SEHATRY NY ANKIZY

Mandinika



Mangatsiaka hoatry ny faty, mangilohilo tarafi-masoandro. ary tsy mitsaha-misotro rano? iza ary izy ? 

500 no fanombohany, 500 no famaranana azy. 5 no eo ampovoany. Mameno ny banga ny zanantsoratra voalohany. Ny tontolony dia fanampinanarana. Iza ary izy?

Ny voalohako mifanohitra amin’ny betsaka, ny faharoako ilazana ireo zavatra manakoako
.
Ny tontoloko anaran’ody matanjaka
 

Nisy mpivarokena ambongadiny avy nivarotra, nentiny nody ny mozana 2 samy milanja dimy kilao. Nandalo tetezana kely izy nahita izao soratra izao: ity tetezana ity tsy mahazaka afatsy 84 kilao. Nisaina kely rangahy dia nandroso ary tafita soa amantsara. INONA NO NATAONY?

Hiampita rano ity rangahy mitondra saka , voalavo ary vary manta.  Tsy zavatra iray ihany anefa no azony entina fa tery sy malemy ny zahatra. Tsy afaka mametraka ny saka sy voalavio miaraka izy fa hanin’ny saka ilay voalavo, nefa tsy azony apetraka miaraka koa ny voalavo sy ny vary fa lanin’ny voalavo ny vary. INONA NO HATAONY?

Ny voalohako dia mamaritra loko, ny faharoako midika hoe zavamaniry, ny fahateloko mifanohitra amin’ny mando.  Ny manontoloko dia haninkotrana. IZA ARY AHO ?

Andeha hamonjy fivoriana ilay rangahy, mbola tsy namantana tany anefa fa namangy ny fofombadiny.  Avy tampoka ny orana,  izy ireo anefa tsy manana elo. Tsy manana afatsy harona solefana ilay tovovavy nomeny azy isarony loha.

Lasa ilay rangahy, tonga tao amin’ny fivoriana maina akanjo tanteraka anefa izy .

INONA NO NATAONY ?

Nanafatra an’Ikotofetsy sy Imahaka Rafotsibe hoe: Tsy azonareo diavin-tongotra intsony taniko fa amoriako olona raha tratrako dia hovonoina. Tsy maintsy nandalo teo anefa izy roalahy indray andro. Tratran-dRafotsibe izy nony teny ampita dia namoriany olona. Nanazava tamin’ny loholona nefa izy roalahy ka votsotra. Inona no nazavainy?
 
Ny voalohako midika faritra avy nandalovan, ny faharoa ilay lazaina fa hozatry ny fiainana, ny fahateloko fampiasa raha hisafidy. Ny tontoloko fotoana ka mazava ny alina

  
Betsaka ahy any Farafangana nefa aho tsy tamana ao Vohipeno fa dia  aleoko mihodidina an'Ambohimitsimbina.


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement