SEHATRY NY ANKIZY

ANGANO

Santionany vitsivitsy amin'ny :
ANGANO MALAGASY - CONTES MALGACHES

Andy et Feno vous invitent à partager les contes merveilleux qui ont bercé votre enfance. Pour vous introduire dans un univers de nostalgie, de la magie et de l'imagination. Et qui reflètent  la culture et la sagesse de nos ancêtres.

Rehefa mitantara angano i Nenibe na i Neny, tsy tonga hatramin’ny farany akory dia efa resintory mirana ao ambany heliny ny ankizy madinika.
Ary ho fahatsiarovana manokana an-dRamatoa Rasoanalina Germaine. nampita ny maro tamin'izany hatrany aloha tany.

 Ny pejin'ny ARIRA kosa dia  angano roa  sy sary nalaina tao amin'ny boky nosoratan'Andriamatoa Prosper Rajaobelina, Arira nandrotsy ny fahazazana: Ikoto sy Ikalo- Tsingory

NY TRONDRO ADALA SY NY TRONDRO HENDRY
 :
Nifalihavanja tsy nisy mpanelingelina tao amparihy ny trondro mianakavy. Lavitra azy ireo ny ahiahy ny amin’ny mpanjono na ny zava-manan’aina hafa handany tamingana azy.

 Indray maraina anefa akory ny hagagan’ny sasany nandre feo tsy dia fantany loatra. Niara-nirohotra hizaha ny zana-trondro, no gaga nahita biby maintso monto tava mihira eo ambony ravim-boahirana. Ny tohiny eto
FANANIMPITOLOHA 
Nananjanaka telo mirahalahy Ratataovinarivo, andriana tompomenakely. Andriamatoa dia nambinina, izay noraisin'ny tanany toa mivadika ho harena daholo, hany ka hipokipoka ny valan'ombiny niadanan'izy sy ny ankohonany.Tohiny eto 
FANIRY 
Neny o ! hoy Raivo, zazavavy kely 7 taona, tsy avelan'ny ankizy miara'milalao aminy aho fa lazainy mikitika ny kilalaony. Mangitika anie izany ny fon-dRanivo mihaino izany...  (Tohiny eto) 
 

IPELAMANANKOFAKA 
Karazambiby vehivavy manandrambo izany Ipelamanakofaka izany,  ankizy sy biby mirenireny no fototsakafony. Tsy dia matanjaka loatra anefa Ipelamanakofaka fa rehefa alina sy matory olona iny izy no mihaza (Tohiny eto)  
FETSY DADABE 
Fony taloha hono rankizy malala , ny fianakaviana tsy misaratrano izany fa ao ny dadabeny sy renibeny , dia miaraka ao ny zanany lahy sy ny ankohonany .  Ka nahatonga ny razana hiteny hoe : .. (Tohiny eto)  
DONANA 
Mosarena hono ny tany tany amin'ny tanana iray atao hoe Fieferana ka tapakevitra ny ankabeazan'ny raimpianakaviana handeha handranto any amin'ny vohitra lavitra, anisan'izany Rafito.
Efa volana maromaro izao no nahararian-dRakala vadiny. Rangahy anefa tsy volovolon'ny mbola hipody....
(Tohiny eto)  
ANDRIANAOLAOLA 
Bevohoka azy hono ny renin'i Andrianaolaola no voaantso hiantafika ny rainy nantsoina hoe : Andriamanakasina.
Fony ankizy dia nitsiriritra mafy ireo ankizy velondray izy
...
(Tohiny eto)  
VOLOVOLOMANANA 
Bibibe feno volo izany volovolomanana izany, rehefa maditra ny ankizy dia ampitahorin'ny ray amandreniny hoe aterina any amin'ny Volovolomanana. 
Zaza tsy mety nihinambary  sady mpitomany lava hono izany Rasoatahadreny
.
LALOMENA 
Taloha elabe hono nisy ankizilahy kely izany te-hanome fanomezana ny reniny . Totokely no anarany.
Ny zavatra fantany fa tian'i neniny dia ny hahazo ny tandroky lalomena hatao firavaka.
Bibibe monina any anaty ranobe i lalo
mena, ary tsy misy sahy manatona azy fa laniny. ...Ny tohiny eto 

NANORO HEVIDRATSY  : Ela tokoa no nanirian'ity ramatoa zanaka, ka nony ela tanteraka ny faniriany ka teradahy izy...

Angano vazaha: Fabuleux voyage  : Fabuleux voyage avec Orou

                                                 Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007- 

 

Miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement