SEHATRY NY ANKIZY

Volovolomanana

VOLOVOLOMANANA
Bibibe feno volo izany volovolomanana izany, rehefa maditra ny ankizy dia ampitahorin'ny ray amandreniny hoe aterina any amin'ny Volovolomanana. 
Zaza tsy mety nihinambary  sady mpitomany lava hono izany Rasoatahadreny, nony tsy zaka nanarina intsony dia lasa nateriny tany amin'ny tranon'i Volovolomanana izy ho fay.
  Nampoizin'ireo ray amandreniny manko fa lasa nihaza toy ny fanaony ilay biby ka alina vao tonga.
Nokasainy halaina tao i Rasoatahadreny alohan'ny hiverenan'ilay biby.
Kanjo ratsy ny andro ka tapakevitra ilay biby hody hisakafo atoandro, notsirihiny hatreny antafotrano dia hitany i Rasoa niafina tao ambadiky ny horonantsihy.
Dia nihira hono i Volovolomanana
:
-
Iza io antranon'ny Volovolomanana io ? 
Iza ?
Ny tadiavina aza tsy hita nefa tonga ho azy rahateo ?
Nitomany i Rasoatahadreny sady namaly ankira hoe:
-
Zahozaho Rasoatahadreny narian'i Neny aty .
Nahagaga fa nangoraka hono ilay biby nahita ny hakelin’ity zaza ka tapakevitra izy fa hatsangany ho zanaka i Rasoa ary tsy omeny ny ray amandreniny intsony. 
Nony nihaza izy dia itondrany firavaka sy sakafo matsiro maro i Rasoakely. Rasoa kosa mamaly fitia ka mikarakara azy fatratra.
Nitombo ny taona, nihangezabe tsy omby trano  i Volovolomanana .
-"Andeha honina any andranomasina aho anaka, hoy izy tamin'ny Rasoatahadreny, tsy afaka makany ianao saingy isaky ny tsinambolana dia tongava mamangy ahy eo amorona".
Nanakarama bao i Volovolomanana nilanja an-dRasoa hatrany amorondranomasina, ary andranomaso no nisarahany. 
Volamena sy vatosoa sy perla maro no angonin'i Volovolomanana  any amin’ny lalina any atolony an-dRasoa isaky ny mihaona izy mianaka.
Lasa mpanakarena be tery Rakalakely. Nahita izany ireo ray amandreniny dia nifona sy nivalo taminy, sady nanazava fa famaizana ihany no nanaterany azy tao antranon’ilay biby fa hafa kosa ny lahatry ny Zanahary. Navelany ny helok'izireo noho izany.
Ary nampiany ny vahoaka mitaraina aminy indrindra ny ankizy mijaly.
Ny tohin'ny tantara dia voafidy mpanjaka tamin'izany faritany Rasoatahadreny, ary tian'ny vahoaka
fatratra

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement