SEHATRY NY ANKIZY

ASASAINA

                ASASAINA-ENIGMES 


Une énigme est  bien plus qu'une simple question. C’est une question  posée d'une manière ambiguë pour la déguiser et la rendre difficile à deviner.  Une manière simple et utile pour développer notre raisonnement et nos capacités de mémorisation. Différente au problème, elle nécessite une dose de logique et l'ensemble de la connaissance générale.

MANDINIKA MISAINA MIKAJY ASAMARIKA
Niverina tao anaty fiara ilay ramatoa, lasan’ny mpangalatra tao daholo ny poketrany sy ny taratasin'ny tomobilina. Ny varavaram-pitaratra  tsy vaky, ny lakile tsy nipitsoka. Nefa dia niaiky ny olona fa very ny entan-dramatoa.

Ny voalohako dia zavatra ataon’ny olona rehefa any an’ala, ny faharoako mpampitohy mitovy hevitra amin’ny hoe dia, ny fahateloko fanampin’anarana omena ny ankizilahy sasany.Ny tontoloko zava-panao raha sendra tara. IZA ARY AHO?
 
Iza no hendry kokoa raha marina ity fehezanteny ity: "Tsy ny adala no adala fa ny izay tsy adala manadala ny adala no adala, ka aza manadala ny adala sao lasa adala".

Ny voalohako dia milaza velarantany, ny faharoako vola takiana  eny antsena. Ny tontoloko tenenin’ny olona rehefa mihaona . IZA ARY AHO?

 
Ny voalohako faritra iray amin’ny tongotra, ny faharoako ilazana zavatra mafilotra , ny fahateloko ilazana ny mpitarika. Ny tontoloko ilaina raha misy tondradrano. IZA ARY AHO ?
Izaho dia anaran’olona mpampihomehy. Ny voalohako dia ranoka mena, ny faharoako zavatra matsiro, ny fahateloko ilazana zavatra efa simba , ny fahaefatro mamaritra loko. IZA ARY AHO?
Nisy rangahy iray tratran’ny orana avy tany antsena, orana izany an , nivatravatra mihintsy. Nony tonga tany antrano nefa dia tsy nisy volo iray aza lena. INONA NO ANTONY ?

Andeha isika hoy ireto reny roa sy zanany roa hisakafo tamin’ity toerana iray, samy nahalany iray vilia isany izy ireo, 1500 ar ny vilia iray ; Ny nahagaga anefa dia 4500 ar no naloan’izy rehetra. Inona no antony?

 
 Ny voalohako bibikely mipitipitika, ny faharoako mifanohitra amin’ny kely, ny fahateloko mitovy dika amin’ny hoe: matory. Ny manontoloko midika  hoe vahoaka : IZA ARY AHO?
Miverina eny ambony


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement