SEHATRY NY ANKIZY

Misaina


 
Tanisao ny  anaran'ny rantsan-tanana dimy?



SAKA SY TOTOZY
Indray mandeha ity saka hono
Nantsoin'izay totozy izay
Andeha isika samy hatono 
Dia hio hita izay tsy may

Ny totozy no nialoha
Nototofana kitay
Andraso andraso hoy izy aloha
Fanotaniana :
inona no hevipetsy nataon'ilay totozy haha-tsy may azy ary hahamay kosa ny saka fahavalony ?
 

IZA ary aho ?
Ny tenako rankizy, dia fotsy izay tsy izy.
Tsy ahoako izay vazaha, Raha atao fampitaha
Ary raha tombanana, Dia lava sy ranjanana
Izahay rehetra, miaraka mitoetra
Ao antrano iray, tranokelinay.
Io trano io anefa, ilaozana rehefa
Tonga ny mpandray , sy olompaka anay
Matetika amin'itony, tsy miverina intsony.
Ny alehako amin'izay, dia tany midadasika
Tsy misy hazo na iray, fa tena tany hay.
IO DIAKO IO, DIA MITONDRA SOA 
BE DIA BE TOKOA
HO AN'IZAY MANARAKA AZY.
 



Sady miakatra izy no midina.


Teraka nanan’efatra, tanora nanandroa,  antitra vao telo tongotra. Iza ary izany.


Firy ny mason'ny pirina iray ka-poaka ?

 

Ahoana no ahafataran'ny olona iray fa miha-antitra izy ?


Inona no dikan'izao amin'ny teny frantsay: Mihinana ravitoto tra-maraina, ka tsarabe ery? 


Madio aho rehefa mainty, fa maloto kosa rehefa mihafotsy?


Raha matory ianao, izaho kosa miarina. Fa raha miarina kosa ianao izaho dia anjarako ny matory.


Izaho no tsy maintsy ampidirina aloha indrindra, ary avoaka farany indrindra ao antrano. Ny fahaverezako midika  fitebitebena.

Inona no mahasamihafa ny vary fotsy sy ny vary mena?


Ny namboatra azy: nahita azy. Ny mpividy azy: nahita azy.Fa ny nampiasa azy tsy nahita azy. Iza izy.


Seza mena mahafinaritra no andraisana ireto vahiny mitafy fotsy 32 mba hihaino ny
tafan'ity mpikabary malaza. 
 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-


Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement