SEHATRY NY ANKIZY

Mitsiky 3

1-Hoy Ramatoa mpampianatra:
-Eritrereto hoe any an'ala isika ka manaova sary hazo misy voronkely amin'ny ratsany. Rehefa mitehaka aho dia angoniko ny devoara.
Nitehaka Ramatoa.
-Fa nahoana no hazo fotsiny no nataonao Kelilahy?
-Nisy vorona teo Madama fa lasa nanidina daholo raha vao nitehaka iny ianao. 


2-Niteny ramatoa mpampianatra:
-Anio isika dia hianatra ny taranja malagasy: ny matoanteny, ny filaza, ny anarana, ny isa. Hitanisa teny aho dia tondroiko izay hamaly ny sokajin'izay: 
-An'i Kelilahy ary?  Anarana iombonana tompoko.
-An'i Fifaliana: valo? Anaran-tsamirery tompoko.
-Diso, ny valo dia isa, inona no mahatonga anao hijotso toy izao tato ho ato ry Fifaliana ?
-Mahagaga izany tompoko, nahoana izany ny anaran-Ravalomanana.

3-Ilaina dia ilaina ny mihinana anandrano rankizy, hoy ramatoa mpampianatra. Satria izy ireny misy vy (fer) ilain'ny vatanareo.
-Nihinana aho taloha fa aleoko tsy mihinana intsony raha izany, hoy Kelilahy
-Fa nahoana ry Kelilahy?
-Sao aho harafesina.

4-Raiso ny vakiraoka, hoy Ramatoa Mpampianatra, ka ataovy antsary ao ny asa mba tianareo atao rehefa lehibe.
Nanao sary roplanina i Kelilahy  fa te-ho mpanamory ireny, Nanao sary lakana ny hafa fa te-ho mpanjono.
-Fa maninona ianao Fifaliana no tsy manoratra mihintsy.
-Ny asan'ny neninay sy bebenay no tiako madama.
-Ka ataovy ary ny sary arak'izay.
-Te-hanambady dia hiteraka, dia ahoana ny sary ataoko

5-Nihira indray ny tanoran'ny fiangonana:
-"Ry tanora maintso volo, Ny andro anjaranao mahafinaritra..."
Nony tany antsekoly nampianatra ny loko i Ramose:
-Toy ity solaitrabe ity no atao hoe loko mainty.
Nanangatanana i Kelilahy:
-Tena diso ianao ramose:" maintso io fa mitovy amin'ny lokon'ny volon'ny tanora. jereo ny tanora fa tsy misy miloko loko amin'io izany fa maintso"
Tankina ramatoa: ahoana re no anazavako azy e , hoy izy nihaotra loha.

6-Anio hoy ramatoa mpampianatra dia hanao tantara antsehatra isika momba ny zavamaniry fihinana sy ny toetrany
-I Kelilahy : sarokenatra mora mivoara-mena no voatabia.
-I Sondretaka: mora mivalomaintin'ny tahotahompoana io no saonjo
-I Fifaliana:  be ranomaso io no Tongolo gros oignon

7-Hoy Ramose:
-An'i Kelilahy  izao, tohizo ny raha misy manome...
Tsy nisalasala i Kelilahy:
-Raha misy manome
Zavatra ho anao
Kinga miteny hoe:
ATAOVY BE DIA BE.
-Fa iza no nampianatra anao hanova izany?.
-Neninay ka, izay no asainy tenenina  rehefa miantso anà iny ny havanay rehefa fetiko.

8-Kelilahy hoy rny mpampianatra, fantatra mihintsy fa tsy ianao no nanao ity entimody ity.
 Niaiky i Kelilahy
-Dadanao sa neninao no nanao azy.
-Dadako madama, izy ange no manampahaizana indrindra ao antranonay e
.
-Mazava ho azy arak'izao naotinao izao, hoy ramose. 2/20

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement