SEHATRY NY ANKIZY

Mikajy

                            ASAMARIKA - MIKAJY
Misy mahasamihafa ny lazaolana any antsekoly ny famahana ny asamarika miendrika lalaon-tsaina sy ankamantatra toy itony. Satria ny vahaolana dia mety tsy ampoizina fa miankina amin'ny fandinihana. Ka manamarina ny fitenin-tsika Malagasy hoe:"Varivarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso"

Nisy horohotontany lehibe nanova ny vohon’ny tany, vokatr’izany dia  nanjary nisy tendrombohitra lehibe dia lehibe mitovy amin’ny ampaharivon’ny lanjan’ny volana nipoitra teo amin’ny ranomasimbe indiana, niova lasa firy ny lanjan’ny planeta tany taorian’ny horohorontany ? marihina fa ny lanjan’ny tany dia
5,98 10 24 kg , ary ny lanjan’ny volana dia : 7.36 x 1022 kg 
 
Misy olona 10 nozaraina vatomamy miisa 42.  Nahazo 4 isany ny lehibe, ary 5 kosa ny an’ny ankizy. Firy ny ankizy ary firy ny lehibe?
 
Mpanera vato ilay rangahy, nividy vato 200000 ariary izy dia namidiny 210000 teo no ho eo, Nahita mpividy lafolafo nefa izy ny ampitso dia niangaviany ilay mpividy voalohany hamerina ny vato, tsy nanaiky io raha tsy  220000 ar no vidiny omena azy. Lafony  230000 ariary ny vato nony farany. Hoatrinona no tombony azony?

Ny tavoahangy feno rano dia milanja 1000 gr, Raha latsaka 900 gr amin’ny lanjan’ny tavoahangy feno  rano ny lanjan’ny tavoahangy raha foana. Firy izany ny lanjan’ny tavoahangy foana.

Zokin’Ikoto 4 taona i Soa, raha afaka 5 taona dia 24 ny fitambaran’ny taonan’izy mianadahy. Firy taona ary i Soa?

Mpiompy iray miompy gisa sy omby. Mitovy amin’ny fitambaran’ny tongotra rehetra ny fitambaran’isan’ny  elatry ny gisa  sy lohan’ireo zavamananaina ireo. Raha 32 ny isan’ny loha rehetra, firy ny isan’ny gisa  ary firy ny isan’ny omby.

Raha zezika 40kg miampy ny ampahatelon’ny zezika rehetra ampiasaina no ilaina hahalonaka tany iray. Firy ny zezika ilaina ?

Mijery baolina eo ry tanora. Ny zazalahy maka ny Barea, ny tovovavy mirona amin’ny Ajesaia. Rehefa mahatafiditra baolina ny barea dia mifandom-bera ny tanoralahy, rehefa ny Ajesaia kosa no mahatafiditra fia mifandontanana ry tovovavy.Firy ny tovolahy ary firy ny tovovavy, raha 6 ny dom-bera heno ary  15 kosa ny don-tanan-dry zavavy?

Miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement