SEHATRY NY ANKIZY

NY TRONDRO

NY TRONDRO

TRONDRO ADALA SY TRONDRO HENDRY

Nifalihavanja tsy nisy mpanelingelina tao amparihy ny trondro mianakavy. Lavitra azy ireo ny ahiahy ny amin’ny mpanjono na ny zava-manan’aina hafa handany tamingana azy.

Indray maraina anefa akory ny hagagan’ny sasany nandre feo tsy dia fantany loatra. Niara-nirohotra hizaha ny zana-trondro, no gaga nahita biby maintso monto tava mihira eo ambony ravim-boahirana.

Vetivety anefa nitsipika ity vahiny ka lasa nilentika any anaty ahimaintso any.

Nitafa toy ny fanaony ny trondro, ka nitantara ny zavatra hitany ireo  ankizitrondro.

 Nandray fitenenana ny trondro antitra :

 -Efa ela no niainako raoanaka isany, ka betsaka ny rano efa nandalovako nahatratra tratra ahy antitra toy izao. Io biby ratsy tarehy io dia saobakaka, any ankeniheny any izy no betsaka na eny antanimbarimbahoaka. Mpitari-dalana no hitanareo  fa manahy aho fa ho avy izireo honina eto ary ho lany ripaka ny zanatrondron-tsika, ka andeha hifindra monina dieny mbola ambony ny rano ka afaka mitady toeran-kafa, fa fahavaratra tamin’izany.

Ny trondro hendry moa niaiky fa marina ny tenin’ny trondro antitra.

Ny trondro adala kosa tamana ny farihiny no  sady nanafoka an’ingahibe trondro ho kanosa sy milaza tsaho.

-Aza manely tahotra rangahy, hoy ny trondro tanora iray, ianao no efa antitra. Ny  androngo mandalo aza ny anao afangaro  voay. Dia nikakakaka ny trondro tanora namany.

Ka nizara roa ary ny trondro,  ao tapa-kevitra ny hifindra monina dieny tsy midina ny rano, ary tao kosa ireo  maro tanora vonona ny hipetraka:

-Marobe ireto isika, tsy hataontsika lany tamingana ireny raha tonga eto; hoy ny tokin’ainy.

Dia nanao veloma  ny andiany hendry ka lasa nanaraka ny trondro antitra, fa  nitotorebika kosa ny an’ireo nijanona fa tsy nisy mpananatra intsony.

Nitsahatra  ny orana, nidina ny rano. Tonga tokoa ny tsy nampoiziny fa mitombo isa isan’andro ny feon-dry rasaobakaka any anaty morona any. Feno azy ny ravim-boahirana nony maraina mitanin’andro. Ary tsapa nihavitsy tsikelikely ny zanatrondro fa ataony sakafo.

Nikasa hanohitra ihany ireo trondro tavela saingy ipitihan’ny sahona eny antanety, ka tsy sarotra nenjehina.Hany hery nihevitra ny handositra ny farihy.

Indrisy anefa hoy ianareo, efa maina ny tany ka ritra ny lakandranokely mampitohy ilay farihy amin’ny renirano.

Hany hery niery any amparan’ny rano tsy sahy nivoaka, no tra-nenina nohon’ny hamafin’ny loha.

Izany tokoa ny manjo ireo  tanora fanahy fatra-pieritreritra ho manana ny rariny hatrany fa marina ny  tenin’ny Ntaolo hoe: “Ny efa nihetezana anie lavalava volo e !”.

 

 

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement