SEHATRY NY ANKIZY

NTAOLOZANDRINY

INONA ARY IZANY HOY NY NTAOLOZANDRINY
 
Tsy fantatra mazava hoe taona firy moa no nisy farany ny Ntaolo, fa ny fantatra kosa dia mbola mitohy manao ankamantatra isika. Atombokay ny hita sy re, fa anjarantsika kosa no mameno azy. Iza no mahalala fa mety ho vavolombelon'ny fiainantsika ankehitriny amin'ny taranaka ho avy afaka zato taona any izany. 

Feno sy Andy ary Mahefa
 
Iza no nisy aloha, ny atody sa ny akoho ?
Tsy mamafy anefa dia mijinja?
Tsy manjaitra anefa  tsara akanjo?
(valiny an-kira miaraka amin'i Thiera Bruno)
 
Ny manana sy mahalala fomba mitahiry azy, ny tsy manana sy tsy mahalala fomba manipy azy ?
Tsaramaso mipitika

Kiratsakiritsa manodidina ny ala 
Sobika miantona feno voamadilo 
Tendrombohitra iray misy lavaka fito
 Inona ary izany ? Rafotsibe tsy mety mipetraka raha tsy eo ambon’ny tainy ?

Silipon’i nenibe feno fako ?

Biby be eo anelakela-pe ?

Inona ary izany ? Tsy manao « judo », tsy manao « karate » nefa mandavo ?

Atsipin'ny mahantra  mahantra fa tehirizin'ny mpanana
Sitonina izy vao mihafohy
Tsy misy ahy ao amin'ny menakely fa feno ahy ny godrogodro
Miaramila iray kamio, izay mivoaka maty izay mivoaka maty

Ny tongony ponepone ny tanany ponepone , ny tranony trano vy

Boatikely miteniteny

Mitsangana izy rehefa matory ny olona, ary matory rehefa mitsangana

 Tsy marary tsy marinkoditra nefa mangovitra be
 Tsy bataina tsy zaraina nefa lasa lavitra
 Soavalivy mirehoreho

 Vahoaka iray vilany, ka izay tsy mahatanty mipitika
 Ny lohany iray , ny tanany alinkisa  
Valo izy nefa iray
Tain’omby fihinana

Ny voany anjatony, ny ratsany 12 ny fotony iray
Mitsangatsangana izy nefa mipetraka  
Tsy tady izy nefa mamandrika
Tsy lokomena nefa mandoko.
Tsy aretina nefa mampangovitra
Tsy afo izy nefa mandoro
(valiny an-kira miaraka amin'i Jeneraly mpihira)


 
Andian'ondry very tongotra  
Tsy manan-doha fa misatroka, mitongotra vatam-panoto
Miteny nefa tsy misy vavany, raha tapahina tsy mba  mizara
Lavatanana fa tsy afa-mandray
Maro nify fa tsy mihinana
Lava-tongotra fa tsy mamindra
Vatolahy mamàny

 

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement