SEHATRY NY ANKIZY

Habe mendrika ny ankizy

Ny ray amandreny dia tokony hisaina mandrakariva fa ampaham-piainana kely ny fahazazana, fa ho fiainana manontolo kosa no ho atrehin'ny zanany. Ankoatry ny aram-pitaovana sy fahalalàna dia tsy tokony atao atsirambina ny fiezahana hahalavorary ny ho avin'izy ireny ara-batana ho fahasalaman'ny sainy sy ny tenany. Anisan'ireny ny fanaraha-maso akaiky ny lanja mandritra ny fitomboany, ary ny fikojakojaina ny nifiny.
Afaka hanampy amin'izany ireto tabilao iraisam-pirenena ireto: (vao teraka ka hatramin'ny faha-18 taona)


Samihafa ny tabilaon’ny zazavavy sy ny zazalahy satria samy hafa ny fomba fitombony

Anjaran’ny ray amandreny no maka ny IMC ny zanany mampitaha azy amin’ny “courbes de référence” na “courbe de perceptile” ity. Raha vao mila hihoatra ny 97° percentile na latsaky ny 3° percentile (ireo miloko eo aminny tabilao) dia mila fijerena akaiky.

Miovaova araka ny fitomboan’ny ankizy mantsy no amaritana ny mampahia na mampatavy azy ara-pahasalamana.

Ny zaza atao antonony vao teraka dia manana  IMC  12 - 16 kg/m². Ary tokony hiakatra tsikelikely izany IMC amin’ny fahazazany.

Misy ireo vani-potoana avy eo izay itomboan’ny ankizy mihalava ka lasa lavalava (longiligne) izireo, raha jerena ankapobeny dia mahia (5 na 6 taona eo) ary mampiasa hery betsaka ny ankizy eo (mihazakaza-poana, te-hanandrakandrana  zavatra maro). Ny IMC ara-dalana amin’izany dia mihena ho  14-18 kg/m².

Manomboka ny faha-6 taona dia manomboka misy fifandanjana tsikelikely eo amin’ny fitombony sy ny halavany mandram-paha faha-18 taona maha-ary ny taovany rehetra.
Io manodidina ny 6 taona itomboan’ny vatany tampoka io io no atao hoe « REBOND D’ADIPOSITE» ary raha lasa aloha ny fahatongavan’io dia tsy tsara fa mety hahatonga azy ho lasa matavy any aoriana.

 
Miverina eny ambony

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement