SEHATRY NY ANKIZY

RAMIANTRA tohiny


RAFARALAHY RAMIANTRA 
Ilay mpanompon'Andriamanitra
TOHINY



  Nandeha ny taona, nandeha ny volana, nandeha ny andro. Lehibe ny zanaky Vitara sy Rita ary toy izany koa ny an' i Ramiantra sy Minà (fa niteraka zazalahy sy zazavavy mifanarakaraka koa izy ireo).

 Indray andro, raha iny nitsangatsangana lavidavitra ala iny i Volatiana sy Tovo zanaky ry Ramiantra dia nosamborina lehilahy ranjanana iray mpihaza  ka nentiny tany andrenivohitra misy ny lapan'i Vitara.

Faly i Vitara ka nanadihady ireo zaza ny fonenany sy ny ray aman-dreniny, ka nolazain'ireto zaza ankitsimpo ny tanana onenany.

-Hay, hoy i Vitara, andao ary hanaraka ahy.

Nokasainy haiditra ny tranomaizina ireto ankizy mampalahelo.

Raha ilay nandalo tao andapany iny anefa izy ireo dia tsikaritry Sitraka sy Malala zanak'i Vitara. Faly loatra izy mianadahy fa noheveriny ho namana ka nantsoantsoiny nanotaniana:

-Manao ahoana ianareo, hoy Malala, andao hilalao.

-Andao ary e! Hoy koa i Tovo sy Volatiana kely.

Tsy nanaiky anefa i Vitara fa nentiny tany antranomaizina ihany I Volatina sy Tovo. Nitomany nanaraka i Malala sy Sitraka. Toa nifankatia toy ny mpiraitampo izy efatra mianadahy: izany tokoa ny ra iraisana.

Very hevitra Ramiantra mivady sy ny olona rehetra tany anala fa tsy hita izy mianadahy kely. Nandefa iraka izy ireo hitady. Kanjo, vao nisasaka ny lalana ho any antanandehibe dia nifanena tamina tafika iray ireto iraka 10 lahy. Nosamboriny nampijaliana hanondro ny lalana hankanesany any amin-dry Ramiantra.

Ny iray tamin'izy folo lahy anefa nitaraikiraiky tato aoriana ka votsotra. Nanao tongotra ankatoka io hampilaza ireo vahoakan-dRamiantra fa tamy hanafika azy ny tafika tarihin'i Ragiay ary ny 9 lahy efa takalon’aina ankehitriny.

Nasain’i Ramiantra notarihin’i Minà hiafina any anaty bozaka sy eny ambony hazo daholo ny zaza amam - behivavy ary ny antitra. Fa ny vatan-dehilahy kosa niomana hiady miaraka aminy.

 

Izany tokoa ka firaisan-kina, ary Ramiantra izay natoky an'Andriamanitra dia nitarika fotoam-pivavahana talohan' izany rehetra izany.

Efa tapak’andro sisa ny tafik ' i Vitara sy Ragiay dia ho tonga ao anivon’ny ala miaraka amin'ny soavaly sy miaramila ary kalesy tsy hita isa.

Ireto vatan-dehilahin-dRamiantra sasany kosa izay zatra namboly dia izay vao ampianarina miady sy miaro tena. Nefa na dia tambanivohitra aza ireo dia faly ny hiady satria ny herin'Andriamanitra no mialoha azy. Faly izy ireo ny ho faty ho maritioran'ny tanindrazana sy ny fivavahana.

Vonona ary ireto tambanivohitra hiady. Nametraka hafatra sy teny farany ny mpanjaka:

-"Isika rehetra dia samy nataon' Andriamanitra hiady an'ny Tanindrazana sy ny Fivavahana. Mahereza ry Havako, fa hahazo ny fandresena isika raha sitrapon'Andriamanitra. Nefa kosa aza vonoina aloha i Ragiay sy Vitara fa ireo no hany havako na dia fahavaloko aza".

Tsy nanan-tahotra intsony ry zareo no tamy nanangasanga ny tafiky Vitara. Izy sivy lahy iraka no notereny hialoha lalana mifatotra sy voakaravasy.

Tany andrenivohitra kosa. Indreo samy vonton-dranomaso i Malala sy Sitraka ary Rità, mamaha ny gadra sy ny hidin’ny tranomaizina misy an' i Volatiana sy Tovo, miaraka amin'ny mpanompony.

Tapakevitra ny hitsoaka izy ireo mbamin'ny fianakavian-dRagiay rehetra fa leon’ny herisetra sy ny tsy rariny.

Raha hiverina any an'ala isika.

 

Nalahelo mafy ireto namany sivy lahy ny vatan-dehilahy ka avy hatrany dia nirotsaka niady ankerimpo hamaha ireto namany tamin'ny alalan'Andriamanitra sy ny didin-dRamiantra.

Nahafaty roa arivo lahy sady nahavotsotra an'izy sivy lahy iny fikatrohana voalohany iny. Nisaotra an ' Andriamanitra aloha izy ireo na dia fantany aza fa mbola mafana ny ady satria tonga indray ny andian- tafika manaraka baikoin’i Vitara ary nafotaka ny ady. 

Tapak'andro monja dia feno faty eran'ny ala: zato tamin’ireo no vatan-dehilahy maritioran-dRamiantra, ny telo arivo tamin'ny andian-tafik'i Vitara. Vitsy sisa ny tafiky Vitara sy Ragiay ka mora tamin'ny tafiky Ramiantra ny nisambotra azy ireo tsy hovonoina intsony.

Tapitra ny ady voatery nifankahita ireto mpirahalahy sy mpianaka.

Nitana sabatra teny aminy Ragiay sady mitrena:

-Farano ny amiko, Ramiantra.

-Tsia, hoy Ramiantra nitodika ivoho, tsy te-hamono anao aho na dia ny maha-rafozako anao ihany aza.

Nahita azy niamboho Ragiay ka avy dia nitoraka sabatra an- dRamiantra: sabatra kely nafeniny tany ambalahiny tany.

Noho ny fitahian' Andriamanitra anefa dia voakalin-dRamiantra tamin' ny tanany ilay sabatra ka iny fa niverina moramora ka nanindrona ny kibon-dRagiay.

Maty teo Ragiay. Nalahelo mafy azy i Minà sy Ramiantra ary Vitara.

-"Maty ny mahery" hoy Ramiantra.

Niankohoka teo anatrehan-jandriny nifona sy nangataka famelana i Vitara ny ampitso marainan’iny.

-Mifona re aho ry Zandry Malalako, mivalo re fa tsy tia anao hatramin'ny kely. Sady tsy mba nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra.

-Mitsangana ary mangina, hoy i Ramiantra, fa na dia efa ela aza aho no tsy tianao, izaho kosa tia sy nivavaka ho anao hatrany.

Nifamihina izy mirahalahy.Nataon’ny vahoaka mendrika ny fandevenana ireo maty maritioran’ny firenena, ary nalevina koa ny fahavalo resy. Nanakoako nampalahelo ny hira nanaovana veloma azy ireo.

 Fotoam- pivavahana ho fandraisana ireto ondry very fa hita indray (i Vitara sy ny mpanaraka azy) sy ny hitahiana ireo maty an'ady sy ny fianakaviany no namaranana ny takariva.

Efa nilamina ny zavatra rehetra dia nanomana ny fodiany any amin’ny lapa sy ny tananany fahiny ry zareo vahoakan' ala, notarihin'i Ramiantra mpanjaka mivady sy Vitara. Faly fa hahita indray ny renivohitra malalany.

Raha hiverina any andrenivohitra kely indray isika:

Indreo i Rità sy ny zanany roa fa mivavaka ho an ' ilay tranomaizina izay nigadran’izy mianadahy kely, dia i Volatiana sy Tovo, alohan’ny handehanana. Ny atoandro avy nisakafo dia lasa nanaraka lalana izay tsy be mpandeha loatra  ireo mpitsoaka sao misy mahatsikaritra. Tany andalana dia nahare tsoka sodina sodina sy doboka amponga ka nanarangarana mba hijery izany.

Hitany ireo vahoaka marobe tarihin ' olona telo: ny iray vehivavy, ny roa lehilahy.

Fantany avy hatrany fa i Ramiantra sy Vitara ary Minà ireo. Nihazakazaka toy ny nanidina izy ireo hitsena. Nony nifanakaiky ny roa tonta dia avy hatrany dia nifampiantoraka. Endrey izany hafalian-dRamiantra sy Minà nahita ireto zanany. Namihina andranomaso ny vady aman-janany  i Vitara. Samy tsy nanadino ny fahalasanan’ilay ray aman-dreny be anefa dia i Ragiay.

Nony tonga tao an- tanana dia nanao fety be ary nisaotra an' Andriamanitra noho ny fitahiany. Naorina ny fiangonana may ary nanavaozina ny tanana.

Niakatra teo amin' ny fanjakany Ramiantra mivady ary i Vitara mianakavy sy ny fianakavian- dRagoay rehetra dia nipetraka tao an-dapa rehefa avy niova fo.Nifankatia fatratra izy efatra miananadahy kely.

Ny vahoaka niadana finaritra , i Ramiantra sy Minà ary Vitara sy ny fiananakaviany dia nanan - taranaka be ary niaina finaritra sy sambatra teo imason ' Andriamanitra.

Noafahana tamin' ny fanandevozana koa ireo mpitondra fanjakana rehetra ka samy nandray ny toerany sy ny fanjakany. Nohajain’izy rehetra Ramiantra sady to-teny hatraiza hatraiza.

Lasa toeram - pitsangatsanganana sy manan-tantara ilay ala ary mitarika mpizaha tany marobe mandrak'androany.

Ny anaran-dRamiantra, ilay mpanompon'Andriamanitra dia fanta- daza tamin ' ny firenena rehetra ary ny fomba fiainany dia ohatra tamin ' ny olona rehetra.
TAPITRA.
14 Jolay 1998
 Iando Harinaivo 


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

 Miverina eny ambony

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement