SEHATRY NY ANKIZY

Mitsiky 5

Nitory tany amin’ny rafozany i Kelilahy

-Mila tsy zaka intsony ry dada ny zanakao fa sady kamo no mpamalivaly nefa mandanilany vola izay tsy izy.

-Tsy rariny tokoa izany anaka, tena sady nitera-borodolo aho ary nanome vato mafana anao, ka ho faiziko mafy  iny:  rahampitso ihany dia ho ariako tsy ho zanako intsony.

 -An!!! Vazivaziko kanjo re izany ry dada o!


 Nihantahanta taminy ery ny vadin'ny Kelilahy io maraina. Niresaka tamiko ny namako iray fa manoroka be azy foana ny vadiny isaky ny handeha hiasa. Tokony mba hataonao koa izany fa mahafinaritra be.
-Ampifankalalao amiko ary izany namanao izany. Aiza no hahavitako izany rahatsy olona fantatro?


Nihaona tamin’ny namany misolomaso tao amin’ny birao iray i Andriamatoa:
Hay izay vao tapakevitra nividy solomaso  ise ry Kelilahy! Efa nanariko ela ihany fa tsy nety  amin’ise pahipahina io.  Fa inona no tena nahatapa-kevitra an’ise?

-Kadoa nomen’i vadiko tamin’ny Saint-Valentin letsy io a!. Tsy izaho anie no tsy te-hividy fa ny halafony no tsy zakako e!

-Tena sambatra ise I Sady izao ise mba mankafy mijery mazava ny tavan’ny vadin’ise  isan’andro.

-Izay indrindra,tena  tapakevitra hampiditra  divorsa aho letsy.


 Nirodorodo niditra ny biraon’ilay mpitsabo ny mpiasa ao aminy.
-Tsy azoko loatra  dokotera no nolazainao an’i Kelilahy  ilay nivoaka tato farany iny?
-Voan’ny gripa mafy loatra izy , ka ny fanafody nomeko azy dia ny hakany akanjo mafana haingana dia haingana sao mivadika pnemonia.

-Hay ve,  nentiny nivoaka any ary ny pardesinao volonondry nihatona tao andalantsara.


 Tera-dahy Andriamatoa Kelilahy, ka lasa nanoratra izany tany amin'ny bokimpanjakana.
- Rakelison no anarany ary  EAVZLTS no fanampiny, hoy izy, mba misy hahatsiarovako ny raiko io fanampinan'arana io.
-Hay manana ra vahiny ianareo, ka metisy rosiana sa tseky angamba ianao izany?
-Tsia ramatoa, mpitsabo mitily ny fahasalaman’ny mason'ny mpianatra no asany.


 Nasain’olona nisakafo ry kelilahy mivady. Mbola mafimafy ady i andriamatoa Kelilahy ;
-Tandremo tsara  ny resakao rehefa mamo ka milaza ny taonako imason’olona eo. 
Fa vehivavy be makiazy sady lingitra Ramatoa vadiny io.

-Tsy hitako izay mahamenatra amin’izany,hoy Kelilahy naneso.Namantsika anie ireo e.

-Hay, hoy Ramatoa, raha vao latsabava eo ianao dia atoroko ity. Sady navoakany tany amin’ny pôketrany ny rosian’ny karaman’i Kelilahy.

-An!!!! Mifona re malala tiako indrindra fa tsy hitendry toaka aho anio sao dia.

 


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement