SEHATRY NY ANKIZY

Fahakely

Herinandro sisa dia tsy ho tonga ny fifidianana . Nafana ny kabarin’ilay rangahy hofidiana ho mpitondra ilay tanana. Mavesatra sy mitombina ery ny valiteny omeny ireo misalasala. Resy lahatra ny vahoaka.
-Tiako loatra ny asa ataon’ilay mpikabary hilatsaka filoha iny ry dada, rehefa lehibe aho.-Hay, mianara tsara dia afaka mitady volabe dia mety ho lasa hoatr’ireny anaka.-Ka aiza eto Madagasikara ary no misy fianarana majika ? hoy Kelilahy asa saina.


-Efa lehibe izay ilay zandrinlà kely iny letsy ry Kelilahy

-Efa oviana  letsy a, efa ho telo volana aza izy izay no nandeha.

 -Ka tsy efa any akaikin’ny Fianarantsoa any ho any  izany ledala 'zao? Dia tsy malahelo ve ianareo amin’izany?


 Matetika asain’ny nenin’i  Kelilahy miara-misakafo aminy ny namany akaiky azy indrindra.
Mipetraka eo ampofoany izy  no miangavy aminy hoe:
-Mba asehoy hoe ny ati-vavan’i Nenitoa.
-Teneno aloha ny tian’ialahy ho fantatra vao sokafako ny vavako.
-Hoy mantsy i  Neny hoe, i nenitoa ity hono manta vava, ka ahoana izany vava manta  izany hojereko.


 Tsy nivoaka nilalao Kelilahy fa nividianan’ny rainy boky misy angano eran-tany.
Lasa saina lavitra ny lehilahy ka gaga rainy.
Tena mahavariana hay ry dada a, ny zazakely any Frantsa any hay mivoaka amin’ny laisoa. Any amin’ny tany hafa  mivoaka amin’ny raozy, Misy aterin’ny vanobe (Cygogne)  toy ny any Angetera sy Amerika. Ny any Siberie hono amboarina amin’ny ranomandry.
Ka  ny zaza malagasy sisa  no tena  mivoaka avy ao ankibon’ny neniny.


Nianjera teo amoron-dalana ity lahiantitra ka naratra , nifamonjy ny olona namonjy, anisan’ireny Kelilahy handeha hianatra.
Nitomany mafy ity zazalahy nahita ity lehilahy lehibe mivoadra.-Mangina anaka, hoy rangahibe, tsy maninona intsony aho, ary misaotra fa vitsy ny zaza be fitiavana toy izao.
-Ny akondro nomen’ny neny ho gouter-ko no latsaka dia nitsahinao teo dia inona izao no hohaniko rehefa maka rivotra?


 Tsy mety mihinambary i Kelilahy, tezitra i neniny.
-Taperonao malaky io vilianao io, efa kely nohon'ny isanandro aza no noloarako ho anao. Tsy hitanao angaha ireo olona fadiranovana tsy mihinambary intsony amin'izao fotoana izao ireny?.
-Hay fadiranovana ry Kelilahy namako ireny ry Neny
-Inona no anaovanao izany fa ny vary hanina, ny rain'i  namanao aza mpanao afera manankarena be.
-Ka ry zareo anie hono tsy mihinambary intsony fa paty zany. Fadiranovana kay ireny mpanakarenabe ireny!!!


 Zazalahy liambaovao i Kelilahy, Nentin'ny dadany nanatrika fanokanana orinasa iray izy, tonga ilay filoha nitokana izany, notapahiny ilay tady tsarakely vao niditra ny varavarana izy, dia nohiraina ny hirampirenena.
Torak'izany koa indray andro, nantsoina nitokana
  ilay kianja fanaovambaolina ilay filoha, notapahiny ny tady tsarakely, dia nodakainy kely ny baolina tsarakely; dia nohiraina ny hirampirenena ary  tehaka tsy nifandrenesana no nanaraka izany.
Fa teo amin'ny fahitalavitra no nahitany ny filoha nitokana paompy.Notapahiny koa ny tady tsarakely, noraisiny ny vera tsarakely dia nisotro rano kely izy: raikitra ny hiram-pirenena. 
-Hiaraka amiko ve ialahy ry Kelilahy, hoy rainy fa hotokanana hono ny trano fivoahana vao vita eny amin'ny tobim-piantsonana, tena arifomba be sady nandaniana vola maro.
 -Tsy te-hanatrika any aho, hoy ilaiaka, sady angamba voarara tsy hatrehin'ny ankizy tsy ampy taona izany.
-Fa nahoana? hoy rainy gaga.
-Tsy azon'ny dada antsaina ve ny hitranga rehefa avy  manapaka  ny tady tsarakely ny filoha alohan'ny hihirana ny hirampirenena? daim  Mafy ihany rehefa filoha ry Dada.


Nanao fanasana fiaraha-misakafo ny ray amandrenin’i Kelilahy, efa hisasaka ny alina mbola tsy matory ilay zazalahy fa mivezivezy eraky ny efitra.
-Sambatra ihany ny manan-janaka, hoy ny vahiny iray. Hiaraka mandamina amin’i Neny angaha ialahy rehefa lasa izahay?
-An, an ka, hatory aho raha vao lasa ianareo  fa nirahin’ny neny aho hitsiritsirika sao misy manao ampaosy ny entanay
.

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement