SEHATRY NY ANKIZY

Mitsiky 4

1-Fa dia nahoana re ianao Andriamatoa Kelilahy no dia tsy hita mihintsy rehefa misy fandevenana e. Hoy ny namany.
-Inona no andaniako andro any rangahy, raha maty aho angaha handevina ahy izy ireny?


2-Nisy tovovavy tsara tarehy mba naharevorevo an'Andriamatoa Kelilahy , sady mijerijery azy koa.
-Hoentiko miserana azy rahampitso ny fiarako tsaratarehy ary anaovako ny fanamiana maha-manamboninahitra ambony ahy.
Tonga dia nijanonany tokoa ilay tovovavy ny ampitso, sady niondrehiny tamin'ny fombamihaja.
-An, an, miala eo fa ataoko inona? Noheveriko fa mpiasa birao kay sôfera, hoy ramatoakely nianjonanjona.

3-Nividy mofo dipaina vao maraina Andriamatoa Kelilahy:
-Ary toa tsy mikarepoka intsony izy izany ramatoa a!
-Mofo omaly anie ireo e!
-Mofo androany anie mba omena ahy azafady.
-Miverena izany rahampitso maraina.

4-Nangata-bady zanaka mpanankarenabe andriamatoa Kelilahy.
-Manahy aho ny hanaiky fotsiny izao, hoy rangahy, aiza no ahafantarako sao ny hareny no anambadianao ny zanako vavitokana fa tsy fitiavana.
-Mba maneke re rangahy, Izaho aza anie no tena manahy be noho ianao, aiza no ahafantarako raha karazan'ireny olona ela velona ireny ianao?

5-Faly loatra i Andriamatoa Kelilahy fa nahazo lôtô. tapakevitra hanao tranobe misy piscines telo be izao izy.
-Fa nahoana no telo be izao? hoy ny reniny.
-Ny iray ranomafana, ny iray rano mangatsiaka ary ny fahatelo lehibe indrindra tsisy rano.
-Piscine ve dia tsy hisy rano .
-Ka maro ny namako nanotaniako tsy mahay milomano; izaho aza anisan'ireny.

 
6-Niditra hopitaly i Andriamatoa Kelilahy. Hoy ny mpitsabo mpampatory:
-Ho didiana dieny izao hianao fa misy kambotsinay efa mila ho vaky, ka manana safidy ianao amin'ny fampatoriana : ny lafolafo sa ny moramora ?
-Hisy tsara nohon'ny mora ve dokotera!
-Ary tonga dia nantsoina ny antokompihiran'ny hopitaly nihira hoe: iny ary izy ravorombazaha, do do dodo Kelilahy  o.

7-Nanambady Andriamtoa Kelilahy, ka faly ery mitantara ny fahasambarany amin'ny namany.
-Ao antokatranonay ao, izaho no tena mpibaiko ary ramatoako manaraka. Miantso fotsiny aho ohatra hoe: amanao ranomafana aho malala a!
-Dia tonga dia mamana rano ve izy ? tena sambatra ingahy raha izany.
-Eo no ho eo mihintsy ka, fantany tsara fa tsy madio ny vilia raha vao rano mangatsiaka.

8-Nosakanan'ny pôlisy Andriamatoa Kelilahy
-Efa hanapitra tabilao mihintsy ny hafainganam-pandehanao rangahy ity.
-Marina izany pôlisy, tsapako hoatry ny tsy mitsako tsara ny frein-ko ka atahorako ho tapaka; ka miriotra mody aho alohan'ny hahatratra lozampiarakodia eo ka maty.

Miverina eny ambony

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement