SEHATRY NY ANKIZY

LALAO ANKIFIDY

Zavadehibe teo amin’ny fanabeazana ny ankizy fahiny ny fahalalana ny voary sy ny zava-mananaina manodidina azy. Ka anaovany lalao feno sary sy kifonofono mba itaritana ny sain’ny ankizy ho tia mandinika. Isan’ireny ny ankifidy. Tsy mitaky fahalalana lalina fa miankina amin’ny fandinihana ny tontolo iainana. Ka raha diso fandinika dia mahazo ny ratsy. Manomboka amin'ny hoe: "Alao izay ho anao:....". Mazotoa ary !!

'"

 

Be maso anaty vero sa kely maso anaty vato?    
                   

Avy tany sa handeha ho any?

                
 

Zazavavy mikorefa midina sa zatovo miandry ambany?
                 
 

Mandry ankeniheny sa mandry ampangoro?
         
 

Hazo marotsaka sa angibabe feno diky?
                 
 

Mikatsakatsaka antsahan-tena sa mikatsakatsaka antsahan’olona?
         
 

Misakoko tsy ho azo mpangalatra sa mpamosavy manao tehi-maso?
                 


Jabora tsy azo atono sa loson’akoho mitete menaka?
                 
 

Tapatapany efatra sa toran-droa miamponja?
                   

Sitonina ny lohany, mironjina ny rambony sa sintonina ny rambony mironjina ny lohany?
                   
 
         
Taridamban’Ikalataraiky sa lanjabasin’Ikotoadala?
               


Vahiny janga loha sa tompo-trano mahatraka?
         
   

Tsemboka anatin’ny maro sa tsemboka irery ? 
                   

Hitampody anio sa hodimandry rahampitso?
           

Matavy tsy azo didiana sa mahia mitete menaka? 
                 

Italanjonan'ny mpandalo sa ivorivorian'ny manam-panahy?

                 

Hevitry ny fampinomana :

Fomba fitsarana  fahiny ny fampinomana tangena. Indrindra ireo olona ahihiana ho “mpamosavy”.  Zavamaniry mangidy dia mangidy ny tangena ary noheverin’ny Malagasy fa manana hery miafina afaka mamantatra ny ratsy sy ny tsara.  Mpaninona na mpanozondoha  no olona voafidy hanatanteraka izany. Ary ny voany izay mitovitovy amin'ny "noix"no kikisana.

Izao no teny ataony alohan’izany: “hano ity lafika ity ary raha nanota matesa, fa raha tsy nanota veloma!"

Omen’ny havan’ny  voaheloka  vola antsokosoko hono ireny mpanozondoha ireny mba hanao kelikely ny fatran’ny tangena tsy hahafaty velona ny havany.  

Na asaina mitelina hoditr’akondro telo ny voaheloka. Raha mahaloa ireo izy dia afaka ny helony.


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Miverina eny ambony
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement