana iray. Nikaondoha ny maro, ny maraina filaharana moa izao.Mitovy daholo ny hataky ny vahoaka:
 -"mba ataovy lasa fotsy toy ny vazaha aho." 
Nony hariva, lasa vazaha daholo ny iray tanana, afatsy zazalahy kely variana nilalao tany antampotanety lavidavitra.

Kaody ny anaolahy, fa tsy fantany intsony ny ray amandreniny sy ny havany. Fa mitovy bambaray fotsibe mampatahotra daholo; Izy sy ilay mpanao fahagagana irery no mitovy loko, ka tsy nisalasala izy nanatona. Fa ny tenin-drangahy no lasa aloha.
-“Hay ise mbola tsy nandalo teto? Inona ary ny faniriana mba nofinofisin’ise”
-Tsy fantatro intsony ny havako, hoy ilaiaka, raha mba azo atao mantsy ny mamerina toy ny taloha ny lokon’ireo olona rehetra ireo.
Tsitapitapitr’izay, niova naka ny lokony voajanahary ny mponina iray manontolo.
Indrisy ry iray tanana lasa vazaha!!! 


 Niatrika tribonaly. Nitsangana ny mpitsara.
-Andriamatoa Kelilahy!  meloka ianao fa nandratra  olona nohon’ny tsy fitandremana ny basinao fony ianao nihaza tany an’ala.

Nitsangana I Andriamatoa Kelilahy :
-Marina izany presida nefa ataoko fa mba manana fihenan-tsazy na tokony hafahana madiodio aho noho izao antony izao: Ralambo manko tompoko no anaran’io olona voatifitro  io e ! 


-Ny tiako dia ny handimby ny asan’ny dadabeko, nefa tsy misoratra ato mihintsy ny fiofanana amin’io sampan’asa io.
-Mahagaga izany, inona no asan’ny dadabenao Andriamatoa ?
-Misotro ronono no asany, ary mandray volabe tsy tapaka isambolana mihintsy.


 Gaga ramatoa vadiny raha nanatitra sakafo ho an’Andriamatoa Kelilahy .
-Fa lasa adala angaha hianao no vola no afatotrao ny tadimpitana?
-Leo aho e, hoy ilaiaka, herinandro aho nanandrana izao kamahana (ilay zavatra amitahana ny trondro) rehetra izao fa tsy nahomby, ka aleo mba ny trondro no hividy ny kamahana tiany.


 Nody i tamin’ny taxi Andriamatoa Kelilahy, mbola bandenina ny anaolahy.
 -Aza manahy ianao ramatoa, fa tsy maintsy soloin’ilay nandona ahy ny fiarantsika, olona mamo tsotra izao no nifandona tamiko.
-Aiza no ahafantaranao izany nefa aza ianao ity mila tsy hahatsiaro saina.

-Raha tsy mamo ve izy hazobe no entiny fa tsy mba fiarankodia, aiza no tsy ho doniko.
-Diran-doza aho nanambady ilay sakaizan-toaka ity.


Tafara-nipetraka i Kelilahy sy ny namany nandritra ny fanadinana  antsoratra.
-Tena tsy nahita nosoratana aho lehitsy, hoy Mà namany, dia taratasy fotsy izao no naveriko any.
-Loza izany,  hoy Kelilahy,  Torak’izany mihintsy ny ahy fa na soratra iray aza tsy vitako.
-Zavadoza ity, hoy Mà, heverin’ny mpitsara ho nifangalatahaka indray izao isika.

Tena marenina ry se ny renin’là, hoy rain’I Kelilahy taminy. Miantso azy manotany ny nasiany ny angady teto aho! fa ee!  ee! tsy misy valiny.
-Ndao andramana ary izany, hoy Kelilahy. Eto akaikaiky eto indray antsoina.
Mbola tsy nisy valiny ihany hono.
Manatona akaiky kokoa ry dada, hoy Kelilahy nitakimoky ny hehy.  Fa ee! ee! tsy nisy valiny hono.
Eto ambaravarakelin’ny lakozia indray ary e! fa dia torak’izany.
Manatona ampototsofiny mihintsy ry Dada hoy Kelilahy.
Fa endrika vinitra no setriny: “ Fa ianao ity ve efa marenina e!  inefatra aho no mamaly anao hoe: efa nampidiriko ao ampisoko ny angady rehetra”.
Nihomehy nalahelo i Kelilahy nanatrika izany. 
 
 

 

  Miverina eny ambony

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-


Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement